lzay ka izay no nahazo ireo mpiasan'ny Gara niandraikitra io «train de voyageurs» hatao hoe «2 Bis» io, araka ny fitantaran'ireo vavolombelona nanatri-maso, izay tao anatin'izany indrindra ramatoa RAZANAKOMBANA, havan'ny mpanoratra. Ilay "mécanicien" atao hoe RABENANDRIANINA moa dia rahalahin'ny raiko niteraka ahy koa ary marina tokoa fa mpikamban'ny MDRM izy. Raha avy any Antananarivo ianao ka mitodi-doha miantsinanana, vao miala ny garan'i Carion dia misy tonelina nampitondrain'ny lalam-by ny anarana hoe TUNNEL RABENANDRIANINA indrindra araka ny asehon'ny soratra mivandravandra hita eo rahateo.
Avy eo indray anefa dia tsy nisy tafaray toerana izahay dimy lahy sisa velona fa samy nanana ny toerana nisy azy avy. Izaho moa dia naka toerana avo teny ambony entana, manoloana indrindra ary tsy lavitra loatra ny birao sy ny fandriana misy ireo Senegaly mpiambina tao amin'ny magazay io fa ireo namako sisa dia raiki-tahotra ka naka toerana maizimaizina tany aoriana tany. Ary dia hitako daholo ny toetra alika sy fomba alika nataon'ireo Senegaly mpiambina ireo. Tao amin'io magazay io mantsy no namonjy nitoby ny olona maro tao Moramanga, izay nanantena mba hialokaloka. Kanjo ilay nantenaina hiambina indrindra no tena nandripaka ny zanak'akoho.
Rehefa avy nandehandeha any ivelany ireo Senegaly ireo dia miditra ao amin'ny magazay "petite vitesse", mitondra "lampe de poche" mba hitady eran'ny trano vehivavy hanaovany ny sitra-pony. Ka na dia tsy sahy mijery mivantana aza aho fa misalobona ao anaty bodofotsy dia hitako tsara avokoa ny zava-niseho rehetra. Tsy mandry rahateo koa mantsy aho fa mipetraka ary ny bodofotsy dia efa somary be lavadavaka izany ihany satria bodofotsin'ny gara efa tonta.
Ka dia tsimpotsimponin'ireo Senegaly any anaty entana any ny vehivavy, na manambady na tsy manambady, hatramin'ny zaza tsy ampy taona miaraka amin'ny reniny, dia ampilahariny eo anoloako eo. Misy hatramin'ny Senegaly dimy lahy izy no miara-manao eo, manaram-po sy mametaveta vadin'olona sy zanak'olona izay tsy nananany antra na kely aza. Ary izay tsaratsara dia hifandimbiasan-dry zareo mihitsy. Ny zaza mbola kely moa dia tena mahonena fa mikiakiaka mitomany kanefa totohondry no asetriny azy eo ambaniny eo. Rehefa vita ny nataony dia asainy mandeha miverina any amin'izay nisy azy any daholo. Misy ireny zaza mbola tsy ampy taona ireny, efa mitete rà manaraka ny feny ka miledaleda mandeha dia dakany avy aoriana ka mitrosona mitsingidina ery lavitra ery. Mahonena e! tena mahonena tokoa izany!
Nandritra ny alina dia tsy nisy sahy nitsangana na miseho endrika akory izahay rehetra na dia hoe handeha hivalana aza fa ny rano dia nalefa mangingina tany anaty entana tany, ary ny fivalanana kosa dia notatazana tamin'ny mosara sy ny zoron-damba. Toa efa andro sy alina maromaro mihitsy mantsy no nahatery tsy nampoizina tao anatin'io magazay io ireo mponin'i Moramanga ireo. Maimbo sy rikoriko tokoa ny tena kanefa tsy afa-nanoatra fa voatery nizaka tao ampifonohana tao.
Ny marainan'ny andro 4 aprily dia tonga dia nikarakara ny fodianay indray izahay, manao ny "chargement" ny wagon. Teo ampanaovana izany izahay dia mba nisy amin'izay koa olona maromaro afaka nivoaka ny magazay mba hanary ny fivalanany. Ka raha vao tsy tazan'ny Senegaly dia pihanay maso hitsofoka ao anaty wagon izay olona manakaiky anay ary nasainay mitampisaka eny anelanelan'ny kesika rehetra eny. Olona teo amin'ny 30 na 40 angaha ny fitambaran'ny avotray soa aman-tsara tamin'izany.
