Raha mbola sempotra teo am-pihazana ireo «tia Tanindrazana tsy tafiditra am-ponja» noho ny raharahan'ny faha-29 Martsa 1947 ny Frantsay, dia efa nibitaka tamin'ny fandresena azony ny olon'ny PADESM. Tsy ny olon'ny PADESM manontolo anefa no afa-nitorebika nanindrahindra izany fandresena goavam-be azony izany, fa voatsipaka am-bavafo ny elatra Maintienindreny, satria, ny faramparan'ny taona 1947 sy ny fiatombohan'ny taona 1948, dia nampijoro ny «Union Côtière» hitambarany ry zareo Tanindrana. Niahaka sy nilalao vovoka irery ireo namany avy aty anivontany.
Tsy nijanona hatreo anefa ny «saritaka» na «fisaraham-bazana», fa rehefa voahilika tsikelikely ireo sakaiza tao anatin'ny sarotra, dia nifanilika sy nifandroaka koa ny samy PADESM, ka teo am-piandohana, dia nisy ny elatra notarihin'i TSIRANANA. Tetsy andaniny koa anefa, dia teo ny elatra hafa, toy izay nisy an-dry ZAFIMAHOVA sy ny namany izay voatery namorona antoko pôlitika hafa mihitsy hifaninana tamin'ny PS.D-n'i TSIRANANA. Tsiahivina ny zava-nitranga tamin'ny fotoana indrindra hifidianana izay ho filohan'ny Repoblika voalohany. Nikomy tsy nanaiky hitarika ny fivorian'ny Antenimiera handany an'i TSIRANANA i ZAFIMAHOVA Norbert. Ny taona 1958 ka hatramin'ny taona 1960 izany rehetra izany no niseho, izany hoe 10 taona taty aorian'ny nampijoroana ny firaisana masina «Union Côtière».
Rehefa tafajoro ny Repoblika voalohany, izay tsiahivina eto, fa Repoblika natolotra ho an'olon'ny PADESM niova ho Pisodia izay nohatevenin'ny ireo matin-kanin-kely avy amin'ny firehana isan-karazany, dia mbola nitohy hatrany ny fifampitsaran'ny samy PADESM fahiny izay niteraka fisaraham-bazana teo anivon'ny antoko Pisodia, ka andaniny nisy ny Pisodia tavaratra ary ankilany nisy koa ny pisodia tatsimo. Endrika lehibe nampiharihary io fivakian'ny pisodia io ny «raharaha Resampa
Ireny rehetra ireny sy ny fivoarana pôlitika teto amin'izao tontolo izao ary ny fikoroson'ny toekaren'i Madagasikara noho ny «adin'ny samy PADESM fahiny» nandritra ny taona
naha-teo amin'ny fitondrana azy, dia nikoa ny nahiny ny fitondran'ny PADESM/P.S.D elatra TSIRANANA.
Rehefa niongana ny elatra PADESM/TSIRANANA, ka voan'ny hazakazaka arahin-tosika RAMANANTSOA, Jly, dia natolony an-dRATSIMANDRAVA ny «fahefana feno» noraisiny tamin'i TSIRANANA. Ratsimandrava Richard, araka ny efa iaraha-mahalala, dia zanak'i RATSIMANDRAVA, iray tamin'ireo avy aty anivon-tany mpamorona ny PADESM.
Tadidintsika koa, fa 5 andro monja, no naha-lohan'ny Repoblika azy, dia nisy namono izy, ary tamin'ny fotoana nitsarana ireo voampanga, dia niverimberina matetika ny hoe: «Tsy eto ny olona nampamono an-dRatsimandrava». Taty aoriana aza moa, dia nolazaina tsotra fa ny «Emperialista» no nampamono azy. Tamin'ireny fotoana ireny, dia nisy aza olona sahy nilaza, fa «fisaka ny marina ka saro-tadiavina!». Hatramin'izao dia mbola tadiavina ny marina ary mbola tsy fantatra mandraka ankehitriny io «emperialista» io.
Rehefa maty RATSIMANDRAVA Richard, dia tafakatra teo amin'ny fitondrana taorian'ny fifidianana nataon'ny «Directoire Militaire» RATSIRAKA Didier, zana-dRATSIRAKA Albert sady vinanton'i Pascal VELONJARA, samy mpamorona ny PADESM.
18 taona teo amin'ny fitondrana RATSIRAKA Didier, ka rehefa leon'ny haizin'ny Jadona tamin'ny fampihibohana azy tao anaty tonelina mainty sy ny fampanantena ny paradisa nivadika ho afobe, dia nikomy ny Ambanilanitra ary vetivety foana (na dia naharitra 9 volana aza!), dia nianjera teo am-pela-tanan-dry ZAFY Albert sy ny namany, izay vinanton'i ZAFIMAHOVA Joseph, iray tamin'ireo mpamorona ny PADESM ny fitondrana.
