GARAN'I MORAMANGA
Ny zava-niseho ny ampitson'ny 29 Martsa 1947

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA, laharana faha-154,
02 Mey 1997 ka hatramin'ny laharana faha-156, 23 Mey 1997)

Araka ny antso nataonay teto tamin'ny lah.153 dia naharay taratasy avy tamin'Atoa RAKOTONIRINA, 76 taona, vavolombelona anankiray mitantara ny zava-nisy tao amin'ny garan'i MORAMANGA tamin'iny raharaha 1947 iny. Mpiasan'ny Lalamby izy ary izay hitany sy niainany no tantarainy eto, ho famenon'ny Tantara sy hikatsahana ny marina.

VONO MOKA... TSY ANKIFIDY...

Ny alin'io 29 MARSA io izany no tena niantombohan'ny ady tao MORAMANGA. Ny maraina manaraka an'io alina io dia lasa nitsaoka nandositra tany anaty ALA daholo ireo voalaza tamin'izany fotoana izany fa MPIKOMY nanapoaka ny ady tamin'ny alina. Ary nanomboka hatreo koa dia nanampatra ny heriny ireo miaramila Senegaly efa voahoman'ny mpanjana-tany ho amin'izany, ka rehefa vatan-dehilahy rehetra hitany dia nataony lasibatra avokoa, hatramin'ny mpiasa eo am-perinasa aza, toy itony tao amin'ny "train" nitondra olona mpandeha nantsoina hoe «2 Bis» itony tamin'izany fotoana izany. Ny maraina, tamin'ny 9 ora, vao nijanona tao Moramanga ny masinina dia tonga ny miaramila senegaly dia nitifitra namono ilay "mécanicien" nantsoina hoe RABENANDRIANINA sy ny saoferany natao hoe RAKOTONAIVO. Avy eo dia nanesy nitifitra ny "serre-frein" rehetra indray, fa ny mpandeha tao anaty wagon tsy nataony na inona na inona.

IZAY MBA AFA-NITSOAKA

Tamin'ireo mpiandraikitra ny "train" dia olona iray ihany no tsy maty, ilay serre-frein natao hoe RAPOLY, na RAPOLININA amin'ny anaram-bositra satria tany amin'ny wagon vody laharana indrindra no nisy azy. Vao nandre ny poa-basy sy nahita ny fatin'olona eran'ny tananan'i Moramana izy dia nitsambikina nandositra nanaraka ny lalam-by miakatra mankany Antananarivo mba hanavo-tena. Avy eo dia nilatsaka tao anaty lavaka (dalina) iray lalim-be fivarinan'ny ranon'orana mankany amin'ny ranon'i Mangoro rehefa fahavaratra. Rehefa tafavoaka io dalina io izy dia nanaraka ny sisin-drano foana mandra-piakatra tanana efa tany amin'ny garan'Ambodinifody. Avy eo dia nandeha tongotra indray nanao izay ahatongavany tany Ambatolaona Gara, fa tany vao nisy tanana nisy olona afaka nampiantrano azy mandra-pisian'ny masinina miakatra mankany Antananarivo.

lzay ka izay no nahazo ireo mpiasan'ny Gara niandraikitra io «train de voyageurs» hatao hoe «2 Bis» io, araka ny fitantaran'ireo vavolombelona nanatri-maso, izay tao anatin'izany indrindra ramatoa RAZANAKOMBANA, havan'ny mpanoratra. Ilay "mécanicien" atao hoe RABENANDRIANINA moa dia rahalahin'ny raiko niteraka ahy koa ary marina tokoa fa mpikamban'ny MDRM izy. Raha avy any Antananarivo ianao ka mitodi-doha miantsinanana, vao miala ny garan'i Carion dia misy tonelina nampitondrain'ny lalam-by ny anarana hoe TUNNEL RABENANDRIANINA indrindra araka ny asehon'ny soratra mivandravandra hita eo rahateo.

