Dia nofinidy i Madagasikara ho an'ny taona 1997. Fantatra anefa fa feno dimampolo taona amin'ity taona ity ny fikomiana lehibe fanoherana ny fanjanahan-tany farantsay, izay nanomboka ny 29 marisa 1947. Fantatra fa sarona ny tetika hanafika ny tobim-pitaovam-piadiana tetsy Soanierana ary notifirina tetsy Ankatso noho izany ny Lietinà Andriamaromanana Albert, izay tao anatin'ny tafika farantsay, satria namadika azy ireo. Dia naely eraka ny Nosy ny feo fa : "namadika hono ny Merina ary lasa niandany amin'ny farantsay! Izany hono no tsy nahatafita ny tetika hamoaka sy hanaparitaka ny fitaovam-piadiana avy etsy amin'ny toby miaramilan'i Soanierana".
Nanomboka niaraka tamin'izay koa ny fandripahana ireo zanak'Imerina niely patrana nanerana ny Nosy, indrindra tany amin'ny faritra atsinanana. Tonga ny Merina indray no fahavalo fa tsy ny Farantsay intsony! Ny Merina niparitaka nanerana ny Nosy anefa tamin'izany dia marobe. Tsy ireo mpila ravin'ahitra ihany, izay zary efa valo vontaka, fa ireo mpiasam-panjakana koa. Anisan'ireny ireo mpampianatra tamin'ny sekolim-panjakana ("école officielle") tany amin'ny tanàna kely isan-karazany. Marina fa nanome baiko ireo mpitondra Vazaha farantsay rehetra napetrany tany anindrana (1) ny Jeneraly Galliéni (2) ny 27 janoary 1897 nanao hoe : "il faut expulser [de ces régions] l'ancienne race dominatrice, les Hovas (3)" (izany hoe : roahy hiala amin'ny faritra misy anareo ireo karazan'olona (4) mpanjakazaka teo aloha, izay tsy iza fa ny merina). Kanefa tsy afa-nitana io tsangan-keviny io izy tato aoriana satria zary tsy nahita olona hampiasaina tamin'ny asam-panjakana nony nanilika ny Merina (5). Nony rafitra indray ny fandripahana merina, izay notondroin'ny Farantsay ho "ady an-trano", dia nambarany ombieny ombieny mba hanasoketana ny M.D.R.M. (mouvement démocratique pour la rénovation malgache) (6) sy hahazoana manameloka azy rahateo fa : "miadia daholo ry malagasy" no tena dikan'ny hoe MDRM. Tsy fomba vaovao io satria efa nampiasain-dry zareo tamin'ny V.V.S. (vy-vato-sakelika) izay nadikany hoe : "vonoy ny vazaha sisa" mba hanamelohana mivantana ireo mpikambana tao.
Raha dinihana ny zava-nitranga dia mampanontany tena hoe : "iza no nampanely ny tsaho?" Ary satria tsy ho voavaly avy hatrany io fanontaniana io dia handeha ho karohana hoe : "iza no nahita tombon-tsoa tamin'ilay nantsoina hoe ady an-trano?" Ny Merina va? Mazava ho azy fa tsia! Ny tanindrana ve? Raha mamakafaka lalina dia mbola tsia koa no valiny satria rehefa ringana ny merina tany an-toerana dia ry zareo no tsy nisy mpampianatra, tsy nisy mpivarotra entana ilaina amin'ny fiainana andavan'andro, tsy nisy mpividy ny vokatra teo am-peletanany, ... Na dia tsy voatery ho mamy hoditra lalandava aza ireny olona ireny tany! Noho izany tsy ilana mpimasy vao ho fantatra fa ny Vazaha farantsay mpanjanatany niampy ireo mpanaty ran-kena no nahazo tombon-tsoa tamin'izany satria ny fikomiana taminy dia nitolaka nankany amin'ny Merina , izay efa halany hatry ny ela rahateo. Tsy ny "ady an-trano" ihany anefa no nahafaty Merina tamin'izany fotoana izany fa teo indrindra ny famonoan'ny Farantsay ireo rehetra tratra na voatondro ho MDRM, na izy na tsy izy. Ny "vagao" (wagons) Moramanga no nalaza indrindra tamin'ireny. Araka ny fantatra dia nafatratra tao anaty vagao hazo ny olona nosamborina ka norarafana ny tifotra mandrapaharipany. Maro an'isa ny zanak'Imerina tamin'ireo ambanilanitra marobe novonoina tamin'izany. Tonga ankehitriny ny fotoana hampisehoana masoandro izay rehetra mbola nafenin'i Lafirantsa momba iny raharaha iny satria efa dimampolo taona lasa no nitrangany. Torak'izay natao mikasika ny ady lehibe faharoa. Nisy lehilahy Farantsay iray nilaza tamiko fa anisan'ireo tanora kômonisita nanao fihetsiketsehana tany Firantsa ho fanoherana ny habibiana nitranga taty Madagasikara izy tamin'ny fotoanandro. Nambarany fa zary mbola mangina sy tsy aharenesam-peo firy momba an'iny ny fitondrana farantsay mandraka ankehitriny. Nilaza tsotra izao izy fa fomba mamohehitra nilaozan'ny toetr'andro ("anachronique") no nampiharina tamin'ny ambanilanitra teto Madagasikara. Ny dikan'ny teniny dia hoe tsy mena-mitaha amin'ny fomba nokianina tamin'i Hitler sy ny "Nazi" ny nafitsoky ny farantsay teto amintsika.
