PADESM ANKEHITRINY
SY NY TIA TANINDRAZANA

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-154, 02 Mey 1997)

Zava-droa 2 lehibe no nibahana ny sehatra politika teo anelanelan'ny faran'ny fotoana nitsaharan'ny Ady Lehibe sy ny hetsika 29 Martsa 1947 dia ny fitakian'ny MDRM sy ireo fikambanana Tia Tanindrazana hafa niara-dia taminy ny hamerenana ny fahaleovantena ary ny fikasan'ireo «malgaches» nivondrona tao amin'ny PADESM sy ny fikambananan'ny Vazaha an-taratasy isan-karazany hifikitra mandrakizay ho zanatany na ho tany frantsay ampitan-dranomasina. 50 taona aty aoriana, mbola eo am-perin'ady hikatsahana ny «fahaleovantena tanteraka» haha-tany afaka an'i Madagasikara ny taranaky ny M.D.R.M nanaiky handray ny lova sy ireo Tia Tanindrazana vaovao, ary mbola tsy sasatra ny mamatotra ny Tanindrazana amin'ny hery vahiny isan-karazany kosa ireo taranaka PADESM sy ireo vazaha an-taratasy isan-karazany.

ZANATANY SY FAHALEOVANTENA

Tsy ny fisian'ny tafika vahiny ao amin'ny tany iray ihany, na ny mbola fiankinan'ilay tany mivantana amina firenena matanjaka iray no hitsarana ny Tany iray hoe : zanatany, fa na iza na iza tany ka mbola miankin-doha amin'ny filana (kojakoja ilaina amin'ny fiainana an-davanandro,...), ny kolontsaina, ny fihariana sy ny vola, indrindra indrindra ny politika sy ny tafika dia mbola Tany tena voazanaka tanteraka. Na inona na inona sehatra asa nokasaina hampandrosoana an'i Madagasikara tao anatin'izay 37 taona nahaleovantena izay, raha tsy nahazo ny tso-dranon'ny tany ivelany tsy nisy tanteraka. Ary tsy vitan'ny hoe tsy tanteraka fotsiny aza, fa na iza na iza mpitondra politika nifandimby teo, na inona na inona koa firehan-kevitra narahiny sy ny vaikan'ireny tamin'ny vahoakan'i Madagasikara, dia raha tsy niera tamin'ny tany ivelany, niala maina sy nitango lalitra teo am-pitoerana ihany fa tsy afa-nanao inona.

Ohatra 1 : hanao lalana sy tetezana hahafahan'ny olona mifamoivoy sy manatsara ny toekarena : sady tsy araky ny toe-bola eo am-pela-tanana ka tsy maintsy itadiavana mpamatsy vola any ivelany. Tsy izay kasaina hatao anefa no vatsiana, fa izay tsapan'ny mpamatsy vola tsy maintsy hatao ihany.

Ohatra faha-2 : ny fanarenana ny toekarem-pirenena hialana amin'izao fahantrana izao no efa laharam-pahamehana tao anatin'izay 37 taona izay, kanefa, dia ny fandaniana 12 tapitrisa FF handraisana ny lalaon'ny tany miteny na mampiasa ampahany amin'ny teny frantsay no maha-maika. Nanda ny hanaovana io fandaniana io ihany, ny World Bank (W.B), kanefa, dia niova hevitra tampoka taty aoriana, satria, ao «raha».

Ohatra faha-3: na dia tapitra ho raisina ho mpiasam-panjakana avokoa aza ireo mpitsabo navoakan'ny Oniversite hatramin'izao, dia tsy mbola midika inona amin'ny isan'ny mponina izany. Tsy afa-manoatra anefa ny fanjakana, satria, ireo mpamatsy vola no «masi-mandidy» amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fandraisana na tsia ireo mpitsabo ireo.

Mbola ilaina koa ve ny mampahatsiahy irony ry Ravony, Rakotovahiny, Ratsirahoanana ary i Pascal Rakotomavo mbamin-dRatsiraka nibababa sy nitalaho mafy ny hahavitan'ny sonia ny fifanarahana amin'ny World Bank (W.B) sy ny International Fund Monetary (I.M.F) irony, nefa iaraha-mahafantatra fa tsy afa-milahatra ho mpifanaraka mitovy lenta amin'izy ireo akory?

Maro ireo ohatra azo raisina ary miara-miaina ny zava-misy rahateo isika, ka anjaran'ny tsirairay ny misantsaina ireny.