ILAY TAPA-POROHANA

lzaho izay manoratra koa dia mpiasan'ny lalam-by tamin'izany fotoana izany ary efa tovolahy feno 26 taona. Io train «2 Bis» io ihany no masinina farany nivoaka an'Antananarivo dia tsy nisy hafa intsony indray raha tsy tamin'ny 3 avrily 1947, dia ilay natao hoe «train de marchandise» mpitondra entana miakatra sy midina. Ny mpiasa tena mpiandraikitra ireny "train" ireny dia efa tsy nisy niasa intsony ary nisitrika tany an-tranony tany daholo fa raiki-tahotra mihitsy sao voatendry handeha, ka izahay tany amin'ny service hafa no voasambotra hiandraikitra ny fandehanan'io masinina io. Ny toerana fiasako moa dia ny G.V. na «Grande Vitesse», miandraikitra ny fandefasana ny entana tena maika. Efa tamin'ny firavan'ny inpiasa tamin'ny 11 ora antoandro handeha hody hisakafo izahay no nosamborin'ny miaramila Senegaly teny Soarano, manoloana ny toerana misy ankehitriny ny tranoben-dRamaroson, izay tsy mbola nisy anefa tamin'izany fa tamboho manodidina fotsiny ihany no teo.

ROSO NY DIA

Rehefa avy nampanaovina sonia tany amin'ny gara izahay dia nentina nanao veloma sy nampahafantatra ny fianakaviana tany an-trano fa handeha ho any Moramanga. Ary tamin'ny 2 hariva dia tafainga tokoa ilay masinina izay voalohany niala tao Antananarivo andeha ho any Moramanga taorian'ny 29 Marsa 1947. Izaho moa dia efa mpiasan'ny Gara zatra ny asa rehetra mihitsy ka noho izany dia notendrena ho "Chef de Train" ary ny namako hafa rehetra dia natao "serre-frein", mpiandraikitra ny fanidiana ny "frein"-n'ny wagon raha sendra mandeha mafy laotra amin'ny fidinana ka tsy voatohan'ny loha-masinina intsony. Tsaroako tsara mihitsy koa fa ny anaran'ilay mécanicien mpitondra masinina dia RAJOELINORO. Ny anaran'ireo ray-amandreny efatra natao "serre-frein" anefa tsy tadidiko intsony satria tany amin'ny birao ry zareo no tena niasa ka tsy dia afaka nifanerasera loatra izahay. Miaraka amin'ny saofera izany dia olona fito no isanay.

NY ZAVA-NISY TENY AN-DALANA

Manomboka teo Soarano ka hatrany Ambohimanambola dia tsy nisy na inona na inona nitranga. Tao amin'io tanana io anefa dia notsenain'ny olona marobe izahay, na protestanta na katolika, nitondra tso-dranom-bavaka ho anay, sady koa nitondra sakafo betsaka tamin'ny "sceaux" nisy sarony. Nisy vary miaraka amin'ny laoka hena kisoa sy gisa tao. Tsy hadino koa ny karazana taoka sy limonady nahampiny azy. Ary mbola torak'izany ihany ny nataon'ny fokonolona tao amin'ny garan'Anjeva. Hatreo no faran'ny gara nahitana olona betsaka fa nanomboka teo Carion dia mpiasan'ny Gara iray sisa no hita. Nony tonga tao Manjakandriana dia tsy nisy afa-tsy mpiasa mpanao "chargement" kitay sy rano no hany sisa novantaninay. Tao Ambatolaona koa dia mbola torak'izany, ny Chef de Gare no hany mbola tao, miampy mpiasa mpanao "chargement" kitay sy mpanome rano. Ka nafaran'ilay Chef de Gare mba hameno tsara ny kitay sy ny rano ilainay rehetra izahay satria tsy hahita olona afaka hanampy anay intsony mandra-pahatongavanay any Moramanga ary ny lalam-by rehetra koa dia efa voahitsy handehananay mivantana. Niala tao Ambatoloana izahay dia nahazo an'Ambohimanjaka gara izay nolalovanay fotsiny, sahala amin'ireo gara manaraka rehetra, ary avy eo dia nitsontsorika tamin'iny fidinam-be mitondra amin'iny tonelina Mandikanamana iny. Tamin'izany izahay dia efa nahare ny horakoraka nataon'ny "mpikomy" tamin'iny tananan'Asabotsin'Anjiro iny, mitondra afo be hanazavany ny lalana alehany.

