(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-152,
18 Aprily 1997)Na inona na inona antony nahatonga ny HETSIKA 29 MARTSA 1947, na fikomiana iny na fihantsiana, antony tokana monja no nanosika ny Ambanilanitra hihoitra, dia ny fahatsapany ny ngidin'ny fanandevozana vaovao nangejan'ny mpanjanatany ny vahoakan'i Madagasikara, ka nitakiany fahafahana ao anatin'ny fahaleovantenany. Kanefa, afaka tokoa ary ve i Madagasikara 50 taona taorianiny faha-29 Martsa 1947 iny?
Amin'ny endrika ivelany, dia andeha ho fehezina amin'ny hoe : tany afaka i Madagasikara. Afaka, satria, Repoblika no mijoro eto, ary raha to aza ny fanirian'ny mpitondra ankehitriny, dia hiditra tsy ho ela amin'ny Repoblika faha-4 hampanjakana ny Homanisma sy ny Ekolojia isika. Na aiza na aiza eto, eny fa na dia hatrany ivelany aza, dia mihofahofa amin'ny tranom-panjakana sy amin'ireo masoivohony any ivelany ny saina telo soratra: fotsy, mena, maitso. Ankoatra izany, dia manana ny fitondram-panjakany izy. Manana ny volany koa ary teratany 3 lahy nanana ny maha-izy azy avy no efa nifanidimby nitondra tao anatin'izay 37 taona izay. Etsy andanin'izany, dia afa-milahatra tanteraka amin'ireo tany afaka rehetra i Madagasikara, ka mandray anjara mavitrika amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny United Nation (U.N.) sy amin'ireo sampan-draharaha samihafa ao anatin'io fikambanana iraisam-pirenena io. Tsy izay ihany no endrika ahafaha-milaza ny fahafahan'i Madagasikara, fa azo itarafana izany, indrindra indrindra ny maha-masi-mandidy azy hifanaraka amin'izay tiany hifanarahana. Ohatra : World Bank (W.B), International monetary Fund (I.M.F), Flamco A.G, ... ary amin'ireo firenena na vondron-tany toa ani Frantsa (renimalala taloha fa firenena mitovy lenta tsy azo ihodivirana), Koryo Avaratra (paradisa anjakan'ny mosary); Repoblika Arabo Sahraouie Demokratika (tany afaka, mbola mifatotra); ny vondron-tany tsy momba ny atsy tsy momba ny aroa (fa momba tokana),...Kanefa ampy hitsarana ny maha-tany afaka an'i Madagasikara koa va ireo?
a - fifandimbiasam-pitondrana demokratika fa...
Ny ampitson'ny raharaha 29 MARTSA 1947 ihany , dia efa nampanantenana laka sahady ny olon'ny antoko PADESM, arak'ity tsiverimandeha nalefaningahy de COPPET ho azy ireo ity (tsiverimandeha taminny faha-17 Aprily 1947 ho setrin'ny taratasy fanomezan-toky nalefan'ny sekretera Jenaralin'ny PADESM ny faha-7 Aprily 1947): (...) tsapako tao anatiny, ny fihetseham-pon'ny antoko najoronareo tamim-pahasahiana, hanohitra ireo fahavalo, izay nanohina ahy tokoa. Novinidin'ny PADESM taminny rany, ary voamarina tokoa ny firaiketam-pony amin'i Frantsa. Maro amin'ireo mpikambana tao anatiny no namoy ny ainy ho mariky ny fitokiany sy ny fitiavany azy noho izany. Hotsaroan'i Frantsa izany ary tiako hampitainao amin'ireo sampanireo antokonareo; (...) Hatreo, dia voavaly fitia ny olon'io antoko io sy ny taranany, satria, izy ireo hatrany no nifandimby nitondra ny tany sy ny fanjakana tao anatin'izay 37 taona izay, kanefa, dia navesatr'ila ny mizana ka ry zareo PADESM avy any Anindrantany no tompon'ny didy sy ny familiana, ary zara raha hita, na nahazo ankala-manta ny PADESM sy ny taranany avy aty anivontany, kanefa, ireo izay nahazo aza dia tsy naharitra ela teo amin'ny fitondrana. Tsy nifandanja ny valim-pitia, hoy isika, satria, ny PADESM avy anindrana no nibahan-tsehatra : Repoblika voalohany: - Tsiranana Philibert ( PADESM izy tenany) sy ny namany...