Na tiana na tiana, dia mariky ny maha-zanatanin' (colonie) ireo tombontsoa vahiny isan-karazany an'i Madagasikara ireo ary azo itarafana koa ny ny fetran'ny MAHA-MASI-MANDIDY ny mpitondra an'i Madagasikara amin'i Madagasikara entiny sy endriky ny maha-latsa-danja vahoakan'i Madagasikaraka.

Izany hoe: na manao ahoana na manao ahoana, ilay fahaleovantena politika voalaza azon'i Madagasikara hatramin'ny taona 1960 no mankaty, dia sarintsariny ihany fa tsy tena izy.

Nahoana ary no tsy mahaleotena?

Ny ampitson'ny faha-29 Martsa 1947 ihany, raha vao vitan'ny tafika frantsay sy ny sonegaly ary ireo tafrikana hafa niara-dia taminy ny fampandrian-tany (?) taty Madagasikara, teo anatrehan'ny fivoaran'ny toe-draharaha sy ny fifandraisana iraisam-pirenena, dia efa niaiky ingahy De COPPET: «(...) tsapa tamin'iny fikomiana iny fa lalim-paka ao anaty fanahin'ny vahoakan'i Madagasikara, tsy amin'ireo avara-pianaranany ihany fa amin'ireo saranga hafa koa ny fitiavan-Tanindrazana ananany. (...) Izany fitiavan-Tanindrazana izany, dia mamaka lalina amin'ny Tany sy ny Tanindrazany, ka na dia misy aza foko izay mbola mitahiry ny lolom-po taloha, sy mbola mitahiry fahatsiarovana velona ireny fifandirana ireny ary mbola mety hifanoheran'izy ireo amin'ny ho avy, dia tsy isalasalana ny manamarina etoana, fa samy naniry ny Fahaleovantena tanterak'i Madagasikara ny vahoakany. Tsy azo lavina izany, ho an'ireo mpanara-maso tsara-sitra-po, mahafantatra ny vahoakan'i Madagasikara, ary tsy anavahana firehan-kevitra. Tsapa koa, fa na inona na inona vaikan'ny herim- pamoretana, ny fangejana na fampiharan-dalana sy fitsipika isan-karazany, ireny rehetra ireny dia samy tsy hisy haha afaka ao anatin'ny vahoakan' i Madagasikara ny hetahetam-po feno fitiavan- tanindrazana ao aminy. Vatrany hatrany ny manao sorona ny ainy noho izany. Tsy ny herisetra velively no hahafoana ny hetahetam-pon'ny vahoaka iray. Ary na inon-kitranga, tsy maintsy tanteraka ny fahaleovantenan'i Madagasikara (...)

Izany fahatsapan'ny vazaha izany indrindra no nahatonga azy ireo hanafaingana ny famerenana izao sarintsarim-pahaleovantena iainantsika mandraka ankehitriny izao sy namolavolany olona ihany koa handimby toerana azy mba ilazana eo anatrehan'izao tontolo izao, fa nanaja ny Dinan'i San Francisco sy ny antso nataony tany Brazaville i Frantsa.

PADESM MIFANDOVA...

Mbola ilaina ve ny mampahatsiahy fa PADESM sy taranaky ny PADESM (taranaka faha-2 sy faha-3) na olona akaiky ny PADESM ireo nifandimby nitondra antsika tao anatin'izay 37 taona izay (zahao F.M.: lah.149 tamin'ny faha-28 Martsa 1997) sy izao mbola mitondra antsika izao? Ny zava-niainantsika, izao faharavan'ny Tanindrazana izao. Izao isika mihemo-dava izao, dia samy asany avokoa. Mety hilaza ianao hoe: ka efa «gache» ange ny Tany ary efa «gaches» rahateo ny mpitondra? Marina izany, saingy, mivoatra araka ny vanim-potoana sy araka ny fivoaran'ny fifandraisana eran-tany koa ny politikan'ny fanjanahantany, ary mivoatra araka izany koa ny olona mitondra antsika. Mety hilaza koa ianao fa isika mihitsy no nifidy ireo olona ireo? Mbola marina tsy iadian-kevitra ihany koa izany, saingy, raketo ao an-tsaina, fa tsy izay lany amin'ny fifidianana rehetra akory dia lanim-bahoaka sy mamim- bahoaka avokoa. Tsarovy fa tahaka ny entam-barotra rehetra, dia ny fonosana ihany no miovaova matetika fa ny votoatin'ny entana tahaka itony, dia ny omaly tsy niova.

