2 - Ny gazety Vaovao Frantsay-Malagasy, dia gazetin'ny fitondram- panjakana frantsay manaraka ny Journal officiel.
3 - Santionany ihany ireto avoka ireto, ka ialan-tsiny mialoha.
Santionany tamin'ireo taratasy nalefa ho an'ny manampahefana frantsay teto an-toerana ireto telegrama ireto:
"Malahelo tokoa ny assemblée provinciale eto Toamasina nandre ny
zavatra mampalahelo nitranga tao Moramanga, koa angatahina ho faizina
mafy ireo meloka na iza na iza. Mitsapa alahelo ny fianakavian'ireo
maty izahay ary mangataka mba hampahafantarina anay ny vokatry ny
famotorana natao hahitana ny nitrangan'izao tabataba izao sy ireo
meloka tamin'izany".
V.F.M. laharana faha- 2616 tamin'ny faha-11 Aprily
1947, tak.1
(T.F.: Ireto avy ireo mpikambana tao amin'io assemblée provinciale
-n'i Toamasina io: Gentet, mme Mathieu, Zakatiana, Guilbert, Bezaka
Alexis, Guinet, Guenot, Zelmar,...)
"amin'izao fotoana ivorianay izao dia nahasosotra anay tokoa ny nandre
indray ny tabataba teto amin'ny nosy nataon'ireo mpanakorontana vitsivitsy.
Koa mangataka anao amim-panajana izahay hanao izay azo atao hitanana
ny filaminana sy hanasazy ireo meloka rehetra. Matoky anao ny vahoaka
soloanay amin'izany. Manantena ny fitsaranao izahay ary miangavy anao
handray ny fanajanay".
Sonia: ZAFIMAHOVA Joseph, GAGO Emmanuel, ANDRIAMANANTSIKA Jules, RAMANJATO,
RAONDRY Robert, MARSON Robert, LEVAO, MARO Marcellin.
(T.F: nohamafisin'izy ireo izany tokom-panompoana izany araka
ity telegrama nalefany ho an'ny Haut-commissaire nandritra ny fivoriana
nataony ny faha-2 aprily 1947:"Hamafisinay mambra teratany ato amin'ny conseil provincial indray
amin'ny Gouverneur General ny firaiketanay amin'i Frantsa, fa na manao
ahoana na manao ahoana dia matokia hianao fa hanaraka ny saina telo
soratra hatrany izahay"
V.F.M laharana faha-2616; tak. faha-250)
"izahay Malagasy avy amin'ny foko samihafa mponina eto amin'ny
district-n'Ambatondrazaka dia tsy mba tia mihitsy izao setrasetra
nataon'ny olona sasany tao Moramanga izay nambosian'ny hafa. Izany
zavatra izany dia miasa manela ny fizoran'ny Malagasy amin'nylalan'
ny fandrosoana tarihin'i Frantsa izay ankatoavinay sy tianay tokoa.
Angatahanay ny hisian'ny filaminana mba hahazoanay miasa amim-
piadanana eto an-tanana"
Sonia: R. RASON, RAKOTOSIHANAKA, RAZAFINDRAKOTO, RASOARAHONA, RAKOTONDRASOA,
RANDRIAKOTO, etc.
V.F.M lah.-2616 tamin'ny faha-11 Aprily 1947, tak.250.
Mbola naverin'ireo Saints-Mariens indray ny filazana nataony tamin'ny
5 Mai 1945 ka izao no namaranany azy:
"mihevitra anay ho tena Frantsay izahay ka dia miara-misaona amin'ireo
Frantsay marobe namana sy mampionona azy amin'izany fahoriana izany
izay iarahanay mitondra amin'izy ireo. Matoky ny fitsarana frantsay
izahay fa ho faiziny mafy araka ny fiamboniany ireo meloka"
sonia: Tsimiante, Massidi, Zoullai, Betkou, Deda Pierre Adolophe,
Tsiroandahy Ballot mirahalahy, Michel mirahalahy, Kito Boutoumiha
mrahalahy, Boutoudi, Mahazoumoura, Masseler, Boutorisaka, ets.
V.F.M.
lah.2618, tak.292.
