
Ka mipetraka ary ankehitriny ny fanontaniana hoe tokony ho ahoana indray ny endriky ny fanevan'ny firenena merina mahaleotena. Ny efa nampiasaina taloha mantsy dia maro karazana ka sarotra ifidianana no indraindray koa lasa mitovy amin'ny ampiasain'ny firenen-kafa any ivelany rahateo. Ka noho izany dia voatery mamorona endrika vaovao ny taranaka ankehitriny. Mazava ho azy anefa fa tsy azo soritsoritana fahatany ny endrik'io faneva io fa sady tsy maintsy kanto sy mifanentana tanteraka amin'ny tena kolontsaina merina no maneho hatrany koa dika afaka mampiseho tsara ny tena maha-izy azy manokana sy ny tanjona tian'ny firenen-tsika tratrarina. Ka toy izao ary raha fintinina ireo hevitra fonosin'ny faneva merina vaovao araka ny tapaka tao amin'ny ZAIKABE MERINA.
Alohan'ny hanazavana tokoa ny tena dikan'ilay faneva anefa dia tsara angaha ny hampahatsiahivina kely ny hevitra soa ao ambadik'ireo endrika simbolika hita ao anatiny, indrindra moa izany araka ny kolontsaina merina sy nusantara.
Ny mena dia mampahatsiahy avy hatrany ny afo, ny masoandro, ny hafanana. Noho izany dia hampifandraisana indrindra amin'ny mpanjaka (izay mitafy jaky sy mielo mena!) sy ny fiandrianana, ny hery, ny harena ary ny fahamboniana io loko io. Eo anilany dia lokon'ny rà koa ny mena, izany hoe ny aina («miaina»!), ny hafanam-po, ny fitiavana, ny hafaliana, ny fanantenana (satria «homena»!), ny fahatanorana, ny taranaka ary ny firazanana. Amin'ny rà rehetra moa, ny sarobidy indrindra dia ny «rà vavolombelona», ny an'ireo mahery-fo nahavita sorona ny ainy manokana mba ho soan'ny tanindrazana izay toriany sy porofoiny mivantana amin'izany indrindra ny fahamendrehany : mamy sy sarobidy ny aina kanefa mbola mamy mihoatra lavitra noho izany indray ny tombontsoan'ny firenen'ny tena! Eo amin'ny lokon'ny vazan-tany indray dia mampiseho ny andrefana ny mena. Ary farany, raha ilaina dia afaka maneho ny hatezerana koa io loko io.
Ny fotsy (miaraka amin'ny mavo manakaiky azy) indray dia mampiseho indrindra indrindra ny fahazavana sy ny fahadiovana. Noho izany dia taominy avy hatrany koa ny hevitra toy ny fahendrena, ny fahalalana, ny fahatsapa-tena, ny fitoniana, ny fitokisana, ny fahatsorana, ny fanetre-tena, ny faharetana, ny fahatezana, ny fahasambarana. Hita amin'izany fa ny fotsy no lokon'ny fanahy, izay hany maha-olona hoy ny Ntaolo. Ary amin'ny lokon'ny vazan-tany dia mampiseho ny atsinanana niavian'ny razana indrindra ny fotsy.
Ary farany dia eo ny manja, izay tsy tokony heverina ho maneho loko manokana eto fa fifandraisan'ny mena sy ny «fotsy» (amin'ny endriny mavo!) ihany. Ankoatr'izany moa dia fantatra fa ny manja ho an'ny Merina no soa, mamirapiratra sy sarobidy (toy ny volamena!) kanefa maharitra tazanina ka maha te ho tia.
Ny tokana, na dia mampiseho firaisana sy hery aza dia sarotra zakaina amin'ny fiaraha-miaina satria singany sy maningana. Ny roa dia efa tsara noho ny iray ary mampiseho ny «endrika fototra» eo amin'ny zava-boahary (ny lahy sy vavy, ny hafanana sy ny hatsiaka, sns.) kanefa mbola tsy ampy raha tsy eo koa ny vokany, ny tenatenany, ny «zanany». Ka raha izany dia ny telo vao tena isa mamokatra, mifanentana amin'ny fanirian'ny olombelona, afaka misolo-tena ny vahoaka, ahitana ny ray sy ny reny ary ny ankizy, ny tanora sy ny lehibe ary ny antitra. Noho izany, ny tsy tiana ho fantatry ny be sy ny maro dia atao «tsiambaratelo». Ny toko mahamasa-nahandro moa dia fantatra fa telo ary mba tsy hampitompo teny fantatra dia lazaina fa na ny marina aza dia telo rirana toy ny zozoro. Ary farany, ny fiainan'ny olombelona dia mizara dingana telo : ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy.