Azo zaraina tahaka izao ny fivoaran'ny politikan'ny fanjanahantany:

  • 1 - endriny mivantana: ny vazaha mihitsy no mitondra sy manapa-kevitra eo amin'ny Tany iray (1895 - 1958).
  • 2 - endriny an-kolaka : tera-tany nampitondraina ny tany sy ny fanjakana sy mampihatra ny politikany, saingy, ny fanapahana politika sy eo amin'ny toekarena, dia mbola ny firenena mpanjanaka ihany no tompon'ny fanapahan-kevitra farany(1959 - 1972).
  • 3 - endriny an-kolaka vaovao: vokatry ny zavatra iainany, dia maniry fiovam-pitondrana ny vahoaka iray manontolo. Soloina amin'ny alalan'ny «revolisiona» (fanonganam-panjakana na fifandaminana,...) na amin'ny alalan'ny «demokrasia»(fifidianana «malalaka» sy ao anaty fahalalahan'ny famosahan-kevitra ireo/ilay mpitondra. Ny toekarena sy ny lalam-bola rehetra, dia mbola mitodika tanteraka any amin'ilay tany nanjanaka taloha, ary mbola io tany io koa no miantoka ilay zanatainy taloha eo amin'ny seha-bola iraisam-pirenena (Club de Paris,..)
  • 4 - mbola hivoatra hifanaraka amin'ny «mondialisation, globalisation, planetarisation de la communication,...» io politikan'ny fanjanahantany.

Tsy hiova mihitsy ireo fomba amam-panao politika ireo, ary tsy ho tapa-tohy koa ny fanjanahantany amin'ny endriny rehetra raha tsy ny Tia Tanindrazana no tapa-kevitra handray an-tanana ny ho avin'ny Taniny, saingy, vonona amin'izany va izy ireo?

NY ZAVA-MISY

Hatramin'ny faha-6 Aogositra 1946, andro natokan'ny M.D.R.M sy ireo fikambanan'ny Tia Tanindrazana hafa, ho androm-pisaonam-pirenena noho ny tsingerin-taona faha-50-n'ny Fanjanahantany, nefa navadiky ny olon'ny PADESM ho andron'ny fahafahany, dia efa nanamafy ny fandreseny sahady ireo zafim-bazaha isan-tokony. Kianin'izy ireo ny fanjakan'Andriana tamin'ny Taon-jato faha-XIX, saingy, ankalazain'izy ireo sy hajainy an-tsitra-po ny ho ANDEVON'NY VAZAHA.

Nanomboka hatreo ny «cause PADESM», izany hoe izay olona tsy tao anatin'io lalan-kevitra io, na tsy mpomba azy io, na mamy hoditra tamin'ny Ambanilanitra aza, dia tsy tafiditra mihitsy tao anatin'ny «seha-pitondrana»(cercle du pouvoir) mihitsy, ary raha sanatria aza ka misy, dia izay no antsoina hoe: «voina politika»(accident politique), kanefa, dia lazaina amim-panetren-tena, fa mahalana sy tsy azo anoharana ihany ny fitrangan-javatra tahaka izany, raha ny Tantaran'i Madagasikara hatramin'ny taona 1960 no mankaty no avadibadika.

Io «cause PADESM» io, araka ireo fanazavana samihafa efa nentintsika im-betsaka teto no niova ho «cause cotiere» taty aoriana. Izany hoe: raha «cause voatokana ho an'ireo nilaza azy desherites rehetra» ny «cause PADESM» tany am-boalohany (T.F: Tanindrana sy ny mainty enin-dreny ary ny sasany amin'ireo hova vao), dia norombahin'ny Tanindrana ho azy ireo samy irery, saingy, tsy ho an'ny Tanindrana rehetra akory, fa ampahany vitsy sy voafetra ihany. Niala maina kosa ireo «rahalahiny avy aty anivon-tany» taty aoriana.

HO FAHALEOVANTENA TANTERAKA

Hoy isika hoe tsy ho tapa-tohy mihitsy ny «Fanjanahantany miova endrika isaky ny vanim-potoana», raha tsy vonon-kitraka ny taranaky ny M.D.R.M nanaiky handray ny lova sy ireo Tia Tanindrazana vaovao. Tsy kabary politika hikatsahana «marimaritra iraisana» amin'ny fifandimbiasam-pitondrana ao anatin'ny «demokrasia» notahafina avy any Andrefana no hahavita izany, fa ao anatin'ny firaisan-kina tanteraka sy feno, satria, efa nasehon'ny Tantara hatramin'ny taona 1958 no mankaty, fa misy foana ary mbola hisy koa ny Tia Tanindrazana sandoka, mandrotsirotsy amin'ny kabary politika tsara lahatra sy mampody mandry, diso fantatra hatramin'ny ela fa mainka koa aza nandentika antsika.

