TANTARA NY ANDRIANA
ETO
MADAGASIKARA

LOHA-TENY

Ry Merina,

Diniho sy vakio matetika ihany ny tantara sy ny fomba nentin-drazana.
Ny tantara raha vakiana miadana sy amin'ny fitandremana, mahasoa sy manome hevitra mahatoky amin'izay mety hatao.
Inona no hevitry ny tantara afatsy milaza marimarina ny soa na ny ratsy nataon'izay tao alohan-tsika? Aoka ny fahatsiarovana ny soa nataony handrisika antsika amin'ny mety hatao!
Aoka ny fahalalana ny nahadiso azy, hampitandrina antsika mafy fa andrao ho diso hevitra tahaka azy!
Ny tantara tsy miangatra: tsy maintsy ho lazaina, raha tsy anio dia rahampitso, ny mety sy ny tsy mety, na nataon'iza na nataon'iza.
Koa amin'izany, vakio ny tantara milaza ny nanjakan'ny razanareo, ary indrindra tandremo tsara izay vakinareo; eritrereto ny niandohan'ny zavatra rehetra lazain'ny tantara. Tsy misy tahaky ny fiheverana sy ny fitandremana mba hahalala zavatra.
Ny olona sy ny zavatra dia mifampisolo ihany, fa ny fomba sy ny fon'ny olombelona tsy miova. Izay mahalala marimarina ny tantaran'ny taranaka teo aloha dia mba mahalala antonintonina ny tantara ankehitriny sy ny ho avy.

Hoy ny taratasy nosoratany Malagasy tamin'ny taloha, ka Ombiasy no nanoratra azy.

5

Fizahan-takelaka 1-6 pejy manaraka