HOROHORO SY HETRAKETRAKY NY TSY MIFADITR'OVANA

Raha vao nanomboka niditra ny garan'Ambodinifody izahay, amin'iny lalam-by anaty kininina iny dia efa nanomboka ny tifitra vary raraka avy any ivelany. Tsy mazava laotra anefa na ny Senegaly na ny "mpikomy" no nitifitra ny masinina eny ampandehanana fa ny fitefotefoky ny bala amin'ny wagon no henonay. Ny andro moa efa tena maizina koa, ary izahay samy miepoka mitsotra ao anaty wagon ao anelanelan'ny entana ao amin'ny kesika mba tsy ho tanteraka aminay ny bala raha sendra tafiditra. Rehefa nanomboka niditra ny garan'i Mangoro, nandalo amin'iny tananan'i Marovitsika iny izahay dia nahare feon'olona maro be nikiakiaka niantso hoe «Vonjeo! Vonjeo! Maty e! May e!». Tsy naharitra izahay fa nitsangana nanarangarana teo amin'ny varavarankelin'ny wagon ka inona no hitanay fa tsy ny tananan'i Marovitsika mihitsy, misy ny orinasan'i Ottino mpanao tapioca no nodoran'ny Senegaly manodidina ny tanana. Ka tsy nisy afa-nivoaka mihitsy ny mponina fa izay sahy nivoaka ka nanivatsiva ny afo dia efa nandrasan'ny Senegaly aty ivelany nataony lasibatry ny basy indray. Ka ny masonay mihitsy no nahatazana vehivavy iray nikiakiaka nivoaka avy tao anaty afo kanefa tonga dia nofaohin'ny balan'ny Senegaly ka nitrosona lavo tery. Toa hoe tsy nisy olona na iray aza hono tafavoaka ny tanana fa dia indray maty kila forehitra tao daholo ny rehetra.

ROSO IHANY NY DIA

Roso ihany ny dianay ka dia tokony ho tamin'ny iray ora maraina izahay no tafiditra soa aman-tsara tao amin'ny garan'i Moramanga. Vao nitsatoka ny masinina dia nitsena niantsoantso ilay Chef de gare vazaha atao hoe LANGLE no anarany. "Le Chef de Train, où est-il?". Ka dia namaly aho hoe, "C'est ici Monsieur". Dia hoy izy, "Bon, ouvre le wagon". Dia novohainay haingana ny varavaran'ny wagon. "Donne-moi le journal", hoy indray izy dia natolotro azy avy hatrany ny tadiaviny satria izaho no nitondra io journal io, ahitana ny anaranay rehetra niandraikitra ny "train". Ka dia nantsoiny ny anaranay tsirairay avy, nanomboka tamin'ny ahy. Avy eo dia nasainy nidina izahay ary nalahatra natao aloha sy aoriana, araka ny fiantsoana ny anaranay.

ZAVA-DOZA SY MAMOAFADY

Ary toy izao kosa ny zava-doza nafitsok'ity Chef de Gare vazaha ity. Izy no nialoha lalana nitarika anay ho any amin'ny magazay "Petite vitesse", izay toerana fanondranana entana, hametrahana anay. Rehefa nanomboka nanakaiky ny magazay izahay dia nandeha haingana tampoka nanao tsao-pe izy mba handao anay. Izaho anefa somary mba lavalava ihany ka izay fandehany dia tsy nisy nataoko very fa tena harako tsara mihitsy ka niara-tafiditra tao amin'ilay trano izahay roalahy. Vao tafiditra anefa ireo namako sasany nanaraka tao aoriana dia injay nisy basy nipoaka indray tany ivelany tany, kanjo inona fa tsy ireo "serre-frein" roalahy, izay somary efa zokinjokiny izay, no niara-nidaboka tao ivelan'ny varavarana tao. Izy ireo dia anisan'ny olona niaraka taminay niala tany Iarivo, rehefa niara-natao sambo-dokotra teny Soarano izahay.