Mila tohana mafy ankehitriny ny teny farantsay satria tandindomin'ny fihanaky ny teny angilisy eo amin'ny fifanakalozana sy ny fifampikasohana iraisam-pirenena. Aoka anefa hazava fa mandeha tsy voizina ny fisafidianana ny teny angilisy ho an'ny firenena maro eto ambonin'ny tany, fa tsy voatery ho zanatany angilisy fahiny na koa ho tambazam-bola. Ny an'ny farantsay anefa dia namoronana minisitera mihitsy ("ministère de la francophonie") (8) ary namoronana lalàna ihany koa vao haingana ("loi Toubon"). Na izany aza anefa dia miasa betsaka koa ny teny angilisy any Firantsa eny amin'ny Oniverisite sy amin'ny famoahana ny vokatry ny asam-pikarohana, indrindra amin'ny lafiny siansa. I Kanadà-Kebeka (Québec) moa, izay mpamatsy vola faharoa ao amin'ny "francophonie", dia tsy ambaka raha miaro tena mafy satria mila ho voatelin'ireo mpiteny angilisy marobe manodidina azy. Very inona amin'izany anefa moa isika raha mahazo laka ny teny angilisy! Tsy hafa ve ry zareo Afirika mainty izay nafangaro voraka tanaty fanjakana iray nefa tsy afaka mifankahazo fiteny akory (9), hany ka voatery nindrana ny tenin'ny mpanjanatany tsy fidiny mba hifandraisana ary zary nanary ny tenin-drazany mihitsy aza indraindray. Manohana an'i Mobutu sy Zaira (zanatany beliza fahiny) tsy misy fepetra i Lafirantsa na iza faly na iza tafintohina satria mpampiasa teny farantsay ireo, kanefa ny mpitondra vaovao ao Roandà mifanila aminy dia mpandala ny teny angilisy fa tsy mba toy ireo sakaizan'ny farantsay naongany. Sady tezitra no malahelo i Lafirantsa! Dia mbola malahelo izy fa norombahan'ny mpiteny angilisy indray ny anjara toeran'i Afirika ho sekiretera jeneralin'ny Firenena Mikambana. Tsy maintsy atao hono izay mety mba haha-mpiteny farantsay ny sekiretera jeneraly vaovao ho fidiana ao amin'ny Firaisamben'i Afirika. Manomboka misokatra amin'izao tontolo izao koa ny Tsinà (na Sinoa) ankehitriny ary teny angilisy no ampiasainy amin'izany. ampatsiahivina fa ampahadimin'ny mponina eran-tany izy ireo (arivo tapitrisa [1000.000000] mahery).
Miondrika amim-panajana eo anatrehan'ireo ambanilanitra (mponin'i Madagasikara) rehetra izay namoy ny ainy nohon'ny fitiavana an'i Madagasikara na oviana na oviana ary na avy aiza na avy aiza fiaviany.
(1) Ny teny hoe anindrana sy tanindrana dia avy amin'ny teny hoe indrana/indra, izay mbola miasa any Vakinankaratra amin'ny endrika hoe indrakeliny sy indrabeny entina milaza ny sakany sy ny lavany. Noho izany ny hoe tanindrana dia ireo mponina rehetra amin'ny faritra manemitra an'Imamo sy Imerina, na raha tsorina dia ireo rehetra ivelan'Imerina na izay rehetra tsy Merina, fa tsy hoe ny "côtiers" ([olona]tantsiraka, "orang pesisir" hoy ny melayu ary "wong pasisir" hoy ny jawa) araka ny hevitra alentiky ny Farantsay akory. (Miverina)
(2) Maty tamin'ny taona 1916 ary nakarina ho marosaly ny taona 1921. Nikoizana tamin'ny tsy refesi-mandidy sy ny fanimbazimbana ny masin'ireo Andriamanjaka merina. Tsy izy anefa akory ny biby tamin'ny 1947-48. (Miverina)
(3) Niniana tsy nantsoina tamin'ny anarany intsony ny Merina. Ny sokajy sy sata samihafa teto Imerina moa dia nambara fa foana tamin'ny 17 apirily 1897. (Miverina)
(4) Tsy ny teny hoe "tribu" (foko) toy ny fanaony mazàna no nampiasainy fa ny teny hoe "race" (karazan'olona) satria izany rahateo no tena marina. (Miverina)
(5) Ny "inspecteur de l'enseignement" farantsay iray izay nanoratra bokibe momba ny fanadihadiana nataony eran'i Madagasikara ho fanomanana ny fanjanahan-tany (!) nandritra ny taona 1881-82 dia nanoritra fa ny tahan'ny zaza niditra an-tsekoly ("taux de scolarisation") teto Imerina tamin'izany fotoana izany dia nifanahantsahana tamin'izay hita tany Eorôpa. Na dia miharihary ao anatin'ny bokiny aza ny fankahalany Merina. (Miverina)
(6) Tsy Merina avokoa ny mpikambana tao amin'ny MDRM izay nampifanoherin'ny Farantsay tamin'ny antoko PA.DES.M. , fanafohezana ny hoe "parti des deshérités de Madagascar" amin'ny teny farantsay. Somary hafa kely anefa io fanalavana ny hoe PADESM io rehefa nadikan-dry zareo satria manao hoe : "Firaisan'ny tanindrana sy ny mainty enin-dreny ary ny karazany [mba tsy hilazana hoe ny andevo novotsorana sy ireo taranany]". Ny fitsipika fototry ny antoko moa dia mamaritra fa ny "Hova fotsy" [asa angaha misy "hova mainty"] dia afaka miditra ho mpikambana mpanohana (!) saingy tsy mahazo mihoatra ny folo isan-jaton'ny mpikambana. Tsy ilana fanazavana lava intsony izany, fa dia izany no nisy! (Miverina)
(7) Ny pirôtesità anefa dia nivavaka hatrany tamin'ny tenindrazana. Ary noho izy ireo niara-dia tamin'ny misionary angilisy dia nanaovan'ny farantsay toeran-tsy zaka. Nisy fiangonana sasany izay nendahana tsotra izao ka natolotry ny farantsay mpanjanatany ny katôlika namany. Ho famonjena azy ireo no anisan'ny nahatongavan'ny pirôtesità farantsay tao amin'ny "mission évangélique de Paris" teto amintsika. (Miverina)
(8) Ny minisiteran'ny zanatany ("ministère des colonies") no nivaky taty aoriana ho minisiteran'ny tany mbola voazanaka mivantana ("ministère des DOM-TOM") sy minisiteran'ny fiaraha-miasa ("ministère de la coopération") ary minisiteran'ny "firankofanihy". (Miverina)
(9) Endri-pivoarana na endri-piovana fiteny "nusantara" (vakio hoe nosantarà) avokoa no hita eto Madagasikara, na dia nidirana voambolana hafa fiaviana aza (miankina amin'ny faritra sy ny karazan'olona), sady efa ela nifampikasohana mivantana na an-kolaka, hany ka afaka mifankahazo avokoa (fara faharatsiny amin'ny hevi-baventy) raha samy miezaka ny an-daniny sy an-kilany. (Miverina)
(10) Torak'izany dia nifanojo ihany koa tamin'ny fahazato taonan'ny faharavan'ny fanjakana merina ka nanombohan'ny fanjanahantany, taorian'ny fahombiazan'ny fanafihana notarihan'ny Jeneraly Duchesne ary nitifirany tafondro an'anaty Rova (fiafaran'ny taona 1895), ny nandoran'ireo mpankahala na nampandoran'izy ireo an'anaty Rova. (Miverina)
Miverina any amin'ny takila fanolorana
Ny eritreritrao...