IREO MAHERIFON'IMERINA :
1946 -1947

Raseta Joseph Delphin   Ravoahangy-Andrianavalona Joseph   Andriamiseza Lucien   Rakotondrabe Samuel  

RASETA Joseph Delphin


(Feon'ny Merina, lah. faha-162, 11 Jolay 1997)

Teraka tao Marovoay, faritanin'i Mahajanga ny faha-9 Desambra 1886. Zanak'i RAZAKA Seta (Tsimahafotsy) dekan-dRANILAIARIVONY, Praiministra, ary notendreny ho governora hiahy ny fitrandrahana volamenam-panjakana tao Maevatanana.

Niditra nianatra tao amin'ny kolejy FFMA Faravohitra ary nifindra tao ao amin'ny Kolejy Masindahy Joseph Ambodin'Andohalo. Tafiditra ho mpianatra mpitsabo ta amin'ny sekoly fianarana ho mpitsabon'Antananarivo ny taona 1903 ary nahazo ny mari-pahaizana naha-mpitsabo tamin'ny taona 1908.

Teo anelanelan'ny taona 1908 ka hatramin'ny taona 1922, dia nafindra toerana matetika, ka ny taona 1922, dia tao Ambositra ary niditra ho mpikambana tao amin'ny fikambanana Vy Vato Sakelika. Io taona io ihany, dia nametra-pialana tsy ho mpiasam-panjakana ary nanorim-ponenena tany Taoliara sy niasa ho an'ny tenany tany. Ny taona 1925, dia niara-nitolona tamin-dRalaimongo hanafoanana ny Indigénat.

Ny taona 1933, dia niditra ho mpikambana tao amin'ny «ligue anti-impérialiste et anti-communiste» notarihin'i JOURDAIN Francis.
Ny taona 1937, dia niara-namorona tamin-dry RALAIMONGO sy DUSSAC Paul ny antoko kaominista malagasy, antoko nofoanan'ny mpanjanatany ny taona 1939.
Ny volana mey 1939, dia nilatsaka hofidina tao amin'ny Conseil Supérieur des Colonies.
Ny Jona 1940, dia nanohana ny antso nataon'i de Gaulle.
Ny faha-9 Aprily 1941, dia nosamborina ary notanana tao Moramanga ary novotsorana ny taona 1943. Voafidy ho mpanolotsain'ny tananan'i Toliara io taona io ihany.

Teo anelanelan'ny taona 1945 -1946, dia voafidy in-telo ho solombavambahoakan'i Madagasikara tao amin'ny Antenimiera mpamolavola sy ny Antenimieram-pirenena frantsay. Iray tamin'ireo mpamorona ny antoko M.D.R.M tao Parisy rehefa avy nanatrika ny fivorian'ny Firenena mikambana tany London, ary voafidy ho filohan'ny M.D.R.M.

Mbola tany Parisy izy no nipoaka ny «raharaha 29 Martsa 1947» ary ny faha-6 Jona 1946 izy vao nosamborina rehefa avy nalana taminy ny zo maha-solombavambahoaka azy, ary naverina taty an-tanindrazana, ka nahibo am-ponja tetsy Antanimora. Voaheloka ho faty tamin'ilay fitsarana makotroka natao tetsy Andafiavaratra ny faha-4 Oktobra 1948 ary natao sesitany tany Mohéli (Comores) avy eo dia nafindra tany Calvi (Nosy Corse). Nahazo fanalefahan-tsazy ny taona 1955 noho ny antony fahasalamana.

Nitsoaka mangingina hody aty an-tanindrazana, ary voasambotra tao Djibouti ka naverina tany Frantsa ny faha-9 Jolay 1959.

Ny volana Jolay taona 1960 vao navela hody malalaka tato an-tanindrazana niaraka tamin'ireo solombavambahoaka 2 hafa, kanefa, nandà ny hiara-miasa tamin'i TSIRANANA sy ny governemanta notarihiny. Namorona ny antoko MADAGASIKARA SAMBATRA ary voafidy ho solombavambahoan'Antananarivo.

Nilatsaka hofidiana ho filohan'ny Repoblika nifaninana tamin'i TSIRANANA ny taona 1965, kanefa tsy lany.