Avy eo indray anefa dia tsy nisy tafaray toerana izahay dimy lahy sisa velona fa samy nanana ny toerana nisy azy avy. Izaho moa dia naka toerana avo teny ambony entana, manoloana indrindra ary tsy lavitra loatra ny birao sy ny fandriana misy ireo Senegaly mpiambina tao amin'ny magazay io fa ireo namako sisa dia raiki-tahotra ka naka toerana maizimaizina tany aoriana tany. Ary dia hitako daholo ny toetra alika sy fomba alika nataon'ireo Senegaly mpiambina ireo. Tao amin'io magazay io mantsy no namonjy nitoby ny olona maro tao Moramanga, izay nanantena mba hialokaloka. Kanjo ilay nantenaina hiambina indrindra no tena nandripaka ny zanak'akoho.

Rehefa avy nandehandeha any ivelany ireo Senegaly ireo dia miditra ao amin'ny magazay "petite vitesse", mitondra "lampe de poche" mba hitady eran'ny trano vehivavy hanaovany ny sitra-pony. Ka na dia tsy sahy mijery mivantana aza aho fa misalobona ao anaty bodofotsy dia hitako tsara avokoa ny zava-niseho rehetra. Tsy mandry rahateo koa mantsy aho fa mipetraka ary ny bodofotsy dia efa somary be lavadavaka izany ihany satria bodofotsin'ny gara efa tonta.

Ka dia tsimpotsimponin'ireo Senegaly any anaty entana any ny vehivavy, na manambady na tsy manambady, hatramin'ny zaza tsy ampy taona miaraka amin'ny reniny, dia ampilahariny eo anoloako eo. Misy hatramin'ny Senegaly dimy lahy izy no miara-manao eo, manaram-po sy mametaveta vadin'olona sy zanak'olona izay tsy nananany antra na kely aza. Ary izay tsaratsara dia hifandimbiasan-dry zareo mihitsy. Ny zaza mbola kely moa dia tena mahonena fa mikiakiaka mitomany kanefa totohondry no asetriny azy eo ambaniny eo. Rehefa vita ny nataony dia asainy mandeha miverina any amin'izay nisy azy any daholo. Misy ireny zaza mbola tsy ampy taona ireny, efa mitete rà manaraka ny feny ka miledaleda mandeha dia dakany avy aoriana ka mitrosona mitsingidina ery lavitra ery. Mahonena e! tena mahonena tokoa izany!

Nandritra ny alina dia tsy nisy sahy nitsangana na miseho endrika akory izahay rehetra na dia hoe handeha hivalana aza fa ny rano dia nalefa mangingina tany anaty entana tany, ary ny fivalanana kosa dia notatazana tamin'ny mosara sy ny zoron-damba. Toa efa andro sy alina maromaro mihitsy mantsy no nahatery tsy nampoizina tao anatin'io magazay io ireo mponin'i Moramanga ireo. Maimbo sy rikoriko tokoa ny tena kanefa tsy afa-nanoatra fa voatery nizaka tao ampifonohana tao.

Ny marainan'ny andro 4 aprily dia tonga dia nikarakara ny fodianay indray izahay, manao ny "chargement" ny wagon. Teo ampanaovana izany izahay dia mba nisy amin'izay koa olona maromaro afaka nivoaka ny magazay mba hanary ny fivalanany. Ka raha vao tsy tazan'ny Senegaly dia pihanay maso hitsofoka ao anaty wagon izay olona manakaiky anay ary nasainay mitampisaka eny anelanelan'ny kesika rehetra eny. Olona teo amin'ny 30 na 40 angaha ny fitambaran'ny avotray soa aman-tsara tamin'izany.

