Hiandry 50 taona indray ve?

(Lahatsoratra navoakan'ny gazety FEON'NY MERINA : Laharana faha-150, 4 Aprily 1997)

Feno dimampolo taona ankehitriny ny "raharaha 29 Martsa 1947". Raha atao indray mijery ny tantaran'i Madagasikara nanomboka tamin'ny 28 febroary 1897, vanim-potoana nanaovana sesitany ny Mpanjaka Ranavalona III ka mandrak'ankehitriny, dia tsikaritra fa misy tamberin-toe-javatra miseho eto Madagasikara isaky ny dimampolo taona.

Nanomboka tamin'io vanin'andro nanaovana sesitany ny mpanjakavavy io tokoa mantsy dia nahery vaika tokoa ny fanapotehana tamin'ny endriny rehetra izay zavatra mety hampahatsiahy fa efa FANJAKANA nanana ny naha-izy azy sy nahatsangy no hary teo imason'izao tontolo izao ny Fanjakan'i MADAGASIKARA, ary endrika iray nisehoan'izany ny fanaovana sesitany ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony.

Tsy izany ihany fa teo koa ny nitifirana ireo izay heverin'ny Frantsay fa mety hanelingelina azy amin'ilay nantsoiny hoe "fampandrian-tany" (Rainandriamampandry sy ny printsy Ratsimamanga), mba hanehoany ny heriny sy hamoretany mialoha izay mety hitroatra hanohitra ny fanjakazakana sy ny tsy rariny ataony. Azo tsorina noho izany fa nanomboka teo, ary mandrak'ankehitriny no rava ny FANJAKANA teto Madagasikara . Lafrantsa mpanjana-tany no teto nanomboka tamin'io vanim-potoana io ary mbola eto hatramin'izao na dia tsy miseho mivantana aza izany.

DIMAMPOLO TAONA VOALOHANY

Dimampolo taona taorian'ny nanaovana sesitany ny mpanjaka Ranavalona III no "nipoaka sa napoaka(?)" ny RAHARAHA 29 Martsa 1947. Raharaha namoizana ain'olon-tsy manan-tsiny maro be , hoenti-manamarina fa nisy "fikomiana" mba hahafahana MAMONGOTRA ny M.D.R.M. sy ho fiarovana ny tombon-tsoan'i Lafrantsa mpanjana-tany sy ireo firinga mievotra mpananty ran-kena tsy hahazo fahefana eto mihitsy ary tsy hanan-kasina amin'izany raha tsy niray petsapetsa taminy. Tsy azo iadian-kevitra mantsy fa na dia vao herintaona mahery kely monja talohan'io aza no nijoro ara-dalàna sy tamim-pomba ofisialy ny antoko M.D.R.M. dia nahazo faka tao am-pon'ny Ambanilanitra ary niroborobo fatratra ka afaka nitaky ara-dalàna sy ara-drariny ary am-pilaminana ny fizakan-tenan'i Madagasikara na dia teo aza ny antoko noforonina sy notohanan'ny Frantsay, dia ny PADESM izany.

"Tsy maintsy potehina ny M.D.R.M." hoy ny baiko nalefan'i Marius Moutet, minisitre de la colonie ho an'ny "haut commissaire de la République française" teto avy any Frantsa faha-izany satria may volon-tratra noho izany fahombiazan'ny M.D.R.M. izany izy ireo. Efa paikan'ny Frantsay rahateo ny "zarazarao hanjakana" ka mba ho fanapotehana tanteraka ny M.D.R.M. dia anisan'ny feo naely fa antokon'ny afovoan-tany, indrindra ny MERINA io antoko io, ary izy ireo no fahavalo ( toy ny nanondroina ny Menalamba ho fahavalo) hany ka maro ireo Merina nieli-patrana nila ravin'ahitra eran'ny Nosy (na mpikambana na tsia tao amin'ny M.D.R.M.) tsy mahalala na inona na inona akory sy ireo mpiasam-panjakana tsy tao anatin'ny antoko PADESM no norohizana na novonoina satria voatondro molotra ho "mpikomy".

