TK sy AT

Momba ny fanondroam-potoana amin'ny Tantara

Tamin'ny taonjato faha-6 no nanomboan'ireo Tandrefana nitety andro amin'ny alalan'ny taona noheverina (tamin'ny fomba diso anefa satria fantatra ankehitriny fa 4 na 7 taona talohan'i J.K. no tena nahaterahan'i Jesosy Kristy!) fa nahaterahan'i Jesosy Kristy. Tsikelikely taty aoriana, indrindra hatramin'ny taonjato faha-19, dia saiky nanaraka an'izany avokoa ny firenena rehetra eran-tany na dia mbola maro-be koa aza ny fomba fanisan'andro hafa mitohy miasa. Ohatra azo raisina amin'izany, any Jawa (Indonesia) dia telo ny fomba fitetezan'andro miaraka ampiasaina : 1) Ny fomba tranainy Jawa; 2) Ny an'ny Tandrefana; 3) Ny an'ny Silamo. Tsy tokony ahagaga antsika anefa izany satria na ny eto Imerina aza dia mbola maro ny olona mampiasa ny fomba fitetezan'andron'ny Ntaolo manondro ny tonom-bintana.

Noho io fomba tandrefana io dia fanao mahazatra, amin'ny sehatry ny tantara, ny manavaka ny zava-nitranga talohan'ny nahaterahan'i Jesosy Kristy amin'ny niseho taty aoriana. Amin'ny teny frantsay dia tondroina amin'ny hoe "avant J.C." na koa "av. notre ère" ny voalohany ary "après J.C." na "ap. notre ère" ny faharoa. Ny mahavantana indrindra ireo manam-pahaizana eran-tany (ary hatramin'ireo Frantsay indraindray!) anefa ankehitriny dia ny fanafohezana avy amin'ny teny anglisy. Izany hoe ny B.C. (Before Christ) ho an'ny talohan'i Kristy ary A.D. (avy amin'ny "Anno Domini" na Taonan'ny Tompo) ho an'ny taty aoriana.

Koa mipetraka ary ny fanontaniana : mba inona kosa no tokony ho arahintsika? Ankehitriny mantsy dia mazava fa na dia ny tantarantsika Merina samy irery aza dia tsy azo atomboka intsony amin'ny taonjato faha-16 araka ny fanao mahazatran'ireo "malgachisants" mpanabotry saina miambo ho "manam-pahaizana" momba ny tantaran'i Madagasikara. Ny antony dia satria efa aman'arivony taona maro talohan'izany no azo fantarina ny tantaran-drazantsika amin'ny maha-mpikambana amin'ny fianakaviam-be nusantara azy. Ka noho izany dia voatery tsy maintsy mba manana fitaovana tonga lafatra koa isika amin'ny fomba famelarana ny zava-niseho nandritr'izay ela be izay.

Voalohany indrindra dia azontsika atao ny manaraka tsotra izao ny fanao amin'ny teny anglisy izay lasa tsikelikely fanao iraisam-pirenena. Tsy misy maharatsy azy koa anefa raha mba mikaroka izay mety amin'ny tenintsika manokana isika. Izany hoe ohatra T.K. (Talohan'i Kristy) ho an'ny B.C. ary A.T. (Andron-Tsika na Aorinan'ny Tompo) ho an'ny A.D.

Manaraka izany, momba ny fanisana ny arivo taona (ang. "millenary") dia azo atao ny mampiasa ny "taon'arivo" (na taonarivo), izay mirindra indrindra amin'ny "taonjato". Ny "dimy arivo taona Talohan'i Kristy" ohatra izany dia azo lazaina koa hoe taonarivo faha-5 T.K., ary ny "arivo taona voalohany aorinan'ny nahaterahan'i Kristy" dia taonarivo voalohany A.T. tsotra izao.

Antenaina ary fa tsy ho ela dia ho zatra tanteraka amin'izany fanao izany ny Merina rehetra satria koa izany mba mampiseho fa efa afaka manondro ny toerana misy ny tantaram-pirenentsika manokana eo amin'ny sehatry ny tantaran'izao tontolo izao isika.

Lahatsoratra efa nivoaka, amin'ny vonto-atiny, tao amin'ny gazety FEON'NY MERINA (Antananarivo) tamin'ny 12 mey 1995
  Miverina any amin'ny takila fanolorana   Ny eritreritrao...

Copyright © Janoary 1997 Andriantefinanahary.