"Noho izao vonoan'olona mahatsiravina hita eran'i Madagasikara izao
dia mitsangana izahay PADESM mba hilaza fa matoky sy tsy hisaraka
amin'i Frantsa na oviana na oviana. Manantena izahay fa hisy fahamarinana
ka ho faizina araka ny lalana ireo mpanabataba ny Malagasy tia asa
mandritry ny telo-polo taona. Mino izahay fa tsy hanimba ny asa
fampandrosoana sy fampianarana ataon'i Frantsa eto izao zavatra tsy
ankasitrahan'ny ankapoben'ny vahoaka Malagasy izao. Manantena izahay
fa hitohy ny fanamboarana nataon'ny fanjakana momba ny politika ary ny
toekarena ary ho tanteraka izay efa nokasaina hatao, hatao amin'ny
fifampitokisana marina izay vao nohamafisin'ny zava-nitranga ankehitriny."
V.F.M. lahar.faha-2619 tamin'ny faha-2 May 1947; tak.faha-300.
Avy amin'ny mpiasam-panjakana PADESM:
"noho izao toe-javatra ankehitriny sy vonoan'olona mahatsiravina
nataon'ny mpitondra ny M.D.R.M eran'i Madagasikara manontolo izao
ary ny fitiavana handatsaka ny ra frantsay sy ny an'ireo mitovy razana
aminy koa aza dia indreto izahay P.A.D.E.S.M mpiasam-panjakana eto
amin'ity district ity ary avy amin'ny sampan- draharaha isan-karazany,
mandefa amim-panajana ny teninay amin'ny Haut Commissaire, fa hanao
izay azonay hatao izahay ary hiraikitra mandrakizay amin'i Frantsa.
Mahazo manantena koa hianao fa raha ilain'i Frantsa ny hahafoizanay
tanteraka ny ainay ho enti-miaro azy, dia atolotray ny ranay. Ho ela
velona anie i Frantsa! Ho ela velona anie i Madagasikara!"
V.F.M lah.2618, tak. 292.
Toy izao no fitenenana nataon'ny lehiben'ny foko sy kibory aminareo
rehefa nivory tao Vangaindrano, Ranomena sy Manambondro izy ireo,
ary izany filazana izany dia nosoniaviny teo anatrehan'ny lehiben'ny
District-n'i Vangaindrano:
"Izahay lehiben'ny foko sy lehiben'ny kibory izay misy 150 eo no isanay,
avy amin'ny foko Rabehava, Zafimanonga, Zafimahavaly, dia milaza ampahibemaso fa tsy misaraka amin'ny Fanjankana Frantsay na toy inona na toy inona fihetsiky ny fikomiana ataon'ireo foko hafa.
Koa mangataka anareo zanakay izay miasa ivelan'ny tanindrazantsika
izahay, dia ireo any amin'ny seranan'i Toamasina, amin'ny lalamby
T.C.E, any Antalaha, any Diego Suarez, any Mojanga, any Namakia,
any Nossi-be, any Belo, Maintirano, etsetra etsetra, mba tsy hanaiky
ny torohevi-dratsy mety ho tonga aminareo. Mampandre anareo zakay ireo
izahay fa izay tsy mankato ny baiko omenay azy dia tsy ho anisan'ny
kibory intsony."
Sonia: Philippe Todiky, Robert Tsimezy, Kazasalahy Andre, ho an'ny
foko Rabehava. Miboity, Totofotsy, Mony, Mena, ho an'ny foko Zafimanga
sy Zafimahavaly. Ny sefo Befiseza, Andrefolo, Maka, Beza, Andriamira,
Latasy ao Mangarano, ho an'ny foko Manambondro. Ary Maza Elie ao Maromena,
Tomidy ao Zarafanihila ho an'ny avy ao Ranomena.
V.F.M lah. faha-2620 tamin'ny faha-9 Mey 1947 tak.314.
"Nampalahelo anay tokoa ity loza nitranga teto Madagasikara. Miray
amin'i Frantsa izahay amin'izao. Araraotinay izao hanavaozana indray
aminao ny fitiavanay ny reny tanindrazana".
Sonia: ny printsy Saidy Ahamed Zaki, offficier de la Legion d'honneur.
V.F.M lah-2617, tak. faha-267.
Notsongaina tao amin'ny lahateny nataon'ny Haut Commissaire tany
Antsirabe ny faha-19 Aprily 1947: "(...) Ohatra momba ny any Farafangana
dia azo inoana fa ireo Zafisoro sy ireo Antaifasy dia nanararaotra izao
fikomiana izao mba hikatroka indray araka ny efa fanaony."
