Tsy ho tsiahy afo-mololo, ka hiredareda am-boalohany ihany anefa, fa ho toy ny otrik'afon'ampombo, ka ho velona mandrakizay ary hampamololona fitiavan-tanindrazana mari-pototra ao am-pon'ireo taranaka hifandimby mba hamadihana ny fanoloran-tena ho sorona 50 taona lasa ho fandresentsika amin'ny andro ho avy rehetra.
RANDRIAMAROMANANA Albert, Lieutenant.
Tsy mpikambanana tamin'ny antoko M.D.R.M Randriamaromanana Albert, kanefa, na izany aza, dia nanaraka tsy tapaka ny fivoaran'ny toe-draharaha politika teto Madagasikara izy.
Hoy indrindra izy momba izany : «(...) na dia tsy mpikambana tao amin'ny M.D.R.M aza aho, dia nirona tamin'ny tsangan-kevitra nijoroan'ny Ravoahangy, dokotera. Mialoha ny fifidianana hatao ny volana Jona taona 1946, tany Fianarantsoa indrindra aho tamin'izany, ka noraisiko ho adidy ny nananazava sy nifanakalo hevitra tamin' ireo manamboninahitra sy manamboninahitra lefitra mpiray Tanindrazana hampahafantatra azy ireo ny zony, ary nampizara ny vatom-pifidianana tamin'ny anaran-dRavoahangy mihitsy aza aho tamin'izany.»
Vokatr'izany, dia nafindra toerana tany an-kafa Randriamaromanana.
Nandritra ny fakana am-bavany azy teo anatrehan'ny Fitsarana miaramila, dia izao no teny nataony, izay ahatsapana ny fahareseny lahatra tanteraka ho fanafahana ny Tanindrazana: «Nafindra toerana avy ao Fianarantsoa ho any Mahajanga noho ny fitsipi-pifehezana aho rehefa nanao politika. Ny zavatra tsy zakako indrindra tao Mahajanga dia ny fahitako ny naha ambany ireo mpiray Tanindrazana tamiko, manoloana ireo vahiny, Karana, Sinoa, Grika na tamin'ny politika, na tamin'ny fiarahamonina sy ny toekarena. Lasa fananan'ireo vahiny ireo mihitsy iny morontsiraka andrefan'i Madagasikara iny mihitsy, kanefa ny ilany atsinanana, momba ny varotra dia efa anjakan'ny Sinoa tanteraka ary efa manomboka ataon'izy ireo kenda roroka tsikelikely koa ny afovoan-tany(...)»
Teo am-pitsakotsakoana tanteraka indrindra ireo zavatra hitany ireo no tonga nanatona sy nandresy lahatra an-dRANDRIAMAROMANANA, RAKOTOARISON Emile sy RATSIMANDRESY Joseph, mpiandrakitra ny JINY. Nahomby ry zareo ireto, satria, «Tanindrazana avotana» no fintana nanjonona, ka teo noho eo ihany, dia NIANIANA RANDRIAMAROMANANA.
Mikasika io fiainianana nataony io dia hoy RANDRIAMAROMANANA Albert : «Tsy nahoako loatra izay mety ho vokatry ny fianianana nataoko sy no ho famatorany ahy, fa zavatra tokana no tsinjoko teo ampanaovana izany, dia tsy nisy afa-tsy ny "FANAHAFAHANA NY TANINDRAZANA" ihany.»
Na dia tsy isan'ireo mpihevitra sady mpitarika tao anatin'ny Antoko Jiny aza RANDRIAMAROMANANA, dia tsapa fa nankinina taminy avokoa ny zava-drehetra momba ny hetsika hatao amin'ny faha-29 sy faha-30 Martsa 1947.
Hoy ary RANDRIAMAROMANANA teo am-pandrenesana tamin-dRAKOTOARISON Emile momba ny fanapahan-kevitry ny Jiny hanapoaka fikomiana ny alin'ny faha-29 sy ny tontolon'andron'ny faha-30 Martsa 1947: «tsy fantatro mihitsy izay hery nanentana ahy teo am-pandrenesana izany. Fa teo am-pamolavolana ny drafi-panafihana an'Antananarivo, vao tsapako ny havesa-danjan'ny zavatra hataoko!»
