50 taona aty aoriana :
NOTSONGAINA HO ANAO

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-153, 26 Aprily 1997)

5 Oktobra 1945 : Fehezantenin-dRavoahangy


Valan-dresaka nataony tao amin'ny tranompokonolona Isotry "(...) ho tohizinay ny fiaraha-miasa amin'i Frantsa, kanefa amin'ny dingana ambony kokoa. Tsy ho fifandraisana eo amin'ny "tompo sy mpanompo (andevo)" intsony, fa ho fiaraha-miasan'ny mpirahalahy (...). Ny fikatsahana ny fahaleovantena, tsy azo adika ho mpankahala frantsay (...) "

Desambra 1945 : Hoy ny Fikambanan'ny Colons


Voarakitra ao amin'ny NY MARINA MOMBA NY M.D.R.M, tak.59 : "(...) fantatrareo angamba, fa ny fihetsehan'ireo HOVA any afovoan-tany dia miezaka mitarika ny vahoaka malagasy mba hikomy amin'ny fanjakana frantsay eto Madagasikara. Saingy, ny be sy ny maro, indrindra ny tantsiraka (côtiers) dia hanohitra ny HOVA izay ankahalainy. Koa noho izany dia hirotsaka izahay colons mba hanampy ny COTIERS, mba hamporisika azy ireto hankahala bebe kokoa handringana ny HOVA izay race maudite (...);

23 Martsa 1946 : Kabarina Minisitra


Nivoaka tao amin'ny Les Informations de Madagascar ny faha-26 Aprily 1946, tak.2:
(...) Oran'ny fanapahan-kevitra izao: na isika hanome fahafaham-po ny hetaheta ara-drarin'ireo vahoaka ireo, na dia hanatrika ny fisintahany amintsika. Tsy eken'izy ireo intsony ny hitondrantsika azy toy ny zaza, na dia amim-pahatsorana aza izany nefa ao anatin'ny fitondrana jadona. Fanirian'izy ireo ny hitovy lenta amintsika sy hampiharana aminy ao anatin'ny fifandraisana ny fenitra repoblikana, dia ny fitoviana (...).

Ny herisetran'ny fanjanahantany, ny fananiham-bohitra, ny fangejan'ny hafa amin'ny firenen-kafa. Ny fitanana ny fiandrianam-pirenena amin'ny alalan'ny hery. Tapitra hatreo ny fetran'ny fanjanahantany. Ny firenena - ny antsika - dia tsy afaka hitana ny maha-izy azy any amin'ireo tany am-pitan-dranomasina ireny raha tsy mifanaraka an-kalalahan'ireo mponina any an-toerana. Tsy fahatsapana mifanaraka amin'ny tantara amin'ny vanim-potoana ankehitriny fotsiny izany, fa araka ny Dinan'i San Francisco, izay nandraisantsika anjara feno tsy nisy fepetra, izay lalana iraisam-pirenena notoavintsika, sy tsy maintsy hajaintsika amin-kitsi-po.Anjaran'ny Antenimiera mpamolavola, araka ny finiavan'ireo solontena nantsoina ho ao anatiny, no mamaritra: amin'ny endrika inona, araka ny fepetra manao ahoana no hitohizan'ny fiaraha-miasan'i Frantsa amin'ireo tany am-pitan-dranomasina. (...) Heveriko, fa raha Lalampanorenana mivoatra marina ny antsika, dia ho afaka hifampiraharaha amin'ny vahoakan'ireny tany ireny izy.

16 Aprily 1946


Ampahan-dahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety La Nation Malgache, ary nosoratan'i Lys Norine:

"(....) tsy manana ny fahaleovantenany noho ny antony tsy marina, bokan'ny hetra sy hitsahina hatrany an-tampon-dohany, adika amin'ny teny tokana hoe ANDEVO amin'izao taon-jato faha-20 izao, dia manan-jo hitsipaka izao fototr'izao fahavoazany izao ny vahoakan'i Madagasikara. Hatramin'izao anefa, mbola tsy nampihariny izany, satria, naleony nanapa-kevitra hijanona ao anivon'ny Firaisambe frantsay, kanefa izao no tetika farany sy fara-tampony amin'ny fandrindram-pihavanana amin'ny fitondram-panjakana frantsay. Tsy ekena intsony ny fandefarana hafa (...)

Raha sanatria, ka ho tsipahina io volavolan-dalana io, dia efa fanaovana tsinontsinona sy finiavana tsy hiraharaha ny fahamarinana izany. Noho izany tompon'andraikitra amin'ny fihavanan'i Madagasikara sy Frantsa izy. Ary manasa tanana amin'izay ho vokany ny vahaoan'i Madagasikara. Araka ny zony sy ny ara-drariny, dia tapaka fa izao no fotoana tsy maintsy hakana ny fahaleovantena ary ho voadingana avokoa ny sakantsana rehetra (...).

