Ny anarana MERINA

Araka ny lovan-tsofina nampitain'ny Tantaran'ny Andriana dia i Ralambo, mpanjakan'ny faritra avaratra-atsinanan'Imerina ankehitriny sahabo tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-16 no nahitana voalohany ny anarana hoe "Imerina", na ny marimarina kokoa, "Imerina ambaniandro". Ny fanazavana omena amin'izany dia hoe satria "manerinerina" mahatazan-davitra ny tampon'ireo tendrombohitra ao amin'ny fanjakany.

Rehefa mandinika kely anefa isika dia miseho avy hatrany fa toa tsy famoronana anarana velively akory no nataon-dRalambo fa fanambarana ampahibemaso na koa fanekena amin'ny fomba ofisialy fotsiny ihany ny anarana efa nampiasain'ny mponina hatramin'ny ela. Porofo azo raisina avy hatrany amin'izany ny anaran'i Merimanjaka izay efa toerana nanjakan-dRafohy, renibe (na renin'ny renibe) an-dRalambo indrindra.

Mbola talohan'izany indray anefa dia toa efa ahitana an'io anarana io koa, amin'ny endrika hoe Al-Ymerina, ao amin'ny bokin'ilay mpanoratra arabo antsoina hoe Sams ad-Din ad Dimaski (fiandohan'ny taonjato faha-14).

Koa mipetraka ary ny fanontaniana hoe avy aiza marina ary inona no tena dikan'io anarana io?

Ny fiheverana mahazatra ary dia hoe fanafohezana avy amin'ny "manerinerina" tsotra izao ny "merina" satria fantatra fa foto-teny mahazaka tena ary tsy azo tapahina ankehitriny ny "erinerina". Ka raha izany dia tokony hoe "tazan-davitra" na "mahatazan-davitra" no dikan'io anarana io. Ny indro kely anefa dia sarotra azavaina ny antony niteraka an'izany fanafohezan-teny hafa-hafa izany. Nahoana ohatra ary no "merina" fa tsy "manerina" na "mierina"? Fantatra koa eo an-daniny fa io teny farany io dia manana ny dikany manokana, izany hoe "tsy mankasitraka, mitady tombony hafa foana", izay sarotra ho raisina atao anaram-poko sy faritany. Ary mbola toy izany koa ny "mierona" izay efa naroson'ny sasany hatramin'ny ela kanefa tsy mahafatra-po velively.

Noho izany, raha mitady ny marina amin'ny fomba siantifika isika dia tokony tsy iantehitra amin'ny fitovitovizam-peo aty ivelany fotsiny ihany fa mba mikaroka kosa ny tena fakan-teny ary avy eo dia manao fampitahàna amin'ireo karazam-piteny hafa iray fiaviana amin'ny teny merina, indrindra moa ireo any Asia Atsimo-Atsinanana.

Tsikaritra mora foana ary fa ny mety ho tena fakan-tenin'ny "merina" dia tsy inona akory eto fa "eri" izay azo akaikezina amin'ny ira na era (ary marihina fa ny fifanakalozana zana-peo toy izany dia zavatra mahazatra amin'ny tantaran'ny voan-teny iray!), midika hoe "ambony" na "toerana avo niavian'ny rano mikoriana". Rehefa lalinina anefa avy eo dia mazava fa ny fototra nipoiran'io ira io dia ny teny proto-nusantara (PNA - "proto-austronesian" hoy ny mpanoratra vazaha) *daya' (na koa *raya?) izay mitovy dika tanteraka aminy. Ary fantatra koa fa maro-be ny foko tanivo na mponina mitoetra any ampovoan-tany any Asia Atsimo-Atsinanana izay antsoina indrindra amin'ny anarana ahitana an'io fakan-teny io. Ohatra mivantana amin'izany ny Siraya (Pekan/Taiwan fahiny), ny Iraya sy Mandaya (Filipina), ny Daya(k), Toraya/Toraja, Kayan, Gayo, Ngaju sy ny hafa tsy voatanisa any Indonesia.

Ka raha izany dia tena azo voasana toy izao ny fomba niforonan'ny anarana hoe "merina". Tany ampiandohana, raha mbola nipetraka tany amoron-tsiraka ny razan'ny Merina dia *ma-i-raya-na no nilazana ny fiakarana na fifidran-monina any ampovoan-tany. Taty aoriana, araka ny mahazatra dia niova tsikelikely ny fanonona an'ilay teny, ny *ma-i- lasa me- ary ny *raya-na lasa -rina tsotra izao. Eo an-kilany moa dia niova toy izany koa ny fanononana ny foto-teny *raya (tovonana i- rehefa manondro toerana) izay lasa ira ary farany era rehefa niala ny *-ya, angamba noho ny fanosehan'ny tovana -na indrindra izay ampiasaina matetika miaraka aminy.