Tratran'ny mpanjana-tany ny tanjona satria rava ny M.D.R.M. Ary araka ny nambaran'ilay frantsay mpiasam-panjakana tao amin'ny "Rano sy Ala" tany amin'iny faritra Antsiranana iny tamin'izany aza moa dia : "fampandrian-tany vaovao" haharitra dimampolo taona indray iny tontosa tamin'ny 29 martsa 1947 iny.

DIMAMPOLO TAONA FAHAROA

Telo ambin'ny folo taona taorian'io dia natolotra ireo zaza mpandova novolavolaina tao amin'ny PADESM ny fitondrana ary nambara ny fahaleovantena. Fito amby telopolo taona ankehitriny ny nanambarana izany fahaleovantena izany; DIMAMPOLO TAONA lasa ny "RAHARAHA 1947" izay "ankalazaina" amin'ity taona ity izany tsingerin-taona izany, ary ZATO TAONA lasa no naharava ny Fanjakan'i Madagasikara. Inona no zava-misy ankehitriny ? Ary hanao ahoana ny hoavy ?

Fanoitra lehibe ho an'ny fampandrosoana ny fahazavan'ny TANTARA. Nolalovam-potsiny sy toa nodian-tsy hita anefa ny faha-zato taonan'ny fanjanahan-tany sy ny fananiham-bohitra nataon'ny Frantsay, ka maro ny nahatsapa fa iniana totofana ny TANTARAN'ity Madagasikara ity, ho an'ny tombon-tsoan'iza tsy tiana hotohinina ?

Ny lalaon'ireo tany mampiasa ampahany na manontolo ny teny frantsay (jeu de la francophonie) izay atao eto Madagasikara amin'ity taona 1997 ity (fifanandrifiana fotsiny sa natao fanahy iniana?) no iomanana fatratra, ny herinandron'ny "francophonie" no nahazo vahana , herinandro monja mialoha ny 29 martsa 1997, fa natao ankamehana kosa ny fanomanana ny faha-dimampolo taonan' ny "Raharaha 1947". Tsy vitan'ny ankamehana fotsiny ihany fa anisan'ny nanaitra koa ny antso nalefan'ny "komity" najoro hiandraikitra ny fankalazana ny amin'ny tokony isian'ny famelan-keloka sy fanamafisam-pihavanana. Inona no antony? Fa iza no meloka? Ary iza no ho mpamela heloka? Iza no voatohintohina tamin'iny raharaha iny no mampitady fihavanana ? Inona marina no zava-nitranga?

Mbola mipetraka ao an-dohan'ny maro ireo fanontaniana ireo satria na dia efa 50 taona aty aoriana aza dia mbola tsy fantatra sy tsy mazava ny TANTARA momba ny 29 Martsa 1947, fa maro ny zavatra afenimpenina sy tsy tiana hiseho masoandro, na dia maro amin'ireo ao anatin'ny komity aza no "mpahay sy mpikaroka momba ny TANTARA" nahazo ny mari-pahaizany tany Frantsa. Ahoana no fomba hitaomana ny olom-pirenena hitraka, hitafy fanantenana sy hientana amin'ireo teny filamatra voizina amin'izao fotoam-pankalazana izao, nefa ny TANTARA sy ny zava-nisy MARINA aza tsy fantany akory hahafahany manitsy ny dia?

Ankatok'izao fotoam-pahatsiarovana manjavozavo izao, dia any Frantsa i Ratsiraka Didier, filoham-pirenena sy i Zafy Albert. Ny iray voalohany moa nanita-dia tamin'ny iraka nampanaovin'ny tenany azy "hampandry resaka" any, ary ny faharoa lasa niara-nanatrika tamin'iry voalohany (samy namany, hono!) ny fandevenana an'ingahy Jacques Foccard , ilay mpanolo-tsaina ny filoham-pirenena frantsay nifandimby hatrany amin'ny andro nitondran'i Charles de Gaulle momba ny politika ampiharin'i Frantsa any Afrika (Monsieur Afrique) sy aty Madagasikara, izay iaraha-mahita ny vokatry ny asany (firenena gisitra sy miady an-trano lava) tamin'ireo firenena ireo.

Ireo no zava-misy amin'izao fifaranan'ny dimampolo taona faharoa "nampandriana ny tany Madagasikara " izao. fa hanao ahoana ny hoavy?

MBOLA HIANDRY DIMAMPOLO TAONA HAFA INDRAