Ankehitriny dia tsy misy azo atao intsony afatsy ny fanarenana an'i Manjakamiadana sy ny firenena merina manontolo izay hany nokendrena indrindra ho levona miaraka aminy. Na dia manjoretra sy fadiranovana ary lotiky ny hatezerana maha-maimbo-ra aza izany isika dia tsy maintsy mitony amam-pahendrena mba ahafahana mikaroka izay fomba mety indrindra ahavelona ny firenentsika. Ka aoka mba tsy ny vali-faty laotra no heverina voalohany fa ny tokony tsara ho atao indrindra mba hampiray ara-tsaina sy ara-panahy indray ny Merina rehetra mbola nahatana hatrany ny hasin'ireo razany ka sahy mirehareha amin'ny maha-merina azy. Heverinay ary fa ny asa fanarenana an'i Manjakamiadana indrindra no mety ahatanteraka an' izany ankehitriny. Matoa mantsy potika tsy satry ny lapam-pirenentsika ary voahosihosy ny hasin'Andrianampoinimerina dia satria niamboho-adidy amin'ny fiarovany ny fireneny sy tsy nahay niray hina ny Merina noho ny fitiavan'ny tsirairay avy mitady ny tombon-tsoany manokana. Mazava tsara ho an'ny rehetra anefa izao fa ny misaraka dia fasika tokoa ka tsy afaka velively ny hiaro-tena na hiaro koa ny lovan-drazany manoloana ny hasomparan'ny mpialona izay mitetika hatrany ny ahamontsana azy. Ary tsy ny toetrany manokana ihany akory no misy mankahala fa ny tena maha-merina azy mihitsy!
Ny loharanon'i Manjakamiadana
Tena azo lazaina fa ny tantaran'i Manjakamiadana dia mifangaro tanteraka amin'ny tantaran'ny tananan'Antananarivo miloloha azy. Na dia voambara aza mantsy fa tao Ampandrana no nitoetra ireo mpanjaka voalohan'ity faritany ity izay mbola fantatra anarana ankehitriny, toan'ry Rafandrandava sy Ramasindohafandrana, dia azo hinoana fa mba efa anisan'ny toerana nonenan'ny andriana koa hatramin'ny fahagolan-tany ny faritra misy ny Rova. Anisan'ny porofo mampiseho indrindra an'izany ny filazana fa tao Ampanibe, ao atsinanan'Ambohipotsy no nitoetra Andriankazobe izay anisan'ny zana-dRapeto. Ireo mpanjaka fahiny ela-be ireo dia malaza amintsika ho "vazimba". Noho ny filazana nampihelezan'ireo Malgachisants mpanohana ny politikan'ny mpanjanatany frantsay izay mitetika hatrany ny hampihetry ny Merina dia maro no manjary nihevitra taty aoriana fa karazana olona hafa fiaviana noho ny tena Merina ireo Vazimba ireo. Iaraha-manaiky anefa ankehitriny fa ny tena marina, mifanaraka indrindra amin'ny fampianarana nentin-drazana dia olona mitovy amin'ireo taranaka Antehiroka sy ny mponina avy any Imamo (izay toerana niavian'i Rapeto indrindra!) izy ireo, izany hoe, tena Merina iringiriny mihitsy.
Tamin'izany andro fahagola izany dia Analamanga, na ny marimarina kokoa angaha, Ialamanga no anarana nentin'ny lohavohitra misy an'i Manjakamiadana, noho izy mbola rakotra hazo. Taty aoriana, rehefa azon'Andrianjaka (mpanjakan'Ambohimanga, taranak'Andriamanelo sy Ralambo avy ao Alasora izay nanomboka indrindra nampiray an'ireo fanjakana teto Imerina, ka nanjaka tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-17) io toerana io dia nofidiany ho renivohiny ka novany ho Analamasina ny anarany. Satria koa anefa namindrany avy hatrany mponina maro-be ("arivo" hoy ny filazana, isa toa maneho indrindra indrindra ny faniriana!) avy any ivelany ny tanàna dia lasa mahavantana kokoa ny fiantsoana azy ho Antananarivo, ka tsy misy afatsy ny faritra ambony misy ny Rova no hany sisa mbola voalaza hatrany fa tampon'Analamasina. Ireo mpandimby an'Andrianjaka, izany hoe Andriantsitakatrandriana, Andriantsimitoviaminandriandehibe, Razakatsitakatrandriana ary Andriamasinavalona dia samy nitohy nitoetra avokoa tao Analamasina, nodidinin' Antananarivo, izay tsy ela dia lasa tanan-dehibe. Rehefa nozarain'Andrianasinavalona ny fanjakany dia ny zanany lahimatoa, Andrianjakanavalomandidy, no nandova ny fanjakana teto Antananarivo. Manaraka azy, ny mpanjaka fantatra anarana nisesy nifandimby teto dia Andriamponimerina, Andrianavalobemihisatra, Andriambalohery ary Andrianamboatsimarofy. Ity mpanjaka farany ity no resin'Andrianampoinimerina sahabo tamin'ny taona 1794 rehefa nanohitra azy mafy dia mafy.