Raha atao sary ny telo dia manome telolafy, izay «erana» azo soritana voalohany. Ny telolafy moa dia mampahatsiahy avy hatrany koa ny tendrombohitra, ny vohitra, ny tanana, ny fonenana, ny tanindrazana. Ka ny tendrony mananika ny lanitra ary ny fotony milentika any ambanin'ny tany. Izany no ahafahany mampifandray ny tany amin'ny lanitra, ny mpiara-belona amin'ny fanahin'ireo Razana.
Satria koa anefa mandeha tsiroroa matetika ny zava-drehetra dia mba toy izany ny telo ka manjary enina. Ny enina izany no tena isa feno fahita mahazatra indrindra, isa mahenina, mahenika, mahatonga ho enin-tsoa. Noho izany fahiny dia nozaraina ho enin-toko Imerina, vokatry ny fitambaran'Imamo sy Imerina, ny fihavanan'ny Hova sy ny Andriana, ny fitokisana misy amin'ny vahoaka sy ny Andriamanjakany. Ary farany, satria sady masina kokoa no mampiray amin'ny tontolon'ny razana any «An-koatra» ny Andriamanjaka, ho azy sy ny Fanjakana dia miverina indroa ny enina mba ho tonga roambinifolo. Ka izany no nahatonga ny tendrombohitra 12, ny Roambinifolo Nanjaka, ny mpanolo-tsaina roambinifolon'ny Andriamanjaka, sns.
Ny boribory na faribolana dia mampahatsiahy avy hatrany ny masoandro amam-bolana, na koa ny tany aman-danitra. Izany hoe mampiseho ny tontolo, ny zava-drehetra tsotra izao io endrika feno sy tonga lafatra io. Tsy tokana toy ny pentina mantsy ny faribolana fa kosa fanehoana firaisana, «fifandraisan-tanana». Mampiray-fo ny Merina rehetra amin'ny adidy iombonana; mampahatsiahy koa ny firaisan-kinan'ny Ntaolo sy ny mpiara-belona ankehitriny ary ny taranaka ho avy, maneho ny mandrakizay tsy manam-piandohana sy tsy manam-petra ho an'ny firenena merina.
Ny trano no anisan'ny marika voalohany mampiseho ny fianakaviana, ny ankohonana izay voalaza fa «velona iray trano, maty iray fasana». Ka raha izany, ny fitambaran'ny iray firenena koa izany dia azo ekena fa «mpiray trano» ihany. Amin'io lafiny io dia ny firenena manontolo mihitsy no heverina toy «trano iombonana» iray lehibe. Manaraka izany dia tsy fonenana fotsiny ihany ny trano fa koa toerana masina, matetika nolovaina tamin'ny razana ka azo raisina toy ny tempoly ahafahana mifandray amin'ireo lasa any An-koatra. Ary ho an'ny Ntaolo dia ny faritry ny tafo no heverina fa faritra ambony sy masina indrindra. Ka izany no nanaovana azy ho avo sy maranitra mba hanakaiky kokoa ny lanitra ary faranana «tandroka» mba ampahatsiahy ny «dinam-pitahiana» nifanaovana tamin'ireo Razana tamin'ny alalan'ny ràn'ny omby natao sorona tamin'ny andro Fandroana sy ny famadihana.
Ka araka ireo foto-kevitra simbolika ireo ary dia toy izao ny dika natao indrindra ho azo «vakiana» avy hatrany ao amin'io faneva merina io. Ny fitambaran'ny tsipika enina mamaritra ny fizarana rehetra hita eto izany dia mampiseho an' «Imerina enin-toko», izany hoe ny fitambaran'ny Merina sy ireo faritanin'Imerina rehetra. Mampahatsiahy io fa an'ny Merina tanteraka Imerina ary ampy azy ireo ny tanindrazany. Ny endrika voasoritra moa dia telolafy telo mifanatrika sy mifameno mba ho «henika» tanteraka tokoa.