TSY MIFADITROVANA

Teo ampanaovana ny "chargement" koa izahay dia nisy zavatra faran'izay mahatsiravina nitranga. Nisy mantsy rangahy iray nandeha teo amin'ny arabe amoron'ny gara iny, nibaby zaza ary mitodi-doha te ho any an-tanam-be any angamba. Raha nandalo teo anolohan'ity Senegaly mpiambina iray izy dia nodian'ilay io tsy nojerena akory aloha. Kanjo vao lasa kely nandingana in-telo na in'efatra angaha dia notifiriny basy tampoka avy aty aoriana ilay zaza am-babena ka tafagorobaka hatrany amin'ny tratran'ilay rangahy ny bala. Nitrosona tery ary izy mianaka ary raha vao nidaboka dia notondrahan'ilay Senegaly lasantsy avy hatrany ny vatany ary nodorany ho kila na dia tsy mbola tena tapitra aina akory. Mahatsiravina e! Tena mahatsiravina!

Andro alina efa tonga tany Ambatolaona gara izahay vao sahy nivoaka daholo amin'izay ireo olona rehetra tafaraka taminay. Tonga ary dia samy namonjy nandio tena teo amin'ny paompy fisotroan-dranon'ny masinina ny rehetra ary koa nandio ny lambany satria nandritra ny fotoana nitazonana azy ireo tao amin'ny magazay tao Moramanga dia tsy nahita rano intsony ry zareo ankoatra izay kely novatsian'ny sasany hosotroina. Ka ny tanana ilany natao hamafana ny loton'ny tena ary ny ilany kosa handraisana izay hohanina. Tsy hay tanisaina intsony ny rikoriko aterak'izany fa anjaran'ny mpamaky no maka sary an-tsaina azy. Hatrany amin'ny volon-doha ka hatramin'ny vatana iray manontolo dia maimbo sy masiso avokoa. Ny lamba moa izany dia efa mihosina miraikitra tanteraka. Soa ihany ary fa ireo olon'Ambatolaona, raha vao nahare tamin'ny Chef de gare fa ho avy ilay masinina nidina afak'omaly dia tonga niandry nitsena daholo, sady nitondra sakafo ho anay. Ny mpivarotra koa dia namoaka ny savoniny izay nomeny anay mba ahafahanay mandro sy manasa ny lambanay. Ka tsy nisy fady sy tsy fady intsony ny mpianakavy fa samy niboridana nihanjahanja daholo nanadio ny tenany. Ary na dia somary mangatsiaka izany aza Ambatolaona, dia tsy heno loatra intsony izany.

Nijanona ela tokoa izahay teo ary efa marain'andro mihitsy vao niainga mba hiakatra ho any Iarivo. Rehefa tonga teo Androndra izahay dia voatery nampijanoniko ny masinina mba hahafahan'ireo olona nentinay avy any Moramanga midina satria tsy nisy nampandoavina saran-dalana izy ireo na iray aza ka tsy azo entina hatrany amin'ny gara lehibe sao misy fanontaniana miteraka fahasahiranana avy amin'ireo vazaha.

TODY IHANY IZAY SISA VELONA...

Tody soamantsara tao amin'ny garan'i Soarano izahay dimy lahy sisa velona tokony ho tamin'ny 2 ora tolakandro. Rehefa vita ny fanalana entana araka ny fomba fanao rehetra dia samy namonjy nody tany an-tranony daholo, mitantara izay hitany amin'ny fianakaviana. Ny ahy ny reniko izay niara-nipetraka taminay aloha no nitantarako ny nahafatesan'ny rahalahin-draiko satria ny raiko dia efa maty taloha. Avy eo aho dia lasa tany amin'ny tranon'ny rahalahin-draiko tany Ankazomanga (lalan'Ambohimanarina) mba hampandre momba ny manjo sy haka ireo zanany, izay efa kamboty reny rahateo. Mbola tena kely tokoa mantsy izy ireo satria ny zokiny indrindra dia sy nahatratra 10 taona akory ka tsy afaka ny hitana tokantrano irery ary zoky hafa ray mba be be taona kokoa no nasaina niambina azy rehefa voatery mivoaka manao "service" ny rainy.