Tahaka an-dRAKOTONIRAINY Joseph ihany, dia sahirana teo amin'ny fiainana ihany koa tamin'ny tanin'andro harivany ary maty tamin'ny taona 1978.

Ilaitangena

Raseta Joseph Delphin   Ravoahangy-Andrianavalona Joseph   Andriamiseza Lucien   Rakotondrabe Samuel  

RAVOAHANGY-ANDRIANAVALONA Joseph


(Tohiny - Navoakan'ny Feon'ny Merina lah. faha-163, 18 Jolay 1997)

Teraka tao Fianarantsoa tamin'ny faha-28 Oktobra 1893. Zana-dRAKOTONAVALONA Joël sy RAMANANTENASOA Rose (samy avy amin'ny karazana Andriamasinavalona). Nanaraka ny ambaratonga voalohany tamina sekoly samihafa tao Fianarantsoa. Rehefa izany, dia niakatra hanohy ny fianarany tao amin'ny sekoly Le Myre de Vilers Antananarivo ary afaka ho mpianatra mpitsabo tamin'ny taona 1912. Ny taona 1913, dia isan'ireo namorona ny V.V.S ary nosamborina noho izany tamin'ny taona 1915.

Voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ny faha-18 Febroary 1916 (fitsarana natao tao Andafiavaratra) ary nalefa sesitany tany Mayotte. Nohalefahana ho asa an-terivozona mandritra ny 15 taona izany saziny izany ary nofoanana mihitsy aza tamin'ny taona 1922. Niverina nanohy ny fiarany ho mpitsabo ary tafavoaka ho mpitsabo herintaona taty aoriana, ka rehefa mpitsabo, dia niditra tao amin'ny A.M.I ary notendrena hiasa tany Toliara hatramin'ny taona 1927. Rehefa tapitra ny fifanekena nataony tamin'ny fanjakana, dia lasa nakany Diégo «hiara-miasa» tamin-dRalaimongo, kanefa dia voarara tsy hahazo manao ny asan'ny mpitsabo tany amin'io toerana io.

Izy sy DUSSAC Paul, no niara-nanohy ny famoahana ny gazety «L'Opinion», rehefa naiditra am-ponja Ralaimongo ny taona 1928, ka lafi-kevitra 2 lehibe no nitoloman'izy ireo tamin'izany, dia ny fanafoanana ny "indigénat" ary koa ny fanafoanana ny Lalàna naha-zanatany frantsay an'i Madagasikara tamin'ny faha-6 Aogositra 1896 mba ho fananganana ny fanjakan'i Madagasikara.

Ny faha-29 Mey 1929, na dia tsy nandray anjara mivantana tamin'ny fihetsehana natao aza, dia tsy navela handia faritany tao Maintirano nandritra ny 5 taona, kanefa, koa dia mbola nanohy ny fanoratana an-gazety ihany.

Hoy tamin'ny lahatsoratra navoakany tao amin'ny gazety "L'Opinion" ny faha-24 Septambra 1934: «Takianay hatrany ny Fahaleovantenan'i Madagasikara»

Niverina teto Antananarivo ny taona 1936 ary niara-namorona tamin-dRalaimongo sy Dussac Paul ny gazety "La Nation Malgache" sy ny "Le Prolétariat malgache" sy isan'ireo namorona ihany koa ny fihetsehana sendikaly voalohany. Ny taona 1939, teo am-piandohan'ny Ady lehibe faha-II, dia niato tsy nanao pôlitika, kanefa izany tsy nahasakana ny fanjakana tamin'izany fotoana (akaiky an'i Vichy) hanao fisavana matetika ny tokantranony. Voafidy ho mpanolotsainan'ny Tananan'Antananarivo ny taona 1945, kanefa, dia nofoanana izany, vokatr'ireo fanamelohana samihafa azony hatramin'ny taona 1916, saingy, na izany aza dia voafidy ho solombavabavambahoaka tao amin'ny Antenimiera mpamolavola tany Frantsa ny volana Novambra ary mbola voafidy hitana io toerana io ihany na tamin'ny volana Jona na tamin'ny voalana Novambra 1946.