Ny fiverenana maka faka ao anatin'ny kolontsaina isam-pirenena no lalana voalohany tsy maintsy arahina amin'izany, satria, ny Tia Tanindrazana tsy manana faka ao anatin'ny kolontsainy, dia safiotra, ka voatery tsy maintsy haka tahaka ny an'ny hafa. Ny fakan-tahaka ny an'ny hafa, dia efa fibabohana ho resy mialohan'ny ady. Ary aoka hazava etoana, fa tsy mipetrapetra-poana ireo «mpanjanatany», fa isan'andro, dia hiezaka hatrany izy ireo mamelatra eo anoloanao ny vovo hampanjakana ny kolontsainy. Maro ny ohatra azo raisina eto, fa singanina eto ny asan'ireo foibe momba ny Kolontsaina sy ny asan'ireo fampielezam-peo isan-karazany,... Tsy mandany vola amin'ny tsy ho azy mihitsy ny vazaha!

Etsy andanin'izany, ny fahaleovantena tanteraka, tsy fisitahana amin'ny Tandrefana ka hifatorana amina vondron-tany hafa akory. Tsy maintsy hay koa anefa ny manavaka ny tena havana sy ireo mitomany ho havana, kanefa, tsy mihevitra afa-tsy ny hampitondra kitra sy gadra ny tena. Na inona na inona , ny ezaky ny tena ao anatin'ny firaisankina niainga tamin'ny fifehezana ny kolontsain'ny tena irery no lalana mankamin'ny tena fandresena sy hizorana mankamin'ny fahaleovantena.

ISIKA MERINA MANOLOANA IZANY

Ady 2 lehibe no tsy maintsy atrehintsika MERINA miatrika ny tena fahaleovantena, ka ny ady lehibe voalohany amin'izany, dia ny ady amin'ny ho fisiantsika. Mety hihevitra ianao ka hilaza hoe: misy isika ary mbola hisy! Tsy iadian-kevitra izany, saingy, alao sary an-tsainy ny fisisihan'ny sasany haha-MALGACHES antsika sy ireo famotehana antsika amin'ny lafiny rehetra, indrindra indrindra eo amin'ny kolontsaina. Noho izany, isika taranaka ankehitriny, dia ivesaran'adidy tsy maintsy mijoro hiaro no kolontsaintsika. Dingana iray amin'izany ny fahaleovantenan'Imerina. Anjaran'ny hafa ny miezaka hanao izany, raha tiany, nefa zony koa ny mitoetra amin'izao.

Tsy hoe rehefa misy koa anefa, dia vita eo ny tolona, fa TSY MAINTSY atevenina hatrany ny firaisankina na amin'ny fotoana inona na amin'ny fotoana inona. Azo ampifanindranin-dalana amin'ireo ny ady politika sy ny toekarena, kanefa, mbola amafisina indray, fa ny firenena rava kolontsaina, dia efa firenena resy mialoha ny ady.

RAHAMPITSO

Eo anatrehan'ny fivoaran'ny fifandraisana iraisam-pirenena ankehitriny: «mondialisation, globalisation,...», dia tsy milaza inona ny fisekoana ho firenena raha tsy matanjaka ny kolontsaina, satria, hiavam-pangaro eo hatrany ary hisongadina sy hanjaka amin'ny hafa koa ny an'ireo firenena afaka mampanjaka ny kolontsainy.

Mbola averina eto indray, fa ny firenena ho afaka hiditra an-tsehatra eo amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena iharan'ny mondialisation, globalisation,... dia izay firenena tena afaka sy masi-mandidy amin'ny Taniny ary matanjaka eo amin'ny kolontsaina. Ny mifanohitra amin'izay, dia sarintsarim-pirenena iharan'ny lalan'ny hafa sy hitoetra ho zanatany hamarinana ny vitan'ny hafa.

Koa ho an'Imerina sy Madagasikara, efa mba nifidy izay toerana hisy anao va ianao, sa mbola hiandry ny zava-midona indray vao hamaky takotra irery?Tsy tanteraka ny fahaleovantenantsika, fa tsy misikim-ponitra hanamafy ny firaisankinantsika isika ary mivonon-kiaro koa ny Kolontsaintsika.

Atambaro ny hery, fa ny mitabe tsy lanin'ny mamba!

Ilaitangena

  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...