Rehefa tena alalinina tokoa ny lasa, ka avadibadika ny raki-tsamihafa mitahiry azy, dia sarotra ny hilaza hoe nivoatra ny toe-draharaha politikan'i Madagasikara, fa indro atsikafon'ny tara-pandrosoana iraisam-pirenena eny hatrany. Mitranga mihemotra eo ny aloky ny lasa ary atamberiny mandrakariva ireo «volo hala sy lolom-po» nifandovan'ny PADESM sy ny taranany mandraka ankehitriny.
Nalaza tao anatin'izao Repoblika faha-III madiva izao ny «cause cotiere». Nankalilo ny sofintsika koa ny «quota regional» sy ny «mivangongo ao Antananarivo ao» ary ny «equilibre ethnique». Ireo zoky ray aman-dreny, kosa, dia mbola mahatadidy ny fiampangana samy hafa natao azy ireo: Fahaleovantena = Famerenana ny Fanjakan'Andriana MERINA sy ny fanandevozana.
Samy hafa fidona any an-tsofina ireo, kanefa, lasitra iray sy mifampitohy ary izao iaraha-miaina izao ny vokany.
Vokatr'izany fahatsapana izany, dia nosokajian'izy ireo HO ROA niavaka tsara ny vahoakan'i Madagasikara manontolo.
Hoy ary i ZAFIMAHOVA Antoine sy E. RAMANANKAVANA tao amin'ny gazety Voromahery, laharana faha-7 nivoaka tamin'ny faha-17 Septambra 1946, araka ny lahatsoratra/antso nampitondrain'izy ireo ny lohateny hoe: A TOUS LES COTIERS! (dika malalaka):
«Tsy azo kianina fa voasokajy roa ny mponina eto amin'ity Nosy ity: Voalohany, ny Anivontany (hauts-plateaux). Faharoa, ny fitambaran'ny mponina mitoetra any Anindrana. Tsy mitovy fari-piainana ireo. Avy amin'izany, na inona na inona lazaina, dia tsy mitovy ny filan'ireo sokajy roa ireo, tahaka ny tsy mampitovy koa ny hetaheta misy eo aminy avy. Ireo solombavambahoaka roa (T.F: Atoa isany Raseta sy Ravoahangy) hatramin'izao, dia an'ilay sokajy voalohany, izany anefa, dia efa manelingelina ny fahafahan'ny sokajy faharoa miteny sy mitondra ny teniny ary ny faniriany sy ny zavatra iainany».
Iza indray no tsy mahafantatra, fa hatramin'ny taona 1897, no tsy nisy Merina intsony teo amin'ny fitondrana ny Tany sy ny Fanjakana teto Madagasikara?
Nankalaza fatratra ny frantsay ho mpanafaka azy ireo ny olon'ny PADESM izay nanandratra ny vaninandron'ny faha-6 Aogositra 1946 (tsingerin-taona faha-50 ny Fanjanahanatany) ho andron'ny Fahafahany, araka izao anambaran'ny gazety Voromahery, laharana faha-2, nivoaka tamin'ny faha-13 Aogositra 1946 azy izao:
«Malaza, hoy izahay, satria:
nanongana ny fiandrian'ny Andriana nanjaka.
Malaza fa: nanapaka tarangana ny fanandevozana ireo olona tsy nanana, na resy an'ady tamin'ny fiarovana ny zony sy ny voninahiny (...) Nalaza fa nampitovy ny Andriana tamin'izay noheveriny fa andevo...(...)
