ISIKA MERINA NO TENA TSY TIANY

(Lahatsoratra nivoaka tao amin'ny gazety FEON'NY MERINA, lah. faha-150, 4 aprily 1997)

Tsao-kevitra tamin'ny Famelabelarana nataon'i Marcel de Coppet ny volana Febroary 1947 ity lahatsoaratra tsy mila fanazavana fa miteny ho azy ity. ka mba hahazoanao azy tsara, dia soloy MERINA ny teny hoe HOVA.

TOE-DRAHARAHA POLITIKAN'I MADAGASIKARA

Mba hahafaha-manazava ny toe-draharaha politikan'i Madagasikara, dia heveriko fa tsara ny manao jeritodika maimaika ireo dingan'ny fanjanahantany frantsay hatramin'ny taona 1895 no mankaty.

Tsiahiviko mialoha, fa nantsoina hiaro ny tombontsoa, ny zo ary indrindra ny ain'ireo terataniny "nogejain'ny andriana Hova" i Frantsa. Niady ho fitandroana ain'olona i Frantsa. Ny asa natao voalohany tamin'izany dia ny fanonganana ny fanjakan'Andriana, ary nametra-pitoviana ho an'ireo karazana rehetra sy nanafoana ny fanandevozana. In-dray maka monja dia very avokoa ny tombontsoan'ny mpanjaka, ireo fianakaviany ary ny andriana Hova taty Anivontany. Nihevitra an'i Frantsa ho nanao habibiana izy ireo amin'izany ka mbola tsy niaiky ho resy. Ireo Tanindrana kosa dia nihevitra an'i Frantsa ho "mpanafaka". Araka izany, hatramin'ny taona 1896, dia nifanao andaniny roa mifanohitra ny mponina, ka andaniny ny Hova ary ankilany ny andevo sy ny Tanindrana. Ho an'ny Hova, ny fanjanahantany dia midika amin'izy ireo ho famerezan-jo - Ambaran'izy ireo aza ankehitriny ho fakana an-kerina izany. Ho an'ny Tanindrana kosa dia fanafahana.

Ny Hova dia malayo-polinesia, asiatika ny fiaimpiain'izy ireo, tia mitokatoka-monina, be tsiambaratelo. Tian'izy ireo mihitsy ny mikonon-java-miafina, miteti-pikomiana, manomana tetika maizina, sy mananga-pikambanana miafina. Ny fahakingan-tsainy,(...) dia samy nanohinany fankahalana antsika. Amin'ny endrika ivelany, dia tsy raharahain'izy ireo loatra ny fibodoan'ny vahiny ny taniny, kanefa, any ambadika ny kibay an-keliny ihany.

Araka izany, tamin'ny taona 1915, mbola tao anatin'ny fangotrangotraky ny ady 14 - 18 isika no nipoaka any fikomian'ny V.V.S.(Vy, Vato, Sakelika), fikomiana handripaka ny frantsay (tsy voamarina nanditra ny fotoa-pitsarana), na farafaharatsiny handroaka ny frantsay tsy ho eto amin'ny Nosy. Ny 18 febroary 1917, dia fiampangana hiditra am-ponja isan-karazany mahatratra 34 no navoaka, izay mba hisian'ny fitoniana sy mifanaraka amin'ny fahatsoram-pon'i Frantsa, dia nofafana na novotsorana ireny heloka ireny. Tsy tsapa anefa izany fahatsoram-po izany, satria, ireo navela na novotsoran-keloka ireo indray no mikonona tetika maizina ary ankehitriny, tsy misy avakavaka, ireo niantrana ireo no mpankahala frantsay indrindra. Na dia tsy haintsika aza ny naka lesona tamin'ny "raharaha V.V.S" - tsy nahatsapa izany rahateo ireo ny tompom-pahefana fahaizany - Ho an'ny Hova kosa, dia fahamalinana no lesona notsoahiny, satria, notohizany ny fanaony, saingy, nataony tao anatin'ny ankinafina tsy maharototra ny sain'ny manam-pahefana izay nanao ny tatitra fanaony tamin'ny hoe "mahafa-po ny toe-draharaha politika".