Rehefa azon'Andrianampoinimerina tanteraka Antananarivo dia nataony avy hatrany renivohitr'Imerina manontolo. Ny fiambenana ny tanana dia napetrany teo ambanin'ny fiandraiketan'ireo mpiady mahery-fo ("arivolahy" ihany koa hono araka ny filaza!) nalaina avy amin'ny Mandiavato sy ny Tsimiamboholahy ary ny Tsimahafotsy izay nomeny koa ny anarana hoe Voromahery. Nanomboka tamin'io fotoana io ary no niantsoana koa ny faritanin'Antananarivo hoe faritanin'ny Voromahery.
Ireo trano sy lapa
Ireo mpanjaka rehetra nifandimby tao Analamasina dia samy nanana ny lapany avokoa izay trano kotona na trano hazo faran'izay tsotra, tsy mifankaiza amin'ny tranon'ny mponina sarababem-bahoaka manodidina. Tsy misy tavela anefa ireo trano tamin'ny andro fahagola rehetra talohan'Andrianampoinimerina ireo. Fantatsika ary fa trano efa-joro avo tafo miloloha tandron-drano izy ireo. Ny hevitry ny tandron-drano, araka ny fampianarana azo raisina avy amin'ny filazan'ireo mponina any Indonesia, tanindrazana voalohany niavian'ny firenena Merina indrindra, dia fampahatsiahivina ny tandroky ny omby natao sorona tamin'ny fandevenana sy ny fankalazana lehibe hafa toy ny Fandroana na ny Famadihana ka mampiray mivantana ny fianakaviana amin'ny fanahin'ireo razana efa nodimandry any an-koatra. Mba ahamasina ny trano noho ny fiarovan'ny razana izany no antony.
Ny malaza indrindra amin'ireo lapa na tranon'andriana tranainy tao Analamasina dia i Mahitsielafanjaka izay najoron'Andrianampoinimerina sahabo tamin'ny taona 1796 eo ho eo. Hatramin'ny andron-dRanavalona faharoa dia tao no nitahirizana an'i Manjakatsiroa izay sampim-mpanjakana nitokisan' Andrianampoinimerina fatratra, ary hatramin'izao dia mbola hita eo anolohan'ny trano ny tsangambaton'Ikodoka, mpiady maheri-fon' Andrianampoinimerina, natao hiaro ny sampy. Ny trano hafa najoron'Andrianampoinimerina dia i Besakana, eo avaratr'i Manampisoa. Io Besakana io anefa dia nanolo trano iray hafa, efa nampitondraina indrindra koa ny anarana hoe Besakana, najoron'Andrianjaka, ary araka ny lovan-tsofina dia tao no nanaovana ny soron'i Trimofoloalina mba hamerenana ny hasin' Andriamasinavalona rehefa afaka soamantsara tamin'ny fitazoman-janany an-keriny azy tany Ambohitratrimo ny mpanjaka.