Rehefa niakatra teto Antananarivo Randriamaromanana ny faha-23 Martsa 1947, dia nihaona tamin-dry RAKOTOARISON Emile sy RATSIMANDRESY Joseph izy, ka tamin'izany no nilazan'izy roalahy ireo fa hotanterahina amin'ny alin'ny faha-29 sy ny tontolon'andron'ny faha-30 Martsa 1947 ny fanafihana an'Antananarivo. Vokatr'io «fanapahan-kevitra» (?) io, dia nisesy ny fivoriam-piomanana sy fanomanana, ka ny alin'ny faha-27 Martsa teny Antanimena toerana fanaovam-paraky «Bateravola» izay an-dRAKOTONDRABE Samuel. Efa tao ry RAVELONAHIANA Edmond, RAKOTONDRABE Samuel, Joêl Sylvain ary Rakotondravao. Nanampy ireo olona ireo olona 15 hafa. Nodinihana tamin'io fivoriana io ny tetika hanafihana an'Antananarivo ary tapaka taorian'izany fa halalinina ny ampitso eny Tanjombato ny tetika rehetra. Ny faha-28 Martsa dia natao teny Tanjombato ny fivoriana tohiny, ka tamin'izany no nandrafetana ny teti-panafihana rehetra. Nozarain-dRandriamaromanana ho 2 Antananarivo, ka ny ilany atsimo, dia ahitana ireto toerana ireto: toerana fitehirizam-banjan'i Soanierana, D.A.T, GACE, Fiadanana ary ny toeram-pitehirizam-banjan'Ambohijanahary. Izy mihitsy no hitarika ny fanafihana ireo toby miaramila ireo, ka amin'ny 1 ora maraina no hatomboka ny fanafihana.
Ny tapany avaratra kosa, dia ahitana ireo toby miaramila aty avaratra (Betongolo, Ampahibe) ka ny ho mpitarika izany, dia RAKOTO Philippe, lieutenant, misotro ronono. Adin'ny iray sy folo minitra aorinan'ny fanafihana ny tapany atsimo vo tokony hanomboka ny tany avaratra, izany hoe tamin'ny 2 ora sy 10 minitra. Aorian'ireo rehetra ireo, dia hitoby eny Ambihimangakely ny rehetra hitondra ireo fitoavam-piadiana babo rehetra.
Rehefa tonga tokoa ary ny «FOTOANA» hakana «ireo fitaovam-piadiana ho enti-manafaka ny Tanindrazana» na dia nambaran'ireo mpitarika mialoha aza fa tomombana ny zava-drehetra (olona hanampy ireo miaramila, fiarakodia hitatitra ireo fitaovana, dia tsy nisy teo izany rehetra izany, ka hoy RANDRIAMAROMANANA tamin'ireo namany: «aoka hajanona aloha ity raharaha ity, satria, manentan-tsy ritra ihany isika! jereonareo fa tsy manana afa-tsy poleta 2 monja isika izao, ka ireo monja ve no mba fiadiana hoentintsika hanavotra ny Tanindrazana?»
Na dia efa teny am-pelan-tanana ny fanalahidin'ireo trano misy ireo fitaovam-piadiana tamin'io fotoana io dia: «hajanona aloha, satria, mamono tena raha manaonao foana»
Ranomaso no nisarahan'izy 8 lahy, fa ory ny firenena ary voafitaka, ka tsy vaky ny ady teto Antananarivo!
Ny ampitso tamin'ny 3 ora folakandro no nosamborina Randriamaromanana, ary nanomboka tamin'ny faha-15 Aprily 1947 ny fotoam-pitsarana azy.
Didy navoakan'ny Fitsarana Miaramila teto Antananarivo:
Ny faha-19 Aprily 1948, teo amin'ny faha-35 taonany no notifirina teny Ankatso RANDRIAMAROMANANA Albert, kanefa, ny ainy sy ny rà-ny no nafoiny, fa ny Tanindrazana nanolorany tena kosa, dia eo isika ho Ambatonamelan-kafatra. Hanam-pahasahiana handray ny lova va isika?
«Tsy adidiko izaho irery, fa adidiko izaho sy ianareo!»
Ilaitangena