Tetezamita faharoa: Ratsimandrava (avy aminny rainy) najedaky ny.... herinandro monja taorian'ny nandraisany fahefana,
Repoblika faha-II- Ratsiraka (avy amin'ny dRatsiraka Albert, rainy sy i Velonjara Pascal, rafozany); (T.F.: nanampy betsaka azy tao aminny C.S.R itpkl RAHATOKA Salomon, zahao F.M. lah.149)
Repoblika faha-III, dingana voalohany :Zafy Albert (avy amini Zafimahova, rafozany).
Repoblika faha-III, dingana faharoaRa : tsiraka indray... Fifandimbiasam-pitondrana demokratika
ireo rehetra ireo, satria, tao anatin'ny ara-dalana na fifidianana no nanaovana azy, saingy, tsy
tongatonga ho azy eo amin'ny fitondrana ny olona iray raha tsy teo ny tso-dranon'i Frantsa. Mety
hihevitra isika fa ny fifidianana an-kalalahana no mampiakatra olona eo amin'ny fitondrana! Marina izany,
kanefa, hatramin'izao, izay fanapahan-kevi-dehibe tsy maintsy ho raisina amin'ity Tany ity, dia
mbola ifampidinihana amin'i Lafrantsa renimalala taloha, fa firenena mitovy lanja amintsika ankehitriny.
Milaza zavatra ny vangivangy sy fihaonana manokana nataon'ireo masoivohon'i Frantsa roa lahy
(ilay taloha sy ny ankehitriny) teny Mavoloha talohan'ny nitsanganan'ny fitondram-panjakana.
Marihina, fa samy mpianatra nandranto fahaizana ary samy noravahan'i Frantsa mari-pahaizana
ambony avokoa ireo rehetra nifandimby nitondra antsika hatramin'izay ireo. Ny azo hamintinana
ny zava-nitranga hatramin'izay, dia mpifidy sy mpandatsa-bato amin'ny anaran'ny demokrasia
izao Ambanilanitra izao, fa ny any dilambato no tompon'ny fanapahan-kevitra rehetra.
b -manao anjolofo...
Tany afaka i Madagasikara, hoy isika, satria ao anatin'ny tsingerintaona faha-100 nahaverezan'ny fiandrianam -pirenena tanteraka (vanim-potoana tokana aman-tany sy mangidy indrindra) sy ny tsingerintaona faha-50-n'ny nandripahana ain'olona an'hetsiny no handraisantsika ny lalaon'ireo firenena miteny na mampiasa ampahany ny teny frantsay. Afa-tsy ireo firinga mievotra manana fahazaran-dratsy hiteny frantsay amin'ny fiainany ankobanandro, dia miteny ny tenin-drazany avokoa ny mponina eto Madagasikara. Izany hoe, tsy miteny ny teny frantsay na mampiasa amin'ny ampahany akory io teny io, raha tsy amin'ny antony manokana. Raha ny marina aza dia hakamoan-tsaina no tena manosika antsika hampiasa ity teny ity. Vola an-tapitrisany FF no efa natobaka sy mbola hatobak' i Frantsa sy ireo firenena tsy mahasaraka azy (Quebec, fa tsy i Kanada manontolo, Belgium ampahany miteny frantsay, Luxembourg) ho enti-manatontosa ity Lalao ity. Tsy mpampiantrano fotsiny anefa i Madagasikara, fa mandray anjara feno koa amin'ny fandaniana hatao rehetra. Mety halaim-panahy ny marivo salosana hihevitra ny hoe fotoana mba hisehoan'ny zatovo sy ny tanora Ambanilanitra ary hampisehoany ny vokatry ny ezaka nataony io fotoana io. Marina amin'ny ampahany izany, fa ny fanatanjahantena, dia mifamatotra koa aminny toekarem-pirenena, ka rehefa latsaka ambany ny toekarena, mba reraka koa ny fanatanjahantena. Saingy, hahaheni-boninahitra an'i Madagasikara amin'izao faharavana misy eto aminy izao va ny fandraisana ity lalao ity? Ary moa tsy i Frantsa aza no henin-kaja afa-mampiseho amin'izao tontolo izao, fa i Madagasikara, dia iray amin'ireo firenena mampiasa ampahany na miteny ny teny frantsay? Fandatsana ireo maty nahafoy ny ainy ho an'ny Tanindrazana, dia