Ny voalohany amin'ireo lapa azo lazaina hoe moderina dia ny Tranovola. I Radama no nampanorina azy tamin'ny taona 1820. Ilay mpandrafitra vazaha antsoina hoe Gros no nasainy nitarika ny asa fanatanterahana ary tao no nametrahan'ny mpanjaka an'i Rasalimo izay vadi-politika vahininy ka mba nampitoerany koa amin'ny karazan-trano vahiny. Tamin'ny taona 1845 anefa dia noravan'i Ranavalona io trano voalohany io ka nosoloiny an'ilay Tranovola fantatsika izay lehibe sy tsara ravaka lavitra kokoa. Ho tranon'i Rakotondradama zanany no nanorenany azy. Nisy koa fahiny trano kely moderina hafa izay rava taty aoriana teo an-kilan'ny Tranovola ary tao indrindra no namoizan'i Radama nanjaka-tapany ny aina.
Mbola ankalazana ny fahaterahan'i Rakotondradama ihany koa tamin'ny taona 1829 no nampanorenan'i Ranavalona an'i Tsarahafatra teo amin'ny faritra atsinananan'ny Rova. Io trano io izay voalaza fa tsara tarehy tokoa no nopotehin'ny baomban'ny mpanani-bohitra Frantsay tamin'ny 30 septambra 1895. Mba ho porofo mitsangana mampahatsiahy ny herin'ny mpanjanatany dia ninihina tsy naorin'ny manampahefana vaovao intsony avy eo ilay trano ka tany ngazana sisa no hany tavela.
Ny lapa lehibe sy mampitolagaga indrindra noho ny hatsarany ao Analamasina anefa dia i Manjakamiadana izay taty aoriana dia nanome mihitsy ny anarany manokana ho an'ny fitambaran'ny Rova! Mbola i Ranavalona voalohany ihany no nampanorina azy tamin'ny taona 1839 teo amin'ny toerana nisy an'i Felatanambola, trano hafa naorin'Andrianampoinimerina. I Jean Laborde izay mpanompon'ny Andriana mahalala kokoa ny teknika moderina no nasaina nitarika ny asa fanatanterahana. Toan'ny Tranovola dia lapa hazo manjakamiadana (tsara ho marihina fa fady tamin'izany fotoana izany ny manangana trano tany na vato teto Antananarivo!) ary na dia vahiny aza ny mpitarika ny fanorenana dia ny tompon-tany ihany no manapaka ny tokony ho atao sy manatanteraka an-davany sy an-tsakany ny ventin-draharaha. Tsy mahagaga ary raha toa ka mitaratra akaiky hatrany ny fiheverana momba ny fanorenan-dapa nentim-paharazana ny bikan'ny trano. Ny manodidina anefa dia nasiana lavarangana tohanan'ny andry makadiry ary ny tafo izay mahatratra 48 m ny ha-avony dia tsy mba nasiana intsony tandron-drano fa kosa noravahina voromahery lehibe natao tamin'ny halimo. Mba hampazava koa ny ao anaty Rova dia nasiana varavarana sy varavarankely marobe ny rindrina manodidina, hatrany amin'ny tafo. Ny fanamboarana an'i Manjakamiadana dia nitaky hery sy sorona marobe. Voalaza ary fa ny fitondrana an'i Volamahitsy (ilay andry lehibe nizaka ny trano tao ampovoany, izay nihoatra ny 40 m ny ha-avony ary 1 m ny savaivon'ny vodiny) hatrany amin'ny ala any atsinanana dia nitaky ny fikelezan'ainan'ny vatandahy mi-isa 5 arivo. Tamin'ny taona 1868-1873 dia norakofana rindrim-bato didinina tilikambo mafonja efa-joro i Manjakamiadana ary i James Cameron no nasaina nitarika ny raharaha. Nanomboka tamin'ny andron'i Radama faharoa mantsy dia nofoanana ilay fady mandrara ny fanorenana trano vato teto Antananarivo. Hatramin'ny andron'i Ranavalona reniny dia saiky tao Manjakamiadana avokoa no nitarihina ny fankalazana lehibe rehetra momba ny Fanjakana Merina ary koa nandraisana am-boninahitra ireo mpamangy avy any ivelany, na ny vahiny izany na ny tera-tany. Indraindray koa anefa dia ny Tranovola no nampiasaina tamin'izany.
Ny lapa lehibe farany dia i Manampisoa izay najoron'i Rasoherina eo atsimon'i Mahitsielafanjaka tamin'ny taona 1865. Ny nitarika ny asa fanatanterahana moa dia mbola i James Cameron ihany.