Loza, loza ho an'izay sahy manova ny marina ho lainga, na ireo sahy misalotra lamba mainty hitomaniana ny fahasambaram-bahoaka, nentin'ny taona 1896»
Mahagaga anefa, fa tsy afa-po tamin'ny fitiavan'ny Vazaha azy ireo manokana ry PADESM isany, fa ny MERINA hatrany no nohenjehiny sy nampangainy ho nahazo tombony. Raha izany no marina dia izy ireo no tokony ho nitaky ny fahaleovantena, kanefa, hoy indrindra i TSIMALE, ao amin'ny lahatsoratra nampitondrainy ny lohateny hoe: «Fahaleovantena», gazety Voromahery, laharana faha-10, nivoaka tamin'ny faha-8 Oktobra 1946:
«Malagasy daholo, hono, no hitondra ny tany! Marin-doatra izany rehefa azon'ny Malagasy ny fahaleovantena ka manana ny olona ampy hanao izany izy. Nefa dieny izao dia efa mahatsinjo izahay fa io koa dia zava-poana, ary natao ho an'ny olona nahita fianarana ihany (tsy misy 10.000 akory amin'ny 4.000.000). Koa tsy ho azonareo lavina fa FANJAKANA HOVA (T.F.: MERINA) no ho vokatry ny fahaleovantena, raha tsy mikely aina hianatra sy hiforona, hanara-dia anareo ny Tanindrana sy ny mainty?»
Miharihary amin'izany ny fankahalana, saingy, izay mahavariana, raha nihevin-tena ho «sambatra» noho ny fanafahana azy tamin'ny alalan'ny nanafoanana ny «fanandevozana» ny olon'ny PADESM, taorian'ny vaninandron'ny faha-6 Aogositra 1896, 50 taona aty aoriana, mbola mahatsiaro ho tratra aoriana sy tsy vonona handray ny fahaleovantena izy ireo, ary ireo karazana nohenjehiny indray aza no tombanany ho nahazo tombony tamin'ny Fanjanahantany nanafaka azy ireo. Ka moa tsy mifanohitra ve izany, sa misy zavatra hafa kasain'izy ireo hatao?
Ny tenin-dRAVELOSON Mahasampo avy any Toliara no milaza zavatra betsaka momba izany, araka ity lahatsoratra tao anatin'ny gazety Voromahery laharana faha-10 tamin'ny 8 Oktobra 1946 nitondra ny lohateny hoe: «Le point de vue des Côtiers» ity (dika malalaka):
«Tianay ho tsapanao araka ireo zava-misy (ronono an-tavy momba ny fifidianana ataon'ireo solombavambahoaka Hova sy ireo mpomba azy manerana ny Nosy), satria, izahay, mponina aty Anindrana, dia tsy isan'ireo mitaky ny fahaleovantenan'i Madagasikara. Fantatray tsara, fa tsy nivoatra izahay raha mitaha amin'ny Hova (T.F.: MERINA) izay mitaky ny fahaleovantenany, satria, tsy noraharahain'ny frantsay mihitsy izahay hatramin'ny nahatongavany teto Madagasikara, efa ho 50 taona izao, na teo amin'ny fampianarana na tamin'ny zavatra hafa hitakiana ny fahaleovantena izao dia izao.
Ankilany, ny Hova, raha mitaky izao fahafelovantena izao, dia mihevitra ny hamerina anay indray ho andevo na hampilefitra anay eo ambany fahefan'ny Hery vahiny (puissance etrangère), satria, mora takarina, fa ireo mitaky Fahaleovantena ireo, dia tsy hahazaka na oviana na oviana ny hitondra sy hitantanana ity tany ity (...)
Raha fintinina, tsy azo heverina mihitsy ao anatin'ny fotoana maharitra ny hanome valiny izao fitiakiam-pahaleovantena izao, izay mety hamotika mandrakizay ny asa fanarenana notontosain'i Frantsa(...)»
