RASETA SY NY 29 Martsa 1947

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-151, 11 Aprily 1997)

Kabarin-dRaseta teo anoloan'ny Antenimiera-pirenena frantsay ny faha-6 May 1947.

Ramatoa sy Andriamatoa isany,

Manakaiky ny fitoambin'ny folo volana izao no efa nanankinan'ny vahoakan'i Madagasikara hitondra ny feony eto anatrehan'izao Antenimiera mendri-kaja izao, hamelabelatra amin'ny vahoaka sy ny mpitondra frantsay ny hetaheta sy ny faniriany. Nohavaozin'ny vahoakan'i Madagasikara ny fahatokiany, ny fanamafisana ny tanjony ary ny zo aman'andraikiny, rehefa nilan-kevitra matetika izy. (...)

Tsy naharay vaovao avy any intsony aho. Inty ho vakiako aminareo ny ampahan-taratasy nosoratan'ny solombavambahoaka namako Ravoahangy, nampitainy tamin'ny mpiaro azy izay nandefa azy indray tamin'ny mpisolovava namany eto Parisy. (...)

"Kanefa rehefa tena alalinina araka ny tokony ho izy ny toe-draharaha, tsy misy volo hala, tsy misy fiandaniana ary am-pitoniana, ny sarambaben'ny mponina, na eropeana na teratany, dia samy mahatsapa fa fihantsiana an'i Frantsa, fihantsiana an'i Madagasikara, izao ra mandriaka izao, izay nokobonin'olo-meloka mba handravana ny Firaisam-be frantsay noheverin'ny antoko M.D.R.M, firaisana eo an-dalam-pahatanterahana ao anatin'ny mariky ny fahalalahana, ny fifampitokiana ary ny fifankahazoana". (...)

Zava-dray loha ny fifanatrehana an'ady na ny fikomiana amin'ny manam-pahefana, fa zavatra hafa koa ny vonoana sy ny fandatsahan'ain'olona. Samy hafa koa ny famerenana ny filaminam- bahoaka sy ny famoretana an-jambany anaty ra mandriaka ataon'ny miaramila doroky ny halatra, ny fandravana, ny fanaovana an-keriny ary ny doro-trano. (...)

Efa fomba fihevitra ny fanaovana ny olana ho tsy misy, kanefa, tsy fomba famahana azy izany (...). Inona ary ny olana? Ara-tantara, dia tsotra izany : taorian'ny ady nifanandrinan'ny frantsay sy Merina ny taona 1895, dia niarahan'ny fitondran'ny tany roa tonta nanao sonia ny fifanekena hiarovan'i Frantsa an'i Madagasikara. Tsy nohajain'ny andaniny mpifanaraka io fifanekena nandravonana ny tombontsoan'ny roa tonta io araka ny fampahafantaram-pibodoana ny Nosy nampahafantarina ny mpanjakavavy ny faha-8 Janoary 1896 sy ny fanambaram-panjanahana ny faha-6 Aogositra 1896. (...)

Hatramin'ny faha-19 May 1929 ka hatramin'ny fiandohan'ny ady, ny fihetseham-pitakiana notarihin-dRalaimongo sy ny solombavambahoaka Ravoahangy, dia nifantoka tamin'ny ady ho fitovian-jo na ny fizakana ny vahoakan'i Madagasikara manontolo zon'ny olom- pirenena frantsay. Noheverin'ny mpitondra faha-izany ho fanakorontanana koa izany. Taloha, mpankahala frantsay izahay, satria, niady ho an'ny fahafahana momba ny saina sy ny fiarahamonina. Ankehitriny, mpankahala frantsay izahay, satria, mikatsaka ny hitovy zo amin'ny frantsay.

(...) Handalina izao vanim-potoana mahaontsa izao ny mpahay Tantara, ka hanontany ny antony, ny fototr'izao ady izao, hampitsiry ao an-tsaina, any amin'ny firenen-drehetra, amin'ny vahoakan'izao tontolo izao, eo anivon'ny faharavana, ny sisa tsy rava sy ny fisaonana, ireo hevitra ambony, izay indrisy, ho fanoavana azy, dia mbola hitaky sorona sy fijaliana maro. (...)