Ny trano lehibe hafa ao anaty Rova dia ny fiangonana izay najoron'i William Pool eo atsimon'i Besakana tamin'ny taona 1869, rehefa nivadika ho lasa kristiana i Ranavalona faharoa. Ny fiangonana dia tonga dia natao trano vato avy hatrany ary tamin'ny 8 avril 1880 no nanokanana azy.
Ireo ny trano sy lapa tao anaty Rova ka nopotehin'ny mpanasotasota ankehitriny. Tsara ho marihina koa anefa fa tamin'ny taona 1890 dia nanapa-kevitra ny hanorina lapa lehibe amin'ny biriky i Ranavalona fahatelo, izay nomeny avy hatrany ny anarana hoe "Masoandro". Noho ny fanafihan'ny Frantsay sy ny fanapotehany ny Fanjakana Merina anefa dia tsy tanteraka ny fikasana ka ny fototry ny trano sisa no hany mbola miangana ao amin'ny faritra atsimo-atsinanan'ny Rova.
Tsara ho marihina fa ivelan'ireo lapa manodidina an'i Manjakamiadana dia mbola eo koa ny lapan'i Soanierana izay nopotehin'ny Vazaha ka nosoloiny toby miaramila taty aoriana. Ankoatra an'io dia mbola eo ireo vavahady maro misy vato boribory lehibe, ary koa ny Vatomasina fisehoan'andriana teo Andohalo izay tsy nananan'ny Frantsay haja ka nopotehiny tsotra izao na dia rakitra faran'izay masina sy saro-bidy ho an'ny Merina ary vavolombelon'ny tantara aza.
Ny Fasan'Andriana
Ireo mpanjakan'Antananarivo rehetra, ary hatramin'ireo niaina talohan'Andrianjaka dia nilevina avokoa tao amin'ny faritra misy ny Rova, ankoatra an'i Razakatsitakatrandiana, Andriambalohery ary Andrianamboatsimarofy izay tsy afaka nalevona tao noho ny antony samy hafa. Ny toerana nisy ireo fasana tranainy ireo taloha, izay toa hoe ni-isa folo, dia tamin'ny faritra atsinanan'ny Rova. Tamin'ny andron'ny Jeneraly Gallieni (izay fantatra ny habibian-toetra tsy refesi-mandidy ary ny tsy fanajana mihitsy ny hasin'ny firenena resy!) anefa dia nofongarina ireo fasana ireo ary ny razana tao dia natambatra sy nalahatra teo avaratry ny Rova. Izany no niavian'ireo fasana nantsoina hoe "Ampitomiandalana" ireo.
Ny voalohany amin'ireo fasana lehibe eo avaratry ny Rova, izay lasa fasan'ny mpanjaka lahy dia fasan'i Radama Rainy manokana, naorina tamin'ny taona 1828. Ilay fasana faharoa nisy ireo mpanjaka vavy kosa dia fasan-dRasoherina, naorina tamin'ny taona 1868. Tamin'ny 15 marsa 1897, mba ampisehoany ny heriny sahy manota-fady ka hampihorohoro indrindra ireo Menalamba tia-tanindrazana mbola mahatoky ny hasin-drazana dia nasain'i Galliéni nafindra tao Antananarivo ny fatin'ireo mpanjaka nilevina tany Ambohimanga, izany hoe Andrianampoinimerina, Ranavalona voalohany ary Ranavalona faharoa. Tsy ny velona ihany izany no resiny sy babony fa hatramin'ny efa maty rehetra koa! Ary farany, mba ampisehoany fa tsy miraharaha mihitsy ny fihetse-pon'ny tia tanindrazana Merina ary tsy maintsy manome haja ny mpankasitraka frantsay izy dia nafindrany toy izany koa ny fatin'i Radama-nanjaka-tapany izay nalevina nitokana tany Ilafy satria noheverina fa tsy mendrika ny Rova. Ireo lehilahy ary dia natambatra tao amin'ny fasan-dRadama ary ireo vehivavy tao amin'ny fasan-dRasoherina. Fantatsika koa ankehitriny fa tsy nisy fitandremana na kely aza ny fiarovana ny sisam-batan'ireo razana masina ireo.