Vokatr'izany, dia nilofo mafy dia mafy ny hamongorana ny M.D.R.M izay noheverin'izy ireo ho hany antoko nivondronan'ny MERINA irery ry zareo tao amin'ny PADESM. Nilaza ny gazety Voromahery laharana faha-37,nivoaka tamin'ny faha-15 Aprily 1947 fa : «raha tsy levona tanteraka io fikambanana io, dia ho kila hotohoto i Madagasikara». Ary vaky vava mihitsy aza ingahy Pascal VELONJARA, araka ny lahatsoratra navaoka tao amin'ny gazety Voromahery, laharana faha-40 tamin'ny faha-6 Mey 1947, nampitondrainy ny lohateny hoe: «L'entente franco-malgache» (dika malalaka) : «Ilaina maika tokoa ny hanafoanana eto amin'ity tany ity ny M.D.R.M, tahaka ny nanafoanana ihany koa ny nazisma eran-tany, ahafahan'ny fifampitokiana sy ny fanamafisana orina ny fihavanana Frantsay sy Malgache».
Raha fintinina amin'ny teny in-draim-bava, hoe : nitoky tanteraka tamin'ny fitiavan'ny Frantsay azy manokana sy nifikitra tamin'io tany nanafaka azy tamin'ny fanandevozan'ny Hova azy io ry PADESM isany, kanefa, na dia efa maherin'ny 50 taona (tamin'ny taona 1947) aza no naha-teto an'i Frantsa, mbola tsy afa-nivoatra ihany ry zareo, fa mbola ireo «fahalavony anatiny» indray no nahazo tombony, izay mbola nadikan'izy ireo ho hafetsen-dratsy izany.
Iaraha-mahalala ny tohin'ny Tantara, fa ry zareo PADESM tao amin'ny UNION COTIERE no nibata ny fandresena sy lasa tompon-daka teto Madagasikara rehefa tsy maintsy «mody» nisataka ny Vazaha. Niala maina tahaka ny takotra kosa ireo mainty enin-dreny, ka lasa deshérités tanteraka. Ny tolon'ny Merina kosa anefa, mitohy hatrany;
Izay mbola iainantsika ankehitriny, tahaka izay niainan'ireo zoky sy ray aman-drenintsika 50 taona lasa izay, dia mbola mahatsiaro tena ho tratra aoriana ihany ireo olona ireo, kanefa ange, ka azy 80 % ny fitondrana teto araka ny fanambarana nataon'i Fenomila Maximin naman-dRabetsitonta T. taona vitsy lasa izay.
Hatrany hatrany mantsy, dia nambara foana fa mivangongo eto Antananarivo avokoa ny Fahefana sy ny vola. Nanara-dia izany koa ny tsara sy ny fandrosoana rehetra ka mosarena tanteraka ny any Anindrana any. Na tsy nolazaina mivantana aza, dia ny MERINA hatrany no voalaza ho nahazo tombony sy ampoky ny soa ary ny fahalalana samihafa.
Izay tsy nambara hatramin'izao sy faha-izany, dia izao : tsy nahazo tombontsoa na inona na inona Antananarivo na tamin'ny taona 1946/1947 na amin'izao andro iainantsika izao ary mandositra ny havany avy any Anindran-tany, hivangongo aty Imerina ireo lahimatoatoany nitady tany malemy hanorenam-pangady tamin'ny politika sy nanararaotra ireo foto-drafitr'asa tsy zarizary misy aty.
Mahagaga koa anefa etsy ankilan'ireo voalaza rehetra ireo, fa ireo olona nivangongo aty Imerina rehetra ireo, dia tsy afa-nitodika tany aminy rehefa nahazo fitondrana, fa variana tamin'ny fahefana teo am-pelan-tanany. Araka izany rehetra izany, tsy ho afa-po na oviana na oviana mihitsy ity karazana ity, raha tsy isika mihitsy no hanompo tanteraka azy ireo.
Fehiny:
Miverin-dalana toy ny fanoron-dratsy mandrakariva ny raharaha politika. Tokana ihany no antony: «Desherites» ry zareo, ka tsy afa-po izy ireo raha tsy isika mihitsy no ho tena desherites tanteraka atsy ho atsy!
Ilaitangena