10 Septambra 1946 : Hoy MOUTET (cablogramme) :


Maika dia maika mihitsy ankehitriny ny hetsika hatao manoloana ny fitaran'ny M.D.R.M. sy fanombohana ny ady atao amin'ity fikambanan'ny Hova ity, na dia ho amin'ny famaritanana azy eo amin'ny sisin-tany sy ny foko ihany aza, izay tsy iza fa Imerina, ary avy amin'izay koa dia endahina aminy ny maha-sehaka an'i Madagasikara azy, izay efa nohezahiny natao hatramin'izao rahateo.

24 Septambra 1946 : Taratasin'i MOUTET ho an'i De COPPET :


"araka ny taratasy lah.367 CF:AP tamin'ny faha-26 lasa iny, dia nangatahinao ny famerenan-jo an-dRainandriamampandry, governoran'i Toamasina taloha, ministry ny Lalana sy ny Atitanin'ny Mpanjakavavy RANAVALONA faha-III, ary voaheloka ho faty sy notifirina ny faha-15 Oktobra 1896, noho ny firaisany tsikombakomba tamin'ny mpikomy sy ny fankahalany ny fanjanahantany frantsay, dia : voninahitra ho ahy ny mampahafantatra anao fa nitana ny saina aman'eritreritro ary nofakafakaiko lalina tokoa io tolo-kevitra nataonao io. Rehefa tena nodinihina anefa, dia tsapako fa ny famerenan-jo ity ministry ny Fanjakan'i Madagasikara ity, araka ireo antonantony isan-karazany sy mifandraika koa amin'izao vanim-potoana izao, dia saro-tanterahina sy ampiharina ary tsy misy lanjany loatra.

Ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany, dia midika ho fahatapaha-tohin'ny politika nampiharin'i Gallieni sy ny fanjanahantany frantsay ary fanamarinana koa ny Fanjakana Hova (MERINA) teto amin'ny Nosy. Vinavinaiko koa amin'ny lafiny hafa, fa ny fanaovana izany, dia tsy ho raisin'ireo mpisintaka (T.F.: mpitaky fahaleovantena) ho fahatsoram-po, araka ny tolo-kevitrao, fa hadikan'izy ireo ho mariky ny fahalementsika. Heveriko araka izany, fa tsy ilaina akory ny mamoha ity raharaha ity.

12 Desambra 1946 : Hoy i MOUTET (Cablogramme) :


"(...) Hanan-danja manokana amin'ny fanamafisana ny fanjakantsika any Madagasikara ny volana rehetra ho avy, ka heveriko ho tsy tokony hionona amin'ny fotsiny eo anatrehan'ny zava-misy ireo tompon'andraiki-paritra, indrindra manoloana ny hevitra rehetra mitsiry ankehitriny. Ny fanavaozan-drafitra natomboka dia natao indrindra mba hamatorana amintsika ireo foko hafa hialany amin'ny famatorana araka izay azo atao amin'ny Hova.


TSARA HO FANTATRA


Sous la direction du secrétaire général du gouvernement colonial, M. Boudri, voici les membres fondateurs du PADESM (Parti des Deshérites Malgaches):

  • 1 - RATSIMBAZAFY (mpitandrina)
  • 2 - RALIBERA Albert (mpanao gazety)
  • 3 - RATSITOHARA Gilbert
  • 4 - Jeremie Martin REVOKY
  • 5 - VELONJARA Pascal
  • 6 - Martin Robert
  • 7 - RAVELOSON MAHASAMPO
  • 8 - RAJAKAOBA Stephanoel
  • 9 - ZAFIMAHOVA Antoine
  • 10 -RANDRIANARISON (mpitandrina tao Ambositra)
  • 11 - RALAMBOARISON Felix
  • 12 - RADABASON (mpitsabo A.M.I)
  • 13 - RAMAMBASON Daniel
  • 14 - TSIRANANA Philibert
  • 15 - RALAIVOAVY Paul
  • 16 - TOTOVANTANA
  • 17 - RAMANANKAVANA
  • 18 - TOTOLEHIBE
  • 19 - RAJAKOBA Raphael
  • 20 - RALEVASON (Mpanao gazety)
  • 21 - ZAFIMAHOVA Norbert
  • 22 - RASOARAHONA
  • 23 - JEREMIE Ernest (inspekteran'ny polisy)

Nanangona sy nitondra dika malalaka : ILAITANGENA


  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...