Gazety Frantsay-Malagasy, laharana faha-2618 tamin'ny faha-25 Aprily 1947,
tak.284.
Ny sahona aza mampidi-dranon-ketsa rehefa mety ny atao, ka ireto, notsongaina tao anatin'ny maro, ary tsy vahiny loatra amin'ny sofina, no nahazo valisoa avy amin'ny Frantsa taorian'ny faha- 29 Martsa 1947 noho ny ANTONY MANOKANA:
(V.F.M lahar.2624 tamin'ny faha-6 Jona 1947, tak.faha-385)
Tamin'ny 20 Mai 1947,
M.RAKOTOVAO-RAVAHATRA Victor, mâle, inspecteur anthropomètre principal
hors classe, ao Mojanga, dia asondrotra ho inspecteur anthropomètre-chef noho ny antony manokana.
Tamin'ny 22 Mai 1947,
M. RALAIDOVY, inspecteur kilasy voalohany, ao Moramanga, province-n'i
Toamasina, dia asondrotra ho inspecteur principal kilasy faha-4, noho
ny antony manokana.
M.RALAIDOVY, inspecteur principal kilasy faha-4,(...) eto Antananarivo amin'izao fotoana izao, dia atao inspecteur pricipal kilasy faha-3, noho ny antony manokana (V.F.M. lah.2639 tamin'ny faha-19 Septambra 1947 tak.678).
M. ZAFIMAHOVA Norbert, ecrivain interprete principal kilasy faha- 4 ao amin'ny province-n'i Fianarantsoa, dia atao gouverneur kilasy faha-4 noho ny antony manokana. (V.F.M lahar.2633 tamin'ny faha-8 Aogositra 1947, tak.529).
ARAKA NY DIDY (decision) tamin'ny 23 Juillet 1947, dia asondrondratra na omem-boninahitra, noho ny antony manokana:(V.F.M. lah.2633 tamin'ny faha-8 Aogositra 1947, tak.531)
Atao 16 VONINAHITRA
M. RAVELOSON-MAHASAMPO, gouverneur kilasy faha-4, Tulear
ARAKA NY DIDY tamin'ny 29 Juillet 1947, dia omena "Ordre du Mérite indigène, noho ny antony manokana: (V.F.M. lah.2634 tamin'ny 15 Aogositra 1947, tak.545 sy tak.546)
Omena ny CROIX de 2 CLASSE
M. RAHATOKA Salomon, écrivain interprète kilasy faha-5, Nosy Varika
(zahao koa lah.2641, tamin'ny 3 Oktobra 1947, tak.679 izay mirakitra
izao teny izao): "tsy nitsahatra nanome ny manampahefana ao an-toerana,
hatramin'ny niandohan'ny tabataba, ny filazalazana farany izay saro-bidy
indindra izay nahazoana nanao ny fisamborana ny maro tamin'ireo lehiben'ny
mpikomy ary ny mpitarika ny M.D.R.M. Nanatanteraka, ny alin'ny 11
mifoha 12 mai, ny fiambenana ny service general tao amin'ny biraon'ny
district nandritry ny fotoana namelezan'ny mpikomy ny tananan'i Nosy-
Varika"
ARY HAKARIN-DAHARANA KILASY FAHA-3 (V.F.M. lah.2650 tamin'ny 5 desambra
1947, tak.820)
M.RAHATOKA Salomon, ecrivain-interprete kilasy faha-5. Atao 10 Voninahitra
RAKOTOMISA, sous-gouverneur kilasy faha-6, Ambositra (V.F.M. lah.2647
tamin'ny 14 Novambra 1947, tak.774)
Atao 6 VONINAHITRA
M.ZAFERA Theodore, sous gouverneur, kilasy faha-6, Mananjary.
DIDY 13 Aogositra 1947 (V.F.M. lah.2636, 29 Aogositra 1947, tak.575) M.RANAIVO Jonah, chef comptable, kilasy faha-4, eto Antananarivo, dia atao chef comptable kilasy faha-2, noho ny antony manokana.
MEDECIN PRINCIPAL KILASY FAHA-2 M. RAVONY Jules, medecin principal kilasy faha-3, ao Vohipeno, province-n'i Fianarantsoa.