Ny taona 1946, dia isan'ieo niara-namorona ny Antoko M.D.R.M. Voaheloka ho faty noho ny raharaha faha-29 Martsa 1947 araka ny Fitsarana natao teo Andafiavaratra, sazy izay navdika ho fitanana mandra-pahafaty anaty faritra voaambina ny taona 1949, ka nahiboka tany Mohéli (Comores) ary nafindra tany Calvi (Corse) avy eo. Nampanao TSIA tamin'ny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny faha-28 Septambra 1958. Rehefa tafaverina teto an-tanindrazana, dia voafidy ho solombavambahoan'Antananarivo ny 4 Septambra 1960.

Ny taona 1961, dia niditra ho mpikambana P.S.D ary voatendry ho ministra na minisi-panjakana hatramin'ny fotoana nahafatesany ny faha-21 Aogositra 1970, ary nalevina am-boninahitra sy nisaonan'i Madagasikara.

Nanangona: Ilaitangena

Raseta Joseph Delphin   Ravoahangy-Andrianavalona Joseph   Andriamiseza Lucien   Rakotondrabe Samuel  

ANDRIAMISEZA Lucien


(Nivoaka tao amin'ny Feon'ny Merina, lah. faha-163, 18 Jolay 1997)

Teraka tamin'ny faha-13 Aprily 1913 teto Antananarivo. Zanak'Andriamiseza sy Rasoazananoro.

Nisantatra ny sekoly tao Ambohijatovo Avaratra ny taona 1920, ary nanohy tany Mantasoa. Niverina hanohy ny fianarany tao amin'ny sekoly le Myre de Vilers teto Antananarivo indray. Rehefa izany, dia voaray ho mpiasam-panjakana tamin'ny taona 1933, ary notendrena ho «ÉCRIVAIN-INTERPRÈTE» tao amin'ny kabinetran'ny governora jeneraly CAYLA Léon.

Nafindra toerana tany Maroantsetra ny taona 1938, ka tamin'izany, dia ireto asa ireto no nifandimby niandraiketany :
- ho lehiben'ny biraon'ny distrika,
- mpitsantsoratry ny Fitsarana ambaratonga voalohany,
- mpitsantsoratry ny Conseil d'arbitrage et de l'Office du Travail.

Taona vitsy taty aoriana, dia nafindra toerana tao Toamasina ka notendrena ho mpitantsoratry Fitsarana «indigène» ambaratonga faharoa sy ho «assesseur» tao amin'ny ambaratonga voalohany tao Toamasina.

Nafindra hiasa tao amin'ny «parquet»-n'i Toamasina, ary nametra-pialana tsy hiasa tamin'ny Fanjakana intsony taorian'izany, ka ny antony voalaza dia noho ny fahasalamana. Teto Antananarivo, ANDRIAMISEZA Lucien, no nipoaka ny fikomiana tamin'ny faha-29 Martsa 1947, ka ny faha-6 Aprily 1947, dia nosamborina tao Antsahabe. Notsaraina sy nohelohin'ny Fitsarana ady heloka be vava tao Toamasina ho tanana am-ponja mandritra ny 15 taona ary 10 taona tsy hahazo mandia faritany ny faha-20 ka hatramin'ny faha-27 Jona 1949. Natao sesitany tany Nosilava, ka tamin'ny taona 1956, vao nahazo famontsoran-keloka, ary dia niasa ho an'ny tenany tany Ambatolampy.

PANAMA

Rehefa noterena hangina ny V.V.S, dia «tony» ivelany ihany ny toe-draharaha politika teto Madagasikara, satria, najoron'ny Tia Tanindrazana manginigina tsikelikely koa ny fikambanana miafina isan-tokony, toy ny PANAMA, na ny PATRIOTE NATIONALISTE MALGACHE, indraindray koa nadika ho PARTI NATIONALISTE MALGACHE.

ANDRIAMISEZA Lucien, niaraka tamin-dRAMILIJAONA, mpaka sary nalaza, no namorona ny PANAMA, kanefa na izany aza dia tsy azo veroka marina ny tena vaninandro niforonan'ity antoko miafina ity.

Araka ireo vavolombelona vitsivitsy sendra anay, izay mbola ho vahinintsika eto atsy ho atsy, dia nifantoka betsaka tamin'ny ady ho an'ny fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny fanavotana azy no foto-kevitra sy fampielezan-kevitra novoizin'ny PANAMA sy ireo mpikambana tao anatiny. Tsy marina ihany koa hoy ireo vavolombelona ireo ny filazana fa ny vazaha-mpanjanatany no nampanangana ny PANAMA. Ankilan'izany, ny maro tamin'ireo mpikambana tao amin'ny PANAMA no mpikambana ihany koa tany amin'ny antoko na fikambanana hafa, toy ny tao amin'ny M.D.R.M., P.D.M., JINY,....