Raha ny lokony indray dia eo aloha ny fotsy mampiseho ny «fanahy», ny hasin'Imerina. Mampahatsiahy koa io fa ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahazavan-tsaina no hiankinan'ny fahombiazana rehetra. Tsy ho lavorary anefa izany raha tsy arovan'ny mena, mampiseho ny hery sy ny hafanam-po, ny fitiavan-tanindrazana sy ny faniriana ho velona miaraka amin'ny taranaka sy ny mpiray-rà amin'ny tena. Ka raha atambatra dia maneho firaisan-kina eto ny mena sy ny fotsy, fifandraisan'ny fanahy sy ny hery, ny fahendrena sy ny fahasahiana, ny fifampitsinjovan'ny mpiray anarana merina rehetra, na aiza na aiza toerana honenany ary na ireo efa lasa izany, na ny mpiara-belona na ireo mpandimby mbola ho avy.
Ary izany rehetra izany moa dia mbola hamafisin'ilay faribolana manja ao anivon'ny fotsy indray. Eo ambonin'izany dia io no masoandro lolohavin'ny Ambaniandro, ny volana fenomanana mampamirapitra ny aliny, ny volatsivaky «hanasinana andriana», izay tsy inona akory fa ny solontenan'ny Firenena Merina ihany. Ny tranon'ny Ntaolo (izay iaraha-manaiky fa ny malaza sy henin-kaja indrindra dia ireo tranon'Andrianampoinimerina!) hita ao anatiny moa dia mazava fa mampiseho ny firenena merina. Manambara koa io fa firenena manan-tantara afaka mampirehareha ny taranaka ankehitriny sy ny ho avy ny firenena merina ary ataony ravaky ny fiainany sy ny kolontsainany ny fahatsiarovana hatrany ny lasa. Sady izay tsara ampahatsiahivina fa ny trano kotona avo tafo miloloha tandro-trano kanefa tsy zakaina tsatokazo toy ny any Asia dia endrika manokana mampiavaka indrindra ny fanao Merina ary manaporofo ihany koa ny famikiran-dry zareo ela tamin'ny fomban-drazany.
Ary farany, ivelan'izany rehetra izany, raha banjinina avy any atsimo io faneva io dia hita fa ny fotsy dia toa mampiseho tendrona zana-tsipika manondro ny atsinanana ka mitaona ny Merina hitodi-doha mankany amin'io lafin-tany io tokoa. Inona anefa moa ny atsinanana ho an'ny Merina fa tsy ny tandrify hiposahan'ny masoandron'ny fanantenana vaovao eo andaniny ary ny toerana lavitra niavian'ireo Razambe voalohany eo ankilany. Ka raha izany, ny fitodihana miatsinanana dia sady fanatrehana amin'ny fo feno fanantenana ny ho avy no fanehoana koa hetaheta hanovozana aina vaovao ao amin'ny tena loharanon'ny firenena merina. Raha tazanina kosa avy any atsinanana (ho antsika eto, ny «Atsinanana lavitra» ampitan-dranomasina hitoeran-kavana!) anefa dia endrika hafa indray no miseho : masoandro mody miankandrefana mampiseho ao afovoany ny «tranon'Imerina» ary arovan'ny tendrombohitra mena roa izay sady miendrika koa ny soratra «M», manondro ny voalohan-tsoratry ny hoe «Merina». Mampahatsiahy io fa ny firenena merina no firenena nusantara tandrefana indrindra!
Toy izany ary raha fintinina ny hafatra taomin'io faneva merina io avy hatrany. Raha ilaina anefa dia mbola azo velarina sy halalinina be be kokoa ny dinika mba hampisongadina hevitra hafa mameno sy manatevina ireo efa voalaza ireo. Ka dia manasa hatrany ny Merina rehetra haneho ny tombony tiany ahampy araka ny fahatsapany sy ny fihetse-pony.
Zaikabe Merina