ireo maty rehetra tamin'ny fanoherana ny fanjanahantany sy ny fanjanahan-tsaina, kanefa, andeha hataontsika hoe andron'ny demokrasia izao, ary izao matoa tanteraka, dia satria efa tapak'ireo olona voalaza ho nofidintsika sy namindrantsika fahefana, ka dia ataon'ny manam-panahy mangahazo mangidy malemy, haniny amin'ny lemim-panahiny. Etsy andanin'izany, dia manao anjolofo hitondra fanampiana hahahafan'i Madagasikara mitraka sy miavotra ihany koa i Frantsa. Vao herinandro izao, dia nanolotra fiarakodia tsy mataho-dalana ho an'ny zandarmaria io firenena io, izay efa hitantsika ampiasaina eny Analakely eny ho fitandroana ny fandriam-pahalemana ny sasany. Dia mihevitra koa ny fatsora ka hilaza hoe ampahany miverina tamin'izay efa lasan'i Frantsa ireny. Marina tsy azo iadian-kevitra izany, saingy, hoy ny mpahay politika: misy ny fanampiana mamatotra ary misy ny fanampiana manampy ialana amin'ny fanampiana ka hahafahana mitraka. Koa raha lanjaina ary, mba iza amin'ireo fanampiana ireo no mendrika iantsoana itony karazam-panampiana itony? Lalovana fotsiny ny amin'ireo boky nilaozan'ny fandaharam-pianarana vaovao mihatra any Frantsa, ary natolony ho an'ny zatovo sy ny tanora Ambanilanitra.
Raha asiana dikany ny maha-masi-mandidy ny tany iray, dia ny fahafahan'io tany io - tsy itsabahan'ny tany na vondron-tany, na fikambanana ivelany - manapa-kevitra ankalalahana amin'izay rehetra heveriny ho mahasoa azy. Tany afaka tokoa i Madagasikara, ary mihoatra ny afaka aza, satria, afa-nifanaraka sy mbola hifanaraka amin'izay tiany hifanarahana. Nandia fotoan-tsarotra ny fiaraha-miasa taminny W.B sy ny IMF fa ta-hampiseho eo imason'ireo mpampanjana-bola ireo ny maha-masi-mandidy azy ny malgaches mitondra. Vatran'izy ireo mihitsy ny nidrikina sy nanompa azy ireo ary vatrany ny nitady lalam-bola hafa sy vaovao (Flamco A.G,...), ka nanao antoka ny volamenan'ny Tanindrazana aza. Fahafahana va mihoatra an'izany! Kanefa, rehefa nandrasan-tsy nitranga ny US.$ an-tapitrisany, dia niverina hitodi-doha hifanaiky amin'ireroa pampanjana-bola mahazatra indray ireo mpitondra voafidim-bahoaka sy nametrahany ny fitokiany. Araka ireny fiadiana ho lohany tamin-dRatsiraka sy Ratsirahonana ho nahavita ny zavatra ireny, dia izao iainantsika izao ny vokany taloha sy taorian'ny fifanekana teo amin'i Madagasikara afaka sy ireo mpampanjana-bola mahazatra. Natsingevaheva ny sandam-bola, nofehezina ny fandraisana mpiasam-panjakana (mpampianatra, mpitsabo,... ). Voafetra sy voara-maso avokoa ny fandaniam-bola rehetra, ary tsy maintsy izay soritr'asa heverin'ny mpanome ihany no azo hampiasana izany vola izany. Hanamafisana ny fahafahan'i Madagasikara ireto tranga notsongaina ireto:
- mialoha ny dingana faharoa tamin'ny fifidianana izay ho filohan'ny Repoblika, dia nasain'ny mpampanja-bola hanome toky ny amin'ny tsy maintsy ampiharany izay voarakitra ao amin'ny antontan-taratasy lasitra mirakitra ny politika momba ny toekarena na D.C.P.E izy mirahalahy mianaka sisa nifaninana tamin'io dingana io, ary samy manaiky avokoa;
- nitoetra fotoana maharitra tany Frantsa ny filohan'ny Repoblika;
- samy nanira-tena nanome voninahitra ny fandevenena an'i Monsieur l'Afrique tao amin'ny fitondram-panjakana frantsay nifandimby (Jacques Foccart) izy mirahalahy;
- hitsidika any Frantsa Rakotomavo, praiministra.