Nanangona: Ilaitangena

Raseta Joseph Delphin   Ravoahangy-Andrianavalona Joseph   Andriamiseza Lucien   Rakotondrabe Samuel  

RAKOTONDRABE Samuël:
MATY HO AN'NY TANINDRAZANA


(Nivoaka tao amin'ny Feon'ny Merina, lah. faha-183, 05 Desambra 1997)

Raha vao tononina ny anaran-dRakotondrabe Samuël, dia sahoan-dresaka maro no re. Ity lahatsoratra aseho eto ity , dia ny fianakavian'Itompokolahy no nanoratra azy ho fisantarana ireo hetsi-pahatsiarovana ny faha-49 taonan'ny nitifirana ity MERINA maherifon'i Madagasikara ity. Aoriana kely ao kosa dia hovahintsika eto io fianakaviana io.

Rakotondrabe Samuël - anisan'ny lehiben'ny fikambanana miafina JINY (JINA) - dia teraka tao Soavina Imerikanjaka ny faha-5 novambra 1901 ary maty notifirina teo Ankatso ny faha-19 jolay 1948 teo amin'ny faha-46 taonany, telo andro mialoha ny fitsarana ireo solombavambahoakan'i Madagasikara tao Andafiavaratra ny faha-22 jolay 1948.

LOHARANO MANGATSAKA

Zanaka lahitokan-dRainikotondrabeza, mpitandrina tao Imerikanjaka Masindray sy Razanakala Rakotondrabe Samuël. Rainikotondrabeza dia taranak'Andriankomalaza sy Ratalaotra, izay namorona ny vohitr'Ivoara, izany hoe Zazamarolahy sy Andriamasinavalona. Ny taranak'ireo andriana ireo no namorona koa ny tananan'i Fiadanana, Soavina sy Imerikanjaka izay mbola hitantsika ankehitriny (5km avy eo Ambohimanambola).

Ny taona 1922, dia nampakatra an-dRazanakolona ho vadiny Rakotondrabe Samuël. Razanakolona dia taranan-dRatsimisampy, mpanjakan'i Kaloy azy zana-drahalahin'Andrianampoinimerina, izany hoe Zazamarolahy. Na avy amin'ny rainy na avy amin'ny reniny, Rakotondrabe Samuël dia voataiza tamin'ny soatoavina ambony: ny hasin'ny Tanindrazana sy ny fanompoana ny Fanjakana.

MATSILO SAINA SADY AMBININA

Kilasimandry tao amin'ny misiona protestanta Ambatonakanga sahabo ho in'efatra mahamasa-bary avy eo Soavina, Imerikanjaka izy. Nanohy ny fianarany tao Ambohijatovo Avaratra ary nahazo ny "Certificat d'Aptitude à l'Enseignement" (C.A.E). Tsy afaka nanohy nihoatra io fari-pahaizana io moa ny Ambanilanitra ka najanony hatreo ny fianarana. Tsy naharitra teo amin'ny fampianarana anefa izy, fa nanao varo-mandeha ka vetivety foana, noho ny fahaizany sy ny herim-pony dia lasa mpandraharaha nikoizana.

Anisan'ny natsangany :
- ny "usine" 3 lehibe fanaovam-paraky anankiroa (2) tetsy Antanimena, Antananarivo sy tany Fianarantsoa natao hoe BATERAVOLA,
- fanamainana hoditra sy fanodinana izany ho kiraro sy poketra natao hoe TACOMA (tannerie, coordonnerie, maroquinerie),
- fitanteram-bokatra Antananarivo-Mahajanga sy Antananarivo-Toliara.
- fanondranana entana nankany ivelany....
izay nampiasa olona an-jatony.

Anisan'ny Ambanilanitra vitsy dia vitsy mpanefoefo Rakotondrabe Samuël talohan'ny taona 1945.