TSIKILO SY TONDRO MOLOTRA

Vao tsy mbola ampy antsasak'adiny akory angamba anefa ny nahatongavako tao an-tranon'ny rahalahin-draiko dia indreto niditra tampoka ny varavarana ny Senegaly efa-dahy. Tsy nisy alaharo alaharo na fanazavana fa tonga dia ny rojovy no nipetraka tamin'ny tanako ary nasesy teo aloha sy nampidirina tao anaty fiarakodia, nentina tany amin'ny "poste de Police"-ny gara aho. Fantatro avy eo fa ny tena antony dia satria vao maty RABENANDRIANINA dia nosavain'ny vazaha ny karany ary hitany mazava tsara tao fa mpikamban'ny MDRM tokoa izy. Tonga ary dia nandeha ny fampandrenesana hametrahana mpitsikilo manara-maso izay olona rehetra miditra ny tranony. Tamin'izany fotoana izany mantsy dia tena natao haza lambo mihitsy ny mpikamban'ny MDRM rehetra ary ireo havany, na dia hoe tsy tena mpikambana mivantana tao amin'io antoko io aza, raha vao malama loha dia ataon'ireo olon'ny PADESM mpanampy vazaha tondro molotra fotsiny dia voatazona. Ary tsy misy fomba azo handavana mihitsy ka mifohafoha volo ela vao afaka raha tsy maty any am-pigadrana any.

Tamin'ny famotorana natao ahy dia betsaka tokoa ny fanontaniana napetraka ho valiako kanefa ny tena nanaitra ahy ary naverimberin'n-dry zareo hatrany koa dia ny hoe: «Lazao ny marina fa tena zanak'anabavin'i RAVOAHANGY ialahy». Sady nolaviko hatrany anefa izany no nataoko izay fomba tsy ahafantarany fa tsy mpiara-miasa amin-dRABENANDRIANINA fotsiny aho fa tena zana-drahalahiny mihitsy sao izany indray no mety hahavery ahy.

Noho io fandavako io ary dia tsy afa-po ireo mpanadina ka tsy navelany hody aho fa notereny hijanona tao amin'ny trano fitazonana olon'ny poste de police ihany. Ary tao aho no nampatoriana ny alin'io, nizaka mangina ny fahoriana sy ny havizanana satria tsy nomen-dry zareo hanina sy rano ho sotroina na dia hoe indray mitete aza. Ny ampitson'io, tokony teo amin'ny 11 ora aho dia nasaina nanao sonia fa olona voampanga ary tsy maintsy miverina indroa isan'andro, amin'ny 11 ora antoandro sy amin'ny 5 ora hariva mba hanao sonia toy izany vao navelany hody amin'izay. Na dia tsy niafara tamin'ny fitsarana mihitsy aza dia naharitra eo amin'ny herintaona eo ho eo io fanerena manao sonia io ary tsy hoe izaho irery no voatery nanao izany fa olona maro hafa koa.

FANKAHALANA HAFAHAFA...

Fa ny tena nahasorena dia ity: isaky ny andro zoma hariva dia terena izahay olona malama loha nanao sonia rehetra mba handio ny "poste de police" tany Isotry. Ka alohan'ny ialana teo amin'ny biraon'ny polisin'ny gara dia tsy maintsy tsoahina avokoa ny akanjo nanaovana hatramin'ny pataloha ary soloina karazana "sous-vêtement" soga ka io ihany no entina mamakivaky ny arabe manaraka an'iny "Petite Vitesse" sy anoloan'ny "Colis postaux" iny mandra-pahatonga any Isotry. Milahatra efatra efatra ny tovolahy amin'izany mba ho hitan'ny vahoaka eran'ny arabe tsara. Ny polisy miambina moa dia mitondra karavasy ary tsy menatra ny mampitahotra na koa manompa tsotra izao, toy ity anankiray izay tena mirehareha hatrany koa amin'ny maha-padesmiste azy: «Haingakaingana ry tay a! tsy hanao famindran'ny mpanambady akory!»

