Sehatr'Imerina
Ny vato naorina adidy. Ny teny atao andraikitra. Ny adidy aman'andraikitra tsy miorina amin'ny Tanindrazana, dia zava-poana toy ny aina entin'adala. Koa raha mibanjina iny tendrombohitra tomban-davana iny. Raha mifantoka amin'ny zava-draiketiny taona maro lasa. Raha mitodika an'Amboanana sy Arivonimamo, dia sarotra ny hanakona ny masom-panahy - anoloan'ny hafa teren-kololohavina - fa mamolivoly ny fo, te-hitroatra hiantso ny rariny, kanefa, ny rariny? Efa navariny ho ao anatin'ny «fahazavana» nataony amboletra hiditra sy nosoloiny ny azy avy Dilambato, ka mibaby heloka avokoa izay maniny ny rariny azy tenany ary tsy maintsy nahazo «famaizana» na avy amin'ny «lahatra tsy hita maso» na ny «Fitsarany» tahaka izay efa nanamelohany ny ampinga sy ny lefona aron'Imamo, dia ireo tsy nikoy hatramin'ny farany. Ireo tsy mivalo ny an-tanan'ny hafa. Ireo mena lamba tsy notafina lamba mena. Ireo nampitondra faisana ny «tsilon'ny fandrosoana». Ireo nampitondra henatra izay nahitany masoandro. Ireo tsy narahin-dranomaso fony nafoy, kanefa,...
Raha izay ranomaso foana, tsy hararako eto akory. Aoka ho anjaran'Ambodin'Ankaratra miampofo an'i Tsiafajavona, tangorom-bohitr'Imerina noverezin-kasina, vavolombelon'ny tantaranareo ny ho maloka mandavan'ny taona ka hitomany anareo sy hipoaka fanindroany ny karan-dohanareo, tahaka izay efa nataony 102 taona lasa izay, ry Ilaitangena sy Rainisongomby, menalamba maimbo rà sahy nankahatra vazaha vory hery sy izay rehefa nanaiky hifanao vary lena taminy.
Taranaka firy no efa nifandimby? Ranomaso firy nongo no efa raraka teto? Volana im-piry fenomana no efa nisoka ary fo mitempo firifiry no efa nody ho vovoka nomba anareo mialoha izao tsiahy mielina izao? R'Ilaitangena sy Rainisongomby!
Menatra ny nofonareo ny amboa ditsika. Raiki-dolo ny fahasahiana nananareo Imamo tsy vaky volo sy ireo «fanilon'ny haizin-ko rava» ary nihorohoro noho ny lazanareo Rainitsimbazafy sy Rainivelonoro ary ireo parasy tsy nahasaraka azy, ka indro ankehitriny tsiahivina hamelovelo ao anaty fanahin'ireo nanaiky handray ny lova ny antony. Hipaka any amin'ireo tsy mandi-mandefitra ny tsy heloka ary hamàka ao anaty lohan'ireo vato nasondrotry ny tany ny haikam-pientanana hanapa-tohy ny tahotra amin'ny geja, fa IMAMO tsy IMERINA, IMERINA no MAMO mila fanohinana, mila fanairana, mila hofohazina, satria, latsaka ambany ny lazan-dRANAVALOMANJAKA. Very hasina ANDRIANAMPOINIMERINA, ary voasarona vodi-sobiky ILAIDAMA sy IMERINA, izay samy atody tsy afindra reny, vohitra tsy afindra tompo, sanga ireharehana, ka mangovita ry VATOVE nivadi-bolana. Miparareta ry Ambodin'Ankaratra mpanozon-doha ary mihorohoroa ry AMBOANANA nanaiky lembenana, fa Ravololona sampy malaza no folaka sy ho folaka mandrakizay, ny totohondry navonkina 100 taona kosa tsy hihemotra intsony, satria, ny omaly tsy tahaka ny androany, ary ny anio tsy ho rahampitso, ka indro hampihofahofa ny sainan'ny Tanindrazana miteraka adidy sy tsy azo verezin-kasina ry RAINIZAFIVOAVY sy BENAHY vaovao, hamerin-kaja ity Tanin-dRanavalona ity.
Fomban'ny velona ny ho faty, fa ny maty mivarin'an-tany henatry ny velona, kanefa, ny velona manaiky hibaby henatra isan'ny maty ary raha ho faty ihany, aleo maty amin'antony. Ianareo maty amin'ny antony sy maty nahanton-doha, tsy henatry ny Tanindrazana fa henatry ny kerisay sy kanosa. Henatr'ireo manaiky lembenana sy nanaiky hilefitra resy tsy niady. Henatr'ireo rehetra mbola mamontoka tsy mety hifoha. Henatr'ireo nanota fady ny Razana.
Koa mahazo maty amin'izay ianareo ry Ilaitangena sy Rainisongomby ary handry am-piadanana, fa ny hafatra famoha-mandry efa tafita. Ny faneva naetrin'ny sasany efa najoro. Imerina very hasina mifoha. Ary ny ranomaso raraka tam-pierena, mody ho ony hanala hetaheta ny Tanindrazana trotraka sy hampitrebona fitiavan-Tanindrazana vaovao! Imamo notsatsoina nitera-panilo. Imerina efa niondrika, nahay nampitraka tena. Fa aina no avotana. Vohitra no arovana. Tany no arenina. Lova no tsy avela ho rava. Ka mitsiry ry lohantaonam-pandresena, fa izao no ainga sy hoitra mpialoha lalana. Dia handresy tokoa isika, fa Antsika ny Ampitso, ka dia raiso ny andraikitrao r'IMERINA nahafoy zanaka tsy nairina. Ny maty momba ny maty ary ny velona momba ny velona!
Ilaitangena
tsy mivalo