Andro alina efa tonga tany Ambatolaona gara izahay vao sahy nivoaka daholo amin'izay ireo olona rehetra tafaraka taminay. Tonga ary dia samy namonjy nandio tena teo amin'ny paompy fisotroan-dranon'ny masinina ny rehetra ary koa nandio ny lambany satria nandritra ny fotoana nitazonana azy ireo tao amin'ny magazay tao Moramanga dia tsy nahita rano intsony ry zareo ankoatra izay kely novatsian'ny sasany hosotroina. Ka ny tanana ilany natao hamafana ny loton'ny tena ary ny ilany kosa handraisana izay hohanina. Tsy hay tanisaina intsony ny rikoriko aterak'izany fa anjaran'ny mpamaky no maka sary an-tsaina azy. Hatrany amin'ny volon-doha ka hatramin'ny vatana iray manontolo dia maimbo sy masiso avokoa. Ny lamba moa izany dia efa mihosina miraikitra tanteraka. Soa ihany ary fa ireo olon'Ambatolaona, raha vao nahare tamin'ny Chef de gare fa ho avy ilay masinina nidina afak'omaly dia tonga niandry nitsena daholo, sady nitondra sakafo ho anay. Ny mpivarotra koa dia namoaka ny savoniny izay nomeny anay mba ahafahanay mandro sy manasa ny lambanay. Ka tsy nisy fady sy tsy fady intsony ny mpianakavy fa samy niboridana nihanjahanja daholo nanadio ny tenany. Ary na dia somary mangatsiaka izany aza Ambatolaona, dia tsy heno loatra intsony izany.
Nijanona ela tokoa izahay teo ary efa marain'andro mihitsy vao niainga mba hiakatra ho any Iarivo. Rehefa tonga teo Androndra izahay dia voatery nampijanoniko ny masinina mba hahafahan'ireo olona nentinay avy any Moramanga midina satria tsy nisy nampandoavina saran-dalana izy ireo na iray aza ka tsy azo entina hatrany amin'ny gara lehibe sao misy fanontaniana miteraka fahasahiranana avy amin'ireo vazaha.
Tamin'ny famotorana natao ahy dia betsaka tokoa ny fanontaniana napetraka ho valiako kanefa ny tena nanaitra ahy ary naverimberin'n-dry zareo hatrany koa dia ny hoe: «Lazao ny marina fa tena zanak'anabavin'i RAVOAHANGY ialahy». Sady nolaviko hatrany anefa izany no nataoko izay fomba tsy ahafantarany fa tsy mpiara-miasa amin-dRABENANDRIANINA fotsiny aho fa tena zana-drahalahiny mihitsy sao izany indray no mety hahavery ahy.
Noho io fandavako io ary dia tsy afa-po ireo mpanadina ka tsy navelany hody aho fa notereny hijanona tao amin'ny trano fitazonana olon'ny poste de police ihany. Ary tao aho no nampatoriana ny alin'io, nizaka mangina ny fahoriana sy ny havizanana satria tsy nomen-dry zareo hanina sy rano ho sotroina na dia hoe indray mitete aza. Ny ampitson'io, tokony teo amin'ny 11 ora aho dia nasaina nanao sonia fa olona voampanga ary tsy maintsy miverina indroa isan'andro, amin'ny 11 ora antoandro sy amin'ny 5 ora hariva mba hanao sonia toy izany vao navelany hody amin'izay. Na dia tsy niafara tamin'ny fitsarana mihitsy aza dia naharitra eo amin'ny herintaona eo ho eo io fanerena manao sonia io ary tsy hoe izaho irery no voatery nanao izany fa olona maro hafa koa.
Ny asa natao tany amin'ny "poste de police" tany Isotry moa izany dia ny fanadiovana ny trano sy ny tokontany ary koa ny famindrana ny tinety misy ny maloto tany an-kabone ho any amin'ny barika any ivelany natao harian'ny gadra rehefa tonga ny alina. Vita izany dia miverina any Soarano indray misolo akanjo ary mahazo mody amin'izay.
Ny tena marina anefa dia namboarin'ny mpanjanatany tanteraka koa ny lohan'ireo mpitarika PANAMA ary azo heverina fa fomba ankolaka ahafahana manapotika ny MDRM fotsiny ihany no tena anton'io fikambanana io. Raha tsy izany ve ho sahy nanapoaka ny fikomiana amin'ny Vazaha izy ireo kanefa tsy mbola manana akory afa-tsy fiadiana vitsivitsy miaraka amin'ny langilangy sy ny lefona? Ary ny tena mampiseho fa tsy baiko avy any amin'ny lehiben'ny MDRM mihitsy no nahatonga ny fikomiana dia ny tsy fahasahian'i RAKOTONDRABE Samuel sy RAVELONAHIANA nanondro mivantana na sahy nijery tava an-dry zareo ireo akory tamin'ny fifampifanatrehana azy teo amin'ny fitsarana. Noho izany dia tena diso fanantenana tanteraka ireo vazaha.
Ny PADESM indray moa dia tsy misy afa-tsy ny resaka FIRAZANANA no tena nianteherany mba hanapotehana ny MDRM sy ny tolona ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Ka mandraka ankehitriny, noho ny fanampian'ny Vazaha indrindra izay mbola manararaotra miafina hatrany ao ambadika dia ny taranaka PADESM foana no mitondra ny tany sy ny fanjakana ho an'ny tombon-tsoan-dry zareo manokana.
Rakotonirina