Ny fanababoana ny Rova
Nanomboka tamin'ny 28 febroary 1897, fotoana nanaovana sesi-tany an-keriny sy an-tsokosoko ("kidnapping" hoy ny Vazaha!) an'i Ranavalona fahatelo dia nianjera tanteraka teo am-pelatanan'ny mpanani-bohitra frantsay ny Rovan'ny mpanjaka Merina. Hatramin'ny volana oktobra 1895 moa dia efa tsy maintsy najoro teo an-tampon'i Manjakamiadana ny saina frantsay. Taty aoriana, ny ao anatin'ny trano izay tsy navela honenan'ny taranak'andriana intsony dia navadika ho tonga "musée". Ny toerana nahitana ny entana saro-bidy maro naderadera ho hitan'ny mpitsidika dia tsy inona akory fa ireo fasan'ny mpanjaka nozimbazimbaina ihany. Toy izany ohatra, noesorina avokoa hatramin'ny lakam-bola natao vatam-patin'ny mpanjaka ka nahatonga ny fonosan'ny razana masina ho tsy misy mpiaro intsony!
Ny Tranovola dia natao foiben'ny "Académie Malgache", fikambanana najoron'i Galliéni ho an'ireo Malgachisants vazaha (ampian'ireo teratany voavolavolany ka miankin-doha aminy!) izay misehoseho ho hany manam-pahaizana ka tsy refesi-mandidy momba ny fahafantarana ny tantara sy ny fomban-drazan'ny Merina. Isika moa dia tsy afa-miteny intsony ary natambatra ho "hova" sy navarina ho lasa "indigènes malgaches" avokoa. Fantatra ary fa hatramin'ny taona 1946 dia voarara tsy nahazo nitsidika malalaka ny tao Anatirova akory ireo tera-tany ka ny Vazaha sy ny manana zom-pirenena frantsay irery ihany no afaka nanao izay sitra-pony tao.
Tamin'ny 14 oktobra 1958, raha mbola zanatany frantsay tanteraka i Madagasikara dia nosoloina tamin'ny saina "maitso-fotsy-mena"'ny Repoblika Malagasy ny saina "manga-fotsy-mena" frantsay maneho fanjakazakana teo an-tampon'i Manjakamiadana. Nanomboka tamin'io fotoana io ary dia ny mpitarika nomen'ny mpanjanatany fahefana ao amin'ny Repoblika Malagasy noforoniny no lasa tompon'andraikitra ofisialy amin'ny zava-manjo rehetra an'ity rakitra sarobidin'ny firenena merina ity. Fantatra anefa ankehitriny ny tsy fahombiazana, na ny marimarina kokoa, ny tsy firaharahian'ireo "malgaches" nomen'ny mpanjanatany fahefana ireo izay miharihary fa tsy miray fo velively amin'ny tompon-tany amin'ny fanajana ny hasin'ny Manjakamiadana. Ka dia navelahy ankitsirano ho lo sy nirodana tsikelikeny ny raki-malala nolovana tamin'ireo mpanjaka Merina ary farany dia navelany tsotra izao ho lanin'ny afo ka tsy misy niangana ankehitriny na trano, na fasana, na entana, na fitaovana, ary hatramin'ny razana masina indrindra mihitsy amintsika. Ny lapan'Andafiavaratra moa dia efa hatramin'ny taona 1976 no nodoran'i Ratsiraka sy ny forongony. Ka noho izany, na iza na iza olona tsy vanona sahy namoa-fady nampitselatra ny afo dia tompon'andraikitra voalohany indrindra i Zafy Albert sy ireo manam-pahefana rehetra mitangongom-poana ary mitavana amin'ny tsy antony ao amin'ny fitondrana ny Repoblika Malagasy izay tsy mitondra afatsy fahoriana sy henatra ary ranomaso ho an'ny vahoaka merina.