Ny fanohizana ny ady miaraka amin'ny "tafika miaraka", nosoloin'ny tafika anglisy tena (T.F: 1942) taminay no lalana. Azonay natao ny nanangana fitondram-panjakana hiara-miady tamin'ny tafika miaraka araka ny sitraponay. Naleonay aloha nanda ny fahaleovantena izay heverina ho fandefonana ivoho ireo sakaiza ao anatin'ny faharavana

(...) Mbola velona mandrakariva ao am-pon'ny vahoakan'i Madagasikara ny fiheverana, fa indray andro any, dia mbola ho tafaverina ny Fahaleovantena very tamin'ny taona 1895. Nivelatra sy nihamafy fototra tao anatin'ny fanahin'ny maro noho ny antony momba ny toekarena sy ara-pifohazam-panahy izany vetsovetso izany. Nanasaraka an'i Madagasikara tamin'ny Frantsa ny ady tamin'ny taona 1939. Afaka niaina tao anaty fizakan-tenany i Madagasikara. (...)

Inona ary no foto-kevitray? Fahaleovantena eo anivon'ny Firaisam-be frantsay. Mampangirintsina ny sofin'ny sasany ity voambolana hoe "Independance" (Fahaleovantena) ity, kanefa, teny frantsay io ka tananay.

Fahaleovantenan'i Madagasikara : midika fanoavana sy fanekena ny maha-izy ny maha-Ambanilanitra izany; midika fanovana ny fizakan-tena teo amin'ny fitantanana ho fitantanana mivantana.

Fahaleovantenan'ny Madagasikara : midika fanajana sy fiarovana ny tombontsoa frantsay manerana ny tanin'i Madagasikara. Fahaleovantenan'i Madagasikara: midika ezaka handrafetana fivelaran'ny maha-olona sy ireo haren'olona any Madagasikara izany.

Ny fahaleovantena ao anivon'ny Firaisam-be frantsay, na ho an'i Frantsa na ho an'i Madagasikara sy ireo rehetra ao anatin'io fikambanana io, dia fandriampahalemana sy fiainana tsaratsara kokoa, ialan'ny tahotra sy ny geja.

Izany no foto-kevitray, izay mba hanoavana azy ao anatin'ny filaminana, ka namoronana ny M.D.R.M. Io fikambanana io no sehatra ihanonan'ny Ambanilanitra rehetra manam-paniriana hiasa hamerenana indray ny hasin'ny Tanindrazany. Antoko matanjaka sy mamim-bahoaka ary ivondronan'ny soatoavin'i Madagasikara, tsy misy fanavaham-piaviana, harena, fivavahana, hevitra sy firehana.

Ny anton'ny fisiany, dia ny fanavontam-bahoaka. Ary ny tanjony, dia ny fandriampahalemana sy fampivelarana ny maha-olona ny olona.

Fantatr'olona ny fisian'ny antoko mihevi-tena ho "voailika". Mihevitra ny hamondrona ireo andevo taloha sy ny tanindrana izany antoko izany. Arangarangany fa ny fanandevozana izay efa nofoanana 50 taona lasa, eo imason'i Frantsa, 50 taona aty aorianan'ny nahatongavany teto, dia mbola mitana ny toe-tsain'andevo ihany ireo olona ireo.

Noho izany, tsy misy ny andevo, fa ny andevo dia ireo rehetra mbola manana toe-tsain'andevo! Tsy miorim-paka io antoko PADESM io, fa ny Haut-Commissariat de Madagascar, mba hahafaha-mizarazara ny Ambanilanitra ary ho fitaovana azo kirakiraina amin'ny fotoana maha-mety azy no namoronana an'io.

Araka izany dia tadiavina mihitsy ny hamitahana ny vahoaka frantsay, kanefa tsy ho tran'izany izy ireo. Tsy ilainy ny firaiketam-po afa-tsy avy amin'ireo mihevi-tena ho olon'afaka. (...)

Dika malalaka : Ilaitangena

  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...