Rehefa tonga ny fampitsaharana ny ady, dia notrandrahan'ny Hova ny faharesena frantsay : azo resena ihany hay i Frantsa, ary mety hiaiky ho resy mihitsy aza; hay koa mety tsy ho ampy fitoavam-piadina sy olona afaka hiady izy. Koa inona moa no tokony hahatahorana azy. Andro vitsy monja, ny ampitson'io fifanekena hampitsaharana ny ady io, dia tapitra novinidin'ny Hova avokoa ny boky allemands rehetra. Amin'izao fotoana izao, dia mitodika any Allemagne ny fijerin'ny Hova. Tamin'ny taona 1943, ny ampitson'ny nidiran'ny tafika anglisy teto, no nitranga io toe-javatra io ary amin'izao fotoana izao dia mifantoka any Angleterre sy Afrika Atsimo izay nanampy ny tafika iraisana ny fijerin'ny Hova.

Rehefa napetraka teo am-pelan-tanan'i Frantsa mpomba an'i De Gaulle i Madagasikara, satria latsaka an-katerena ny toe-karena, mba hahafaha-mamaha ny olana sy hamporisihana ny famokarana dia nampitombona avy roa heny ny ny fe-potoana iasana. Nampitoboana ihany koa - na dia tsy ara-dalana aza - ny sazy ka noterena hanao fanompoana tsy ho an'ny fanjakana fa ho an'ny tsy miankina amin'ny fanjakana koa ny olona. Fahadisoana be vava izany. Tsy nitombo akory aza ny vokatra (aoka ho tsorina). Nalahelo an'i Vichy i Madagasikara.

Nanomboka hatreo no nikotrika mangina ny tsy fahafaliana, satria ireo natao ireo dia mifanohitra rahateo amin'ny soatoavina Repoblikana izay vao naverina sy nitarina ka nanamora ny fampielezan-kevitra momba ny fankahalana frantsay: fanafoanana ny indigenat, fanafoanana ny asa an-terivozona, ny fanovana fandaminana indray ny fitsarana izay nitsabaka tamin'ny fifidianana natao ny tamin'ny taona 1945. (...) Taorian'ny fifidianana natao ny taona 1945, nitombo fatratra ny fampielezankevitra mankahala frantsay izay nivelatra nefa tsy nosaziana: ireo gazety dia tsy nitsahatra nanalam-baraka sy nanozona ary tena voahoso-potaka tanteraka i Frantsa. Tsy nionona tamin'ny famitaham-bahoaka momba ny fitakiana ny fahaleovantena ny antoko mpisitaka, nohamafisiny fa tena misy io fahaleovantena io ary efa azo, ka notaomina ireo vahoaka ireo tsy handoa hetra, tsy hanao ny manam-pahefana ary hanozongozona ny fahefana frantsay mihitsy aza.

Talohan'ny fifidianana hatao ny Jona 1946 no tampony tamin'izany toe-javatra izany, rehefa notsenain'ny vahoaka nampiranty faneva sy sora-baventy, ohatra:"à bas la loi d'annexion". Ravoahangy sy Raseta, solombavambahoaka niverina avy any Frantsa. Tsy nisy fisamborana tamin'izany, tsy nisy koa fandraisana fepetra. Teo imason'ny fanjakana tsy afa-nanoatra no nizoran'izany rehetra izany. (...) Nibaby tanana ary toy ny mpitazana ireo polisy "malagasy" ary nijery fotsiny ireo lehibeny. Mba hampitsaharana ireo hetsika rehetra ireo, dia nampihariko ara-bakiteny ny lalana: natao ny fisamborana, nohelohina ireo diso ary nahantona ny gazety. Namboariko manontolo ny polisy, ka nosoloiko komoriana, senegaly ary bara ireo polisy Hova.(...)

Heveriko ho adidy ny mamaky aminareo ny antsoin'ny M.D.R.M ho Hiram-pirenena "malagasy", hira faneva hiraina eo am-panombohany sy famaranana ny fivoriana miafina ataon'io antoko io:

Madagasikara Tanindrazanay
Tany sarobidy masina tokoa
Lovasoa nomen'ny razanay taloha
Maty ho anao no tena lazanay
Mitsangana ry Tanora
Mitsangana fa aza manana ahiahy
Izao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy

Tsy hitako loatra izay anakianana io hira faneva io ary hajaiko aza ny aingam-panahy feno fitiavan-tanindrazana nananan'ny mpamorona azy, saingy, mampalahelo ahy kosa ny endriny izay tena feno fihantsiana tokoa :

"mitsangana ry Tanora! Mitsangana fa aza manana ahiahy!"

(Dikanteny malalaka nataon'ILaitangena)

  Sehatr'Imerina Ny eritreritrao...