Afaka tahaka ny tany mahatsangy rehetra ny tany afaka mivelatra sy mampivelatra ny kolontsainy eo anivon'ny vahoakany. Kanefa, akondro mahia misy masaka ny raharahan'ny kolontsaina eto amintsika ka saro-dazaina amin-kavana. Zary teny faneva tsy hita fototra na tsy misy vahatra ifaharana ny teny frantsay mamin'ny fon'ireo mpikolo ny kanto hoe : UNITE DANS LA DIVERSITE na ny maha-marolafy ny kolontsain'i Madagasikara. Nilaozan'ny toetr'andro irony vanim-potoanan'ny MITADY NY VERY sy ny MITRANDRAKA NY VOKATRY NY TANY irony. Izany hoe mbola tsy tena hita tanteraka ny maha-izy ny tena, dia efa najanona ny fikarohana, ary mbola tsy voatrandraka akory ny tany, dia efa navela. Ireo niaraha-nahita sy vokatra sisa notazana aza, dia nariana, fa naleo nandray ny vokatry ny hafa , satria, ireny no malaza sy kanto iraisam-pirenena. Isan'ny antony hafa, ary ny lehibe indrindra, dia ihomehezana ireo mitrandraka sy mandalina ny kanton'ny razany isam-paritra, na ireo nitrandraka koa, dia miezaka mampivady izany amin'ny an'ny hafa sao ho diso toetr'andro. Ny tena mampalahelo sy mahamenatra indrindra, dia terena ho kolontsaina iray ny an'ity Nosy ity, nefa ambara isan'andro fa kolontsaina marolafy no misy eto. Rehefa tsy izay no zava-miseho, dia tsatsoina avy hatrany ho mandrava ny firaisampirenena izay miezaka manindrahindra ny azy! Moa tsy izany va no antsoina hoe jamba misikidy, ka mahita ny soa ho an'ny olona fa tsy mahalala akory ny tsara ho anny tena? Mba firy amin'ny zanak'ity Nosy ity tokoa moa no tena mahafantatra tanteraka ny Kanton'ny firenena nipoirany avy? Moa va tsy ny soukouss sy ny rock na ny rap no ifanotofan'izy ireo?
Zahao ny fampiasana ny tenin-drazana: lazaina ho mpanjana-tsaina, ohatra, izay mpampianatra mampiasa ny teny Merina (?) nefa dia dradraina ary marina tsy azo lavina ny maha-iray fototra ny teny ampiasaina ny teny rehetra tenenina eto Madagasikara, fa ny faritra itenenana fotsiny no manova azy. Vokatr'izany, dia henjehina ny MERINA, satria, ta-hampanjaka tokana ny teniny, hono! Etsy ankilany anefa, dia dokafina ho dada sy tena avara-pianarana lasan-davitra ireo miteny frantsay. Moa tsy olona voazanaka va ireo olona manao izany? I Gallieni tokoa no maty efa ela fa ny asany mbola mipetraka ary angamba misy koa ny ta-handova azy.
Rehefa tena alalinina ny OLANA misy eto Madagasikara ankehitriny, dia OLANA noho ny TSY FAHAFAHANA mianjady amin'ny vahoakany, na MERINA izy na tsia. Mahantra ny Ambanilanitra (na Merina koa izy na tsia), satria,voaparapaingo avy any ivelany ny toekarena. Rehefa vaoparapaingo ny toekarena, dia voageja koa ny politika, saingy, ny politika voageja, tsy vao omaly na androany, fa efa 100 taona izao no nangejana azy. Hanakifika ireo antonantony rehetra ireo no antony nitoloman'ireo zoky sy raiamandrenintsika nandritra izay 100 taona izay, Koa raha natao teny faneva tamin'ny fahatsiarovana ny tsingerintaona faha-50-n'ny faha-29 Martsa 1947 ary ny FANILO MIAMPITA, ho antsika, hatrany am-boalohany no efa nampitapitaina hasandratry ny taranaka ny FANILO, hanohizana ny ADIM-PANAFAHANA ny Tanindrazana, mba haha-AFAKA tanteraka ity tany ity.
Mety hihevitra ianao, fa andron'ny fanatsarana ny fifandraisana iraisam-pirenena izao vanim-potoana iainantsika izao. Ekena, saingy, TANY mahatsangy sy afaka amin'ny lafiny rehetra no afa-mifanaraka amin'ny firenena afaka mitovy aminy. Ny Tany SARY AFAKA, dia tsy sasatry ny hianjeran'ny vatomizana mitongilana, ka hifatotra mandrakizay.
Ilaitangena
(1) - ministry ny zanatany frantsay
(2) - filohan'ny Filan-kevitry ny fitondrana tetezamita tany Frantsa.