Na izany aza dia tsy nohadinoiny ny fitaizana kristiana azony: diakona sy mpampianatra sekoly Alahady tao amin'ny fiangonana protestanta Avaratr'Andohalo, lehiben'ny zanak'Ampielezana tany amin'ny tanindrazana samihafa niavainy ankadivoribe sy Imerikanjaka, mpanohana asa sosialy maro...

MATY HO AN'NY TANINDRAZANA

Rehefa vita ny Adilehibe faharoa, dia niorina tany Parisy ny M.D.R.M (faha-5 janoary 1946 ) ka Rakoto-Ratsimamanga, profesora no anisan'ny vy nahitana izany. Niorina taoriana kelin'izany ny M.D.R.M teto Madagasikara.

Ny herim-pony, ny fananany, ny hareny manontolo dia nentiny nanampiana ny M.D.R.M: fandehanan'ireo solombavam-bahoakan'i Madagasikara any ivelany mba tsy hitsanga-menatra an-tanin'olona; tsy lazaina koa ny lany tamin'ny fikarakarana ny teto an-tanindrazana (an'hetsiny maro).

Saingy vetivety foana dia nivaky roa ny M.D.R.M teo amin'ny fiheverana ny làlana mankany amin'ny fahaloevantena:
- tao ireo nirona tamin'ny fifampiresahana amin'ny frantsay (voie parlementaire),
- tao kosa ireo izay tsy nino intsony ny fahaozana ny fahaleovantena raha tsy alaina an-kery. "Hena an-tanan-tsaka ny fahaleovantena ka tsy maintsy rombahina" hoy ireto farany ireto.

Rakotondrabe Samuël dia anisan'ny nirona tamin'ny fampiasana hery amam-basy. Ny toe-draharaha niseho tamin'ny zanatany frantsay tamin'izany dia manamarina io fiheverana io: nanomboka ny adi-panafahana tany Al-Dzajair sy ny tany Indochina ny taona 1945 satria ny fitondram-panjakana frantsay dia niziriziry tsy hanome mihitsy ny Fahaleovantena ho an'ireo zanatany.

Niforona noho izany ny JINY ary lasa anisan'ny mpitarika io fikambanana miafina io Rakotondrabe Samuël ka tsy nitandro vola amin-karena hampiroborobo ny JINY (Jina). Ny "usine" Bateravola teo Antanimena no kitro nifaharan'ny Jiny teo amin'ny fandaminana ny tolona.

Raha niteny taminy ny vadiny hoe: "Milelaka ny faladihanao aho Rasamy, tsinjovy ny vady aman-janakao. Mbola madinika loatra re ireto ankizy e!"; dia hoy ny navaliny izany: "Ambony noho ny harena sy ny vady aman-janaka i Madagasikara!"

Efa vonona ny ho maritiora izany Rakotondrabe Samuël.

Nipoaka ny faha-29 martsa 1947 ary voasambotra Rakotondrabe Samuël: nolakamoina avy hatrany tamin'ny vody basy vantany vao azo; nendahina ny hoho...fampijaliana tsy hay hotantaraina eto avokoa.

Notanana an-tranomaizina izy sady mbola notohizina ny fampijaliana isan-karazany, kanefa nijoro hatrany ny lehilahy ary tonom-bavaka no fanaony isan-kalina tao amin'ny "Surété Générale" tetsy Ambohitsirohitra, hoy Atoa Ratsimandresy Joseph (notanana tao amin'ny "cellule" akaiky azy) toy ny hoe: "Andriamanitra ô, arovy i Madagasikara!"

Niaro hatramin'ny farany ireo solombavambahoan'i Madagasikara sy ny Tia Tanindrazana Rakotondrabe Samuël tany an-tranomaizina, ka nanelingelina ny fitondram-panjakana frantsay teo amin'ny fanapotehina ny M.D.R.M izany fitondran-tenany izany.

Noho andraikitra notanany tao amin'ny JINY (Jina) sy noho ny fijoroany hatramin'ny farany hiaro ny Tanindrazana dia nentina notsaraina teo anoloan'ny tribonaly miaramila izy ka voaheloka ho faty.

Notofirina ny faha-19 jolay 1948. Tsy nety notapenana ny masony ary ny teniny naloaky ny vavany farany, araka ny filazan'i VERNIER, frantsay mpitandrina dia ny hoe: "VIVE MADAGASCAR!"

R.S.R

Miverina any amin'ny takila fanolorana Ny eritreritrao...