Etsy andaniny, na dia tafaverina teo amin'ny sehatra politika indray aza ny P.S.D, tarazon'ny ady mangatsiaka hatramin'ny taona 1948, dia nolazoin'ny fifandiran-kevitra efa nisy hatramin'izay io antoko io, ka nivaky ho P.S.D notarihin-dResampa, andaniny, ary ankilany, ny R.P.S.D notarihin'i Pierre TSIRANANA mbamin-dry MARSON Evarsite, izay mbola nivaky ho RPSD sy PFDM taty aoriana, kanefa, koa ny P.S.D navelan-dResampa, dia mbola nivaky ho P.S.D/Ruffine TSIRANANA sy P.S.D/Vazaha Evariste sy P.S.D/RANTOANINA Albert.
Marihina fa na dia teo aza ny fahaleovana ka nikarohan'ny Ambanilanitra fiovana tamin'ireny fotoana ireny, dia isan'ny nanamora iny «fikomiana» iny koa ny zava-nodinihina tao conference de La Baule, Frantsa, indrindra ny amin'ny tsy maintsy hampiharina ny «Démocratie».
Ankehitriny moa, dia naverin'ny 24,12 % tamin'ny "mpandatsa-bato" ho eo amin'ny fitondrana indray RATSIRAKA, ary efa volana vitsivitsy izao, dia nijoro hanohitra azy ary efa nitaona ny Ambanilanitra «hikomy» indray ry ZAFY Albert sy ny namany.
Tsy nitsahatra hatreo ny ady mangatsiakan'ny samy PADESM sy ny taranany, fa ankehitriny, dia miseho amin'ny endrika hafa indray io ady io, ary iray amin'ireny sy malaza indrindra ny DEMOKRASIA izay haingoana ny teny faneva hoe FITSIPI-DALAO DEMOKRATIKA mba hitaomana ny marivo salosana hanotronana sy handraisan'ny avy ety ivelany (tsy taranaka Padesm) anjara.
Tamin'ireo «fanonganam-panjakana» nisy hatramin'izay (1972, 1975, 1991, 1996, sy izay mbola ho avy any aoriana dia «lohalarana» hatrany Antananarivo sy ny MERINA. Izy hatrany no natao sorona hanalana ireo tsy nahomby teo amin'ny toerany sy natao tohatra koa hiakaran'izay handimby toerana. Miteny ho azy ity faminaniana nataon'i TSIRANANA tamin'ny faha-13 Mey 1947, ary nivoaka tao amin'ny gazety Voromahery laharana faha-41 ka nampitondrainy ny lohateny hoe mihenoa ry Nosy ity:
«Raha handroaka Vazaha, dia antsoiny ianao, rahalahiny ianao amin'io andro io, satria ianao no harosony hiady, ianao no ataony lefona sy ampinga. Fa izy kosa dia lehibe daholo (kapiteny na jeneraly mpitazana, ny sasany aza mpitan-damba). Kanefa rehefa voaroaka ny Vazaha, izy no hanjaka, izy no hiadana, fa ianao izay tsemboka sy naratra zara aza raha ataony lehiben'ny tanana (chef de village)».
Lasa tokoa ny Vazaha. Iza no nandimby azy? Firy tamin'ny zanak'Imerina no naroso ho sorona mba hionganan'ny PADESM/P.S.Diso hiakaran-dRATSIMANDRAVA? Ary moa RATSIMANDRAVA tsy natao sorona mba hiakaran-dRATSIRAKA? Mba hionganan-dRATSIRAKA tamin'ny taona 1991, firy tamin'ny zanak'Imerina no maty natao sorona teny Mavoloha?
Kanefa ve tsy «cause côtière» no setrin'ireny sorona marobe natolotra ho fanavotana ny tanindrazana ireny?
Mazava amintsika rehetra ankehitriny, fa mila sorona indray ny «ady mangatsiaka» ka ny efa hirahiraina amin'izao fotoana izao, dia ny ampitson'ny faha-3 Aogositra ho avy izao no hisehoan'izany.
Maharary sy very fotoana amin'ny «ady mangatsiaka» isika, ka tokony hokianina ny tsy rariny indrindra indrindra ny tsy ara-dalàna rehetra, saingy, ampy izay sorona maro ho an'ny Tanindrazana narotsantsika izay, fa velona ho an'ny fampandrosoana an'Imerina izao no tadiavina ankehitriny. Aoka ho raharahan'izy samy izy ny ho fifanonganany sy ny fiarovany ny toerany, fa isika kosa, rehefa samy tsy maintsy hanatrika ady ihany, dia izay tsy hanompoantsika ny ady mangatsiakan'ny PADESM sy ny taranany intsony no tokony himasoantsika, mba hahafahana manala an'Imerina ao anatin'izao hantsana mangitsokitsoka namarinana azy izao, ka na federalisma no anarany, na Fahaleovantena, tafika efa nidika hanatratra ny fandrosoana isika:tsy afaka ny hiverin-dalana intsony.
Ilaitangena
ANKEHITRINY
NY TOKONY HATAO