Lovan-drazana merina
Mangodraka ny fo ary mangidy ny rora ankehitriny rehefa mibanjina izao loza mahatsiravina mianjady amintsika izao. Ho antsika Merina mantsy dia tsy mba harem-pirenena sahala amin'ny mahazatra i Manjakamiadana fa tena marika mampiseho mihitsy ny maha-merina ny Merina. Raha mandray ohatra amin'ny zava-misy any amin'ireo firenena any ivelany isika dia mahatsapa avy hatrany ny mampiavaka ny fifandraisan-tsika manokana amin'ny Rova. I Candi Borobudur any Jawa (Indonesia) na i Angkor-Vat any Kamboja ohatra, na dia malaza kokoa aza eo imason'izao tontolo izao ary tsara tarehy tsy azontsika ifampitahana dia lapa tranainy, iray amin'ny maro-be hafa ary ny fisiany dia tsy mifanojo velively amin'ny anjaram-bintan'ny vahoaka taranaky ny namorona azy. Ary raha ny amin'ny Frantsa indray, izay tena azo ampangaina mivantana koa amin'ny fanapotehana ny Rova sy ny firenena Merina manontolo dia azo lazaina fa na ny fitambaran'ny "palais" sy ny "château" ary ny "cathédrale" rehetra any aza dia tsy mitovy lanja amin'i Manjakamiadana amin' ny fifandraisana am-po amin'ny vahoaka tompony. Ho antsika mantsy dia tena tokana dia tokana ary lova velona tanteraka i Manjakamiadana, izay sady lapa mampirehareha no tempoly masina misy ireo fasan'andriana. Tsy isika akory sanatria no nandao azy fa ny mpanani-bohitra vahiny no nandroaka antsika tsy an-drariny nanalavitra azy.
Tena "symbole" na marika manokana mampiseho ny ain'ny firenentsika mihitsy izany io! Tsy mba "monument very" na toerana nilaozana hatramin'ny ela ka adino any ankodahoda fa kosa satro-boninahitra mandravaka an-davanandro ny handrin'Antananarivo sy ny firenena Merina. Efa zato taona izao no nanasarahana an-keriny antsika amin'i Manjakamiadana ary hatramin'izay rehefa mahita azy isika dia toa mangetaheta ambony lakana lava izao. Antsika, mitoetra eo anivon'Antananarivo sy eo an-kibon'Imerina, ao am-pon'ny Merina mandrakariva kanefa nobaboina lasa toerana fanjakazakan'ny vahiny tsy mifaditrovana, ary farany dia fampiharany ny habibiany sy ny fiheverany antsika ho toy ny firenena ambany noho ny alika! Manjakamiadana, Rovan'ny Merina natao an-tsesitany eo an-kibon'Imerina, taza-mazo kanefa tsy azon'ny tompony raisin-tanana akory ka na levon'ny afo eo ampovoan'ny tanàna aza dia tsy azo novonjena!
Ka noho izany dia tsy maintsy faran'izay saro-piaro amin'izay isika ka tsy hanaiky lembenana mihitsy amin'ny fanatanterahana an'io adidy masina io. Antsika Merina ary antsika irery ihany i Mankakamiadana ka na rahoviana na rahoviana raha mbola misy foana ny ain-tsika dia tsy ho avelantsika hitsabatsabahan'ny vahiny intsony ny fikarakarana azy. Taiza ireo manam-pahefana amin'ny tsy antony ao amin'ny Repoblika Malagasy sy ny mpiandraikitra ny UNESCO manohana azy rehefa nirodana sy nolevonin'ny afo ny fasan-drazantsika? Moa tsy ireo manam-pahefana rehetra tsy maintsy niankinantsika ve no nandrara antsika tsy hivondrona mba ahafahantsika miaro ny zo sy ny lovandrazantsika efa hatramin'ny zato taona izao? Harem-pirenena merina i Manjakamiadana, tsangam-baton'ny reharehan'ny razantsika, vavolombelon'ny tantarantsika manokana ka meloka eo anatrehan'Andriamanitra sy ny hasin'ireo Razana vao nozimbazimbain'ny mpialona tsivanona isika raha toa ka mbola manaiky indray ankehitriny ny anesorana azy eto am-pelatanantsika. Raha mbola nijoro Manjakamiadana dia nataon'ny Repoblika Malagasy toy ny tsinontsinona ka nahoana ankehitriny no sahiny lazaina fa azy rehefa potika sy montsana noho ny tsy fahombiazany sy ny toetra ratsy nataony indrindra? Antsika io tamin'ny andro namirapiratany ary isika irery ihany no tompon'andraikitra manana alalana hampijoro indray ny reharehany amin'izao andro mangidy nampirodanana azy izao. Tsy azontsika zaraina na atakalo mandrakizay ny lovan-drazantsika faran'izay sarobidy indrindra!