Ny asa natao tany amin'ny "poste de police" tany Isotry moa izany dia ny fanadiovana ny trano sy ny tokontany ary koa ny famindrana ny tinety misy ny maloto tany an-kabone ho any amin'ny barika any ivelany natao harian'ny gadra rehefa tonga ny alina. Vita izany dia miverina any Soarano indray misolo akanjo ary mahazo mody amin'izay.

FEHINY

Toy izany ny zavatra niainako taorian'ny 29 martsa 1947 araka ny fahatsiarovako azy ankehitriny. Ary nanomboka tamin'izany ka hatramin'izao, rehefa mandinika aho dia tonga hatrany amin'ny fiheverana fa ny anton'io raharaha io dia tsy misy afa-tsy ny fiantsian'ny vazaha mpanjana-tany sy ny antoko PADESM. Tamin'izany fotoana izany mantsy dia niisa telo ny fikambanana politika lehibe nifandrafy teto Madagasikara. Ny voalohany dia ny MDRM tarihin-dRAVOAHANGY sy RASETA ary RABEMANANJARA izay nampiray ny Malagasy manontolo ary nitolona ho an'ny fahaleovantena. Ny faharoa dia ny PADESM noforonin'ny Vazaha mba hanoherana indrindra ny MDRM ary nampiray ireo Tanindrana sy Mainty mpankahala Merina. Ka araka ny fisainany dia antokon'ny Merina mitady hanandevo azy, hono, ny MDRM amin'ny famerenana ny lazainy fa fanjakan'Andriana. Ny fahatelo farany kosa dia ny PANAMA izay antoko miafina notarihin'i RAKOTONDRABE Samuel sy RAVELONAHIANA Edmond ary manambara koa fa mitolona ho an'ny fahaleovantena kanefa amin'ny alalan'ny ady irery ihany. Raha tsy misy RA latsaka mantsy, hono, dia tsy ho tanteraka ny fahaleovantena ary ho avy hanampy antsika rahateo koa ny Amerikana hitondra fiadiana ka tsy afaka ny hihemotra intsony isika.

Ny tena marina anefa dia namboarin'ny mpanjanatany tanteraka koa ny lohan'ireo mpitarika PANAMA ary azo heverina fa fomba ankolaka ahafahana manapotika ny MDRM fotsiny ihany no tena anton'io fikambanana io. Raha tsy izany ve ho sahy nanapoaka ny fikomiana amin'ny Vazaha izy ireo kanefa tsy mbola manana akory afa-tsy fiadiana vitsivitsy miaraka amin'ny langilangy sy ny lefona? Ary ny tena mampiseho fa tsy baiko avy any amin'ny lehiben'ny MDRM mihitsy no nahatonga ny fikomiana dia ny tsy fahasahian'i RAKOTONDRABE Samuel sy RAVELONAHIANA nanondro mivantana na sahy nijery tava an-dry zareo ireo akory tamin'ny fifampifanatrehana azy teo amin'ny fitsarana. Noho izany dia tena diso fanantenana tanteraka ireo vazaha.

Ny PADESM indray moa dia tsy misy afa-tsy ny resaka FIRAZANANA no tena nianteherany mba hanapotehana ny MDRM sy ny tolona ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Ka mandraka ankehitriny, noho ny fanampian'ny Vazaha indrindra izay mbola manararaotra miafina hatrany ao ambadika dia ny taranaka PADESM foana no mitondra ny tany sy ny fanjakana ho an'ny tombon-tsoan-dry zareo manokana.

Rakotonirina

  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...