NY TOERAN'NY MDRM EO AMIN'NY TANTARAM-PIRENENA MERINA


(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-149, tamin'ny 29 Marsa 1997,
fahatsiarovana manokana ny tolom-pahafahana tamin'ny taona 1947)

Tamin'ny taona 1897 dia narodan'ny hery setran'ny mpanani-bohitra frantsay tanteraka ny andrin'ny firenena merina. Samy niara very tamin'ny Fanjakana nentin-drazana, na ny fahaleovantena, na ny haja amam-boninahitra, ary hatramin'ny maha-izy azy manokana mihitsy ny Merina. Ny tena marina mantsy dia nohelohina ho faty tsy ampitsarana ary nanomboka nalevona velona tsotra izao hatramin'io fotoana io ny firenentsika mba tsy hahafahany mitsangana intsony. Nosihosena ny lasany ary nobosesehana tao an-dohan'ny rehetra sisa tavela fa ny ho aviny dia tsy misy hafa tsy i Lafrantsa sy ny sitra-pony irery ihany.

Na dia rakotra aizina aza anefa ny firenena ary lasa vahotra ara-tsaina ny ankamaroan'ny olona dia tsy maintsy mba nitraotra ihany ny mahery fo mangetaheta rariny sy fahazavana. Ny voalohany tamin'ireo dia ny Menalamba, natosiky ny fitiavana fahafahana kanefa tsy afa-nanoatra. Tsy ela taty aoriana (1915) dia nanandrana nijoro toy izany koa ireo mpiandany ny VVS kanefa tsy mbola tonga tokoa angaha ny fotoana ka dia nandamokany mora fotsiny ny fikasana. Azo lazaina mantsy fa tamin'ny lafiny rehetra mihitsy no tsy mbola vonona ny VVS satria na ny tsangan-kevitra nijoroany aza dia tsy mbola tena mazava.

Taorian'ny Ady Lehibe faharoa (1939-1945) anefa dia toa niova tanteraka ny toe-draharaha. Afa-baraka teo imason'ireo zanataniny i Frantsa satria resin'i Jermania mora fotsiny ary tsy afaka niaro na dia hoe ny fahaleovantenany izy samy irery aza. Ka ho an'ireo tia tanindrazana teto Madagasikara dia tsapa avy hatrany fa tokony tsy maintsy mba nararaotina koa izany mba hanafahana amin'izay ny firenena. Sady izay moa na aiza na aiza eran-tany, ary indrindra moa any Asia, dia saiky efa mba sahy nijoro toy izany avokoa ireo teratany mandà ny didy jadon'ny mpanjanatany vazaha rehetra.

Araka izany dia fihetsiketsehana mifanaraka tanteraka amin'ny toe-draharaha niseho eran-tany taorian'ny Ady Lehibe faharoa ny MDRM. Ny tanjona tiany ho tratrarina ary dia tsy misy hafa tsy ny fanafoanana ny fitondrana kolonialista amin'ny alalan'ny fanomezana fahaleovantena an'i Madagasikara. Azo hinoana ary fa raha toa ka tanteraka tokoa ny fikasany dia ny fananganana karazana «repoblika malagasy», na farafaharatsiny, «repoblikan'i Madagasikara» no nimasohany voalohany.

Hita amin'izany ary fa, na dia Merina aza ny ankamaroan'ny mpitarika sy ny mpiandany azy dia sarotra lazaina fa tena «antoko merina» tokoa ny MDRM. Ny porofo mampiseho indrindra an'izany dia ny tsy fisian'ny olona sahy nijoro ampahibemaso fa maniry ny hampijoroana indray ny Fanjakana Merina teo amin'ireo mpanaraka azy. Ary fantatra fa na dia hoe ny fampiasany fotsiny ny anarana hoe «merina» aza dia tsy nataon'ireo mpitondra teniny izay aleony hatrany nijoro ho «malagasy».

Tsy noraharahian'ny Frantsay anefa izany fa aminy, na inona na inona tsangan-keviny marina, dia fahavalo ny MDRM satria sahy mitaky ny fahaleovantenan'i Madagasikara no tarihin'ny Merina, izay firenena efa nolofoina naetry sy nopotehina rahateo. Ka dia aleony nanandratra ny mpitarika ny Firaisan'ny Tanindrana sy Mainty enin-dreny ary ny Karazany (FTMK na Padesm) izay sady tsy tia Merina no vonona hatrany ny hialokaloka eo ambanin'ny fahefany.

Dimanpolo taona aty aoriana dia fantatra ny vokatr'izany safidy frantsay izany. Natsangany ihany tamin'ny farany ny «repoblika malagasy» kanefa tsy natao hanafahana an'i Madagasikara velively akory izany fa kosa ho fitaovana ahafahan'ny fahavalon'ny Merina mitavana samy irery amin'ny fitondrana fotsiny. Ankehitriny ary dia lotiky ny fahandrana sy ny fahakiviana ity nosy ity ka ny hany mba fanirian'ireo manan-pahefana, izay mpandova mivantana indrindra ny FTMK, dia ny ahafahana indray miverina ho zanatany frantsay, na amin'ny fomba inona izany na inona!

Ka ho antsika taranaka merina ankehitriny ary dia miseho mazava izao ny tena toeran'ny MDRM eo amin'ny tantaram-pirenentsika. Voalohany indrindra aloha dia fikambanana najoron'ny tia-tanindrazana merina niaina tao anatin'ny aizin'ny fanjanahan-tany io ka sarobidy hatrany ho antsika ny fahatsiarovana azy. Eny, tamin'izany andro izany dia tsy misy ankoatra ny nataony tokoa angamba no hany safidy azon'ny tia-tanindrazana natao. Ary na dia tsy dia nitondra ventiny laotra aza ny rano nantsakainy dia mijanona ho modely tokony ho arahintsika hatrany ny fahasahian'ireo ray-amandreny izay maro be no tsy nihambahamba nanao sorona ny ainy. Na izany aza anefa dia sarotra ny tsy mihevitra fa amin'ny lafiny ideolojika dia tsy mbola matotra mihitsy ny MDRM ka mampanontany tena ny mety ho nataony raha toa ka afaka nanohy soamantsara ny asany tokoa izy.

Ankehitriny dia efa afaka mibanjina ny vokatr'ity taonjato faha-20 ity isika. Ery andohany dia nanomboka ny aizin'ny alin-kitro ho an'ny firenentsika. Teo amin'ny sasan-kalina dia nitraotra ireo ray aman-dreny tia-tanindrazana kanefa tsy navelan'ny aizina ahavita na inona na inona. Ho antsika anefa izao dia toa mangiran-dratsy tokoa ny andro satria na ny repoblika mpanjanatany frantsay na ny farasisany «malagasy» dia toa efa manakaiky ny fetrany avokoa. Ary sahala amin'ireo razantsika hatramin'ny fahagolan-tany dia manomboka sahy mijoro amin'ny maha-merina antsika amin'izay izao isika. Ka azo hinoana ary fa, raha toa ka voavonjy soamantsara ihany ny ain'ny firenentsika, ny ampitso ho an'ny Merina dia tsy maintsy mba mitondra fahazavana vaovao.

Andriantefinanahary


Miverina any amin'ny takila fanolorana Ny eritreritrao...