Araka ny finoana marim-pototra indrindra mampiavaka ny firenentsika dia masina ireo mpanjaka ary indrindra indrindra moa i Andrianamponimerina izay iaraha-manaiky fa mpanjaka merina lehibe indrindra, afaka misolo anarana ny fitambaran'ny firenena Merina manontolo. Ankehitriny anefa dia voazimbazimba toa tsy misy vidiny na kely aza ny sisam-batany. Ka raha toy izany, mbola misy ihany koa ve zavatra mendrika omen-kaja eran'i Madagasikara? Atao ahoana ohatra ny fanajana na kely aza ireo mpitondra ao amin'ny Repoblika Malagasy ankehitriny? Mbola afaka ny hanaiky ary ahatoky an'ireo namela an'i Manjakamiadana sy ny taolam-balo masin'Andrianampoinimerina ho levon'ny afo ve isika?
Ny valiny ho anay dia tsy mampisalasala na kely aza : TSIA! Ka ny hampijoro mba ahavelona ny firenena Merina no hany sisa tena tanjona tsy maintsy kendren'ny Merina rehetra ankehitriny. Alohan'ny hanarenana ny rindrina dia aoka ny mpanarina azy izay efa ela laotra izao no nandady no asaina mijoro amin'izay hanatrika adidy! Izany anefa akory tsy milaza fa voatery tsy maintsy mampisaraka ara-politika ny faritanin-tsika amin'ireo faritany hafa eto Madagasikara isika, fa hoe fotsiny tonga izao ny fotoana tsy maintsy hijoroan-tsika amin'ny maha-merina manana ny hasiny manokana antsika. Manana ny mampiavaka azy ny firenentsika, na ara-pomba sy fiteny izany, na ara-tantara, ary maika moa ara-pirazanana ka tsy maintsy mba miaro tanteraka koa ny lovan-drazantsika izay mazava laotra fa tsy raharahan'ny hafa velively. Aoka ary mba ho asehon-tsika eo imason'ny rehetra fa na nirodana noho sy hasomparana aza ankehitriny i Manjakamiadana dia mbola mijoro hatrany ny firenena Merina izay toy ny volamena latsaka am-bovoka ka ny fanosihosena azy indray no mamelom-bolo sy mampamirapiratra ny reharehany. Tena niara-levona tamin'ny rindrin-kazon'i Manjakamiadana koa mantsy izao ny filazana tsy marim-pototra fa misy tokoa ny atao hoe "vahoaka malagasy" tokana tsy ankanavaka, ary miharihary toy ny vay an-kandrina ankehitriny fa fitaovana natao andevonana tsikelikely ao anatin'ny henatra sy ny tsy fahatsiarovan-tena ny maha-izy azy nentin-drazan'ny firenena Merina fotsiny ihany izany! Tsy mila manjakazaka irery any amin'ny firenen-kafa ny firenen-tsika kanefa tsy afaka ny hanaiky intsony koa ny ho ampahoriana samy irery izao, toy ny vahoaka vahiny na lasa sesitany tsy fidiny eo anivon'ny tanindrazany manokana.
Eny ho an'ny fiaraha-miaina sy ny fiaraha-miasa ao anatin'ny fifanajana! Tsia kosa ho an'ny fanapotehana sy ny fanaovana tsindry azo lena, ny fanaovana ny vitsy an-isa tsy mba mamindro! Ka enga anie ankehitriny ny lavenon'ny Rova no ho tonga zezika ampitsiry sy ampiroborobo ary ampamelana indray ny Firenena Merina. Ka ny afo nandoro ireo fasan'ny Andriana faran'izay masina hita teto amin'ity tanindrazantsika ity hitaratra ny tsiky ary hampamirapiratra ny mason'ny taranaka Merina, ankehitriny sy mandrakizay doria!
Ho ela velona anie Manjakamiadana, rovam-pirenena merina!