Mazava ary fa ny tena dikan'ny anarana hoe Merina dia "miakatra any ambony" fa tsy hoe "mahatazan-davitra" akory. Toy izany koa, azo heverina fa ny Merina, ilazana ny olona sy ny ataony no nialoloha ny I-merina, iantsoana ny toerana. Ny manerinerina kosa dia "toerana avo" ary hevitra manaraka taty aoriana ny hoe "talaky maso" sy "mahatazan-davitra". Ary farany, ny tena dikan'ny anaran'i Andrianerinerina izay voalaza fa mpanjaka voalohany (na anisan'ny voalohany) teto Imerina dia "andrian'ny toerana avo" tsotra izao.

Tsara ho marihina anefa fa raha ny mikasika ny tantaran'ny fotoana manakaiky antsika indray no heverina dia tsy ny faritanin'Imerina manontolo ankehitriny akory no nantsoina hoe Imerina fa ny faritra avaratra atsinanana ihany. Ny antony angamba dia noho ny fandraisan'i Ralambo an'io anarana io iantsoana indrindra ny fanjakany manokana ka niteraka "fandavana" avy amin'ireo "merina" any amin'ny faritany hafa tsy mbola nanoa azy sy ny taranany. Ohatra malaza amin'izany ireo mponina any Imamo (anarana toa midika ihany koa hoe "toerana avo"!) izay tsy nihevi-tena ho Merina raha tsy hatramin'ny taonjato faha-19. Ary hita tokoa izany amin'ny filazana mahazatra hoe "Imamo sy Imerina", na koa ny ohabolana : "Ny amberivatry tsy miakatra any Imamo, ny tapia tsy midina any Imerina!" (hoy ny any Imamo!). Fantatra koa fa ireo Andrantsay/Vakinankaratra dia nandà ela ho anisan'ireo nantsoiny hoe "Merina lava-sofina"! Ary farany, izany indrindra no antony nampisalasala indraindray momba ny tena toeran'ireo faritany roa ireo (ary indrindra moa Imamo!) tao anatin'Imerina enin-toko.

Hatramin'ny nahatanterahan'Andrianampoinimerina ny famoriana ho firenena iray ny faritany rehetra honenan'ny iray firazanana "merina" (izany hoe "melayu" na "tsalo" hoy ny fiteny mahazatra ankehitriny!) anefa dia tena lasa anarana iombonana tokoa ny hoe Merina sy Ambaniandro (izany hoe "ambany masoandro"!). Nanomboka tamin'izany fotoana izany koa anefa dia nipetraka ny fanontaniana hoe mba anisan'ny Merina koa ary ve sa tsia ireo Mainty izay mponina nampidirin'ny fanandevozana avy any ivelany kanefa vetivety dia lasa maro be teto Imerina hatramin'ny taonjato faha-19. Ny valiny dia somary manahirana satria toa niovaova araka ny fotoana sy ny toe-draharaha manokana, ary koa ny satan'ny karazan'olona tiana ho resahina. Ka indraindray ary dia noheverina ho toy ny Merina ihany ny sasany amin'izy ireo (ny Manisotra sy ny Manendy ohatra!) amin'ny maha mponin'Imerina mpikambana amin'ny folovohitra manasina andriana azy ary indraindray koa lavina tsotra izao ny maha tena merina-ambaniandro azy raha ny lafin'ny firazanana sy ny tantara no heverina. Matetika ary dia ireo mpitondra fanjakana no mampiditra azy ireo ao anatin'Imerina amin'ny kabarin-dry zareo sasany kanefa kosa ny sarababem-bahoaka dia mitohy hatrany mihevitra fa tsy azo ekena ho tena anisan'ny Merina velively ny Mainty enin-dreny sy ny karazany satria taranaka vahiny hafa firazanana ary mpanompon'andriana mitondra sata manokana fotsiny ihany.

Ankehitriny ary dia miverina soamantsara indray ny fampiasana an'io anarana mitondra tantara io rehefa somary tsy noraharahiana izany nandritry ny taona maro noho ny fiondrehana ara-tsaina teo anatrehan'ny mpanjana-tany vahiny sy ny fampianarany izay nanolo azy tamin'ny "hova" sy ny "malagasy". Koa anjaran-tsika izay mahatsiaro-tena no mba mizatra miteny indray hoe : fiteny merina, fomba merina, tantara merina, sns. Tena anisan'ny lova sarobidy indrindra ho an'ny firenena merina, mampiseho koa ny maha-izy azy manokana nentim-paharazana mihitsy mantsy io anarana io ka tsy azontsika ariariam-poana na avela ho lo mandrakizay.

  Miverina any amin'ny takila fanolorana   Ny eritreritrao...
Copyright © Desambra 1996 Andriantefinanahary.