Faly miarahaba anao tonga mitsidika ity sehatra ity, izay natokanay ho fampahafantarana ireo raki-tsoratra fahiny mitahiry ny tantara sy ny kolotsain'ny Firenena Merina. Voalohany amin'izany ny TANTARA NY ANDRIANAizay nangonin'i Mopera F. Callet tamin'ireo mpahalala teto Imerina nandritra ny taona 1868-1881. Ny fizahan-takila araka ny edisiona faharoa (1981) no ho hitanao ato, miampy santionam-pejy vitsivitsy avy amin'ireo pejy 1200 mahery.Manasa anao izay mitady ny Boky manontolo, na ny CD-ROM mirakitra azy, mba hijery ny fomba fanafarana izany ao amin'ny sehatra Tantara ny Andriana sy ny Firenena Merina . |
Mizara ho "Vanim-potoana" telo ny Tantara ny Andriana. Fidio ary izay tianao vakiana:
VANIM-POTOANA FAHAROA: Hatramin'ny ANDRIAMASINAVALONA nahavita an'Imerina 4 toko, ka hatramin' ANDRIANAMPOINIMERINA nahavita an'Imerina 6 toko.
VANIM-POTOANA FAHATELO: Ny nanjakan-dRADAMA I, sy RANAVALONA I, sy RADAMA II, ary RASOHERINA.
Vokatry ny fandrosoana teknolojika manamora ny serasera sy ny fifamoivoizana, dia zary lasa toy ny fonenana iray hitambaran'ny olon-drehetra izao tontolo izao. Mitaky fifandaminana sy sata vaovao ny fiaraha-monina ao anatin'izany fonenana iraisana izany. Ny fotokevi-dehibe efa heken'ny mpandinika rehetra, dia ny tsy maintsy hitsinjovana ny maha-marolafy ny tontolo iainana, ary ny hanajāna ny fahasamihafana misy eo amintsika zanakolombelona, anisan'izany ny firazānana, ny finoana, ary ny kolotsaina izay mamaritra ny maha-izy azy avy.
Anisan'ireo foko-firenena nofehezina tsy ho afa-mijoro amin'ny maha-izy azy ny Merina nandritra iny taonjato lasa iny. Tonga izao ny fotoana fanarenana ny simba sy fikarohana ny very ary famoahana ireo soatoaviny izay toa nokendrena ho adinoiny.
Ho famerenan-kasina ireo LOVATOAVINA ara-tantara sy fototra ara-pirazānana, mba hahafahan'ny Merina mitsinjo ny hoaviny sy mivelatra araka ny maha-izy azy eo anivon'izao tontolo izao, no votoatin'ity sehatra ity.
Koa ny dingana voalohany ho amin'izany tanjona izany dia tsy maintsy heverina ny hampidirana ny fahalalana ny TANTARA NY ANDRIANA SY NY FIRENENA MERINA amin'ny ambaratongam-pampianarana rehetra ao Imerina.
Zaikabe Merina
![]() |
The MERINA NATION | Fizahan-takila![]() |