HO SOUS-GOUVERNEUR KILASY FAHA-6 (V.F.M, 12/12/47, tak.838) M..STEPHEN, delegue cantonal, Mangabe province-n'i Toamasina
HO PROFESSEUR ASSISTANT PRINCIPAL KILASY VOALOHANY (V.F.M; 12/12/47, tak.838) M.RALIJAONA Laingo, professeur assistant principal kilasy faha-2, Toamasina.
TAFIDITRA HO CADRES LOCAUX (V.F.M. lah.2636 tamin'ny faha-29 Aogositra 1947,
tak.578)notsongaina (...)
- ireo olona manana ny baccalaureat fizarana voalohany (...)
RAMANGASOAVINA Alfred, sous-gouverneur kilasy faha-6 (...)
MPANAO RAHARAHAM-PANJAKANA AMIN' NY CADRES SPECIAUX SUPERIEURS
- Assistance medicale indigene(...)
SYLLA atao hoe Albert Vador, medecin kilasy voalohany, Sainte-Marie.
Enseignement
RASTEFANO Emile, pr assistant principal kilasy faha-2
RALIJAONA Laingo, pr. assistant principal kilasy faha-2
RAPHAEL Jacob, pr assistant principal kilasy faha-3
TSIRANANA Philibert, pr assistant kilasy voalohany
- Surete generale
(...) RALAIDOVY, mâle, inspecteur principal, kilasy faha-4.
Araka ny nambaran'ny gazety Vaovao Frantsay-Malagasy lah.2632 nivoaka tamin'ny faha-1 Aogositra 1947, tak.516, dia
* lieutenant RANDRIAMAROMANANA: VOAHELOKA HO FATY;
* JOEL SYLVAIN: VOAHELOKA HO FATY;
* RANDEVO Pierre: 15 taona hiasa an-terivozona; aetry voninahitra
amin'ny maha-miaramila azy, ary tsy hahazo mandia faritany 20 taona;
* RAKOTONDRAIBE: 10 taona asa an-terivozona, aetry voninahitra
amin'ny maha-miaramila azy ary tsy hahazo mandia faritany 15 toana;
* RAZAFINANTOANINA: 5 taona asa an-terivozona, aetry voninahitra
ary amin'ny maha-miaramila azy, 10 taona tsy hahazo mandia faritany;
* RAMALAZA: 5 taona asa an-terivozona;
* RASAMOELINA: 5 taona asa an-terivozona, 10 taona tsy hahazo mandia
faritany ary aetry voninahitra amin'ny maha-miaramila azy;
* Lieutenant RAKOTO Phillipe: NOHAFAHANA MADIODIO
Toy izao kosa no Didim-pitsarana ny faha-29 Jolay araka ny nitanteran'ny
gazety Vaovao Frantsay-Malagasy azy ny 15 Aogositra 1947:
Nosaziana enim-bolana an-tranomaizina (sazy mihantona) Atoa isany
RAMAHAZOMANANA Arsene, sy RASAMOELY Lala, dokotera, tale sy tompon'
andraikitry ny Gazety FAHALEOVANTENA, noho izy ireo naomaka lahatsoratra
mety hitarika ny saim-bahoaka hankahala ny governemanta frantsay.
Vaovao Frantsay-Malagasy, lah.2618 nivoaka tamin'ny faha-25 Aprily
1947, tak.292:
"efa tonga eto Madagasikara ny fanampiana voalohany avy any Frantsa.
Ireto avy izany:
- Andian'aeroplanina mpiady: 23.
- Antoko-na miaramila mpidina amin'ny elobe sy mpitondra aotomobilina
mifono vy;
- Kompanian-tsenegaly iray;
- Fiadiana sy vanja betsaka.
- Eo ambonin'ny ireo misy "aviso" (sambo mpiady) manana tafondro 8
samihafa sy mitrailleuse ho avy hisosa eny amin'ny ranomasin'i
Madagasikara ao anatin'ny 4 na 5 andro".
Izao kosa no voalaza tao amin'ny V.F.M lah.2631, nivoaka ny faha- 25 Jolay 1947, tak.faha-491: "(..)efa nolazaiko (T.F.:Haut Commissaire) teo ny fanampiana avy any andafy: bataillons maro, tafika sy fiarakodia, fitaovana sy fiadiana tsy hita noanoa, fiaramanidina izay efa miasa eran'ny toeram-piadiana samihafa, ary sambo mpiady Dugay-Trouin, ny Laperouse, ny Tunisien, dia efa manezaka eran'ny morontsiraka. Mbola be dia be koa ny tafika ho tonga. Ny sambo Pasteur sy ny Champollion dia mitondra miaramila 4.300 sy fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohona. Atsy ho atsy dia mbola be dia be koa ny tafika ho tonga.(...)"
Nanangona : Ilaitangena.
Teraka tamin'ny taona 1901 taty Imerina. Nanambady ary niteraka 6. Tompon'orinasa fanaovam-paraky Bateravola tao Antanimena Antananarivo sy tany Fianarantsoa. Isan'ireo mpikambana voalohany tao amin'ny M.D.R.M nefa dia nametra-pialana tsy ho mpikambana tamin'io antoko io volana vitsy taty aoriana.
Araka ny fanambarana samihafa, dia voalaza ho ati-doha nikotrika ny raharaha 29 Martsa 1947. Nosamborina tany Tsiafindramaso ny faha-16 Mai 1947 ary notsarain'ny fitsarana miaramila (?) tany Fianarantsoa, ka voaheloka ho faty. Notifirina ho faty tamin'ny faha-19 Jolay 1948.
Rivo Rakotozafy
Anisan'ny resaka nanaka-bovonana nandritra ity Repoblika fahatelo ity ny resaka "cause cotière", rehefa vaky barara momba izany "cause" izany ny solombavambahoaka anankiray nivahiny tao amin'ny fahitalavi-panjakana taona vitsivitsy lasa izay.
"Tamin'ny 18 sy 19 janvier teo no nanaovana ilay kermesy lehibe nokarakarain'ireo Betsimisaraka ao Vatomandry ho fanampiana ireo traboina rehetra ao amin'ny district. Fatratra tokoa ny fahombiazan'izany lanonana izany. Vahoaka sesehena no hita nanemitra ny toerana rehetra nisy ny kilalao ary tehaka tsy nifandrenesana no re avy tamin'ireo nanatrika ireo. Nisy koa dihy betsimisaraka nataon'ireo mponin'ireo tanana isan-tokony ao amin'ny faritr'i Vatomandry. Nisy loholona vitsivitsy avy tany Maroantsetra, Mananara sy Toamasina ary Mahanoro, ets... tonga nanome voninahitra izany fety tantsiraka izany.
Nampiharihary ny firaisan-kinan'ny Tanindrana sy ny firaiketan'ny Betsimisaraka amin'i Frantsa izany fety niarahan'ny vahoaka nisalahy izany (...)"
Ny V.F.M. lah.2667, nivoaka ny 02 aprily 1948, indray dia nanome ny "Akon'i Vangaindrano". Toy izao izany :
"Tamin'ny fety lehibe nampanaovin'ny foko Zafimahavaly tamin'ny 20 mars teo dia nandefa izao telegrama izao ny olona telolahy filohan'ny Antaisaka : "Mba handraisana ny fitsidihana ofisialy nataon'ny lehiben'ny district, dia nofidian'ny foko Zafimahavaly ny daty mifanakaiky indrindra tamin'ilay zava-nitranga nampalahelo tamin'ny 29 mars mba hamerenany indray ny tokim-piraiketany amin'i Frantsa (...) Ireo filohan'ny Zafimahavaly, filohan'ny Zafimanga ary ny filohan'ny Rabehavana izay miray toy ny mpirahalahy mitarika ny fokony avy eo anoloan'ny lehiben'ny distrika, ny lehiben'ny kibory sy ny loholona, ny miaramila taloha ary ny foko Antaisaka tsy vaky volo dia milaza ampahibemaso indray ny firaiketam-pony amin'ny fandriampahalemana frantsay, izay antoky ny fandrosoan'ny aty atsimon'ny Nosy sy ny vahoaka tantsiraka rehetra (...)"
Ireo no zava-nisy taoriana kelin'ilay "raharaha" ka nampandroso sy nampandry fehizay azy tokoa dimampolo taona aty aoriana, rehefa natolotra ny mpandova frantsay ny fitondrana?
Toy izao no fisehon'ny fanavakavaham-pirazanana tao amin'ny Firaisan'ny Tanindrana sy ny Mainty enin-dreny ary ny Karazany rehetra eto Madagasikara (FTMK na PADESM), araka ny dinam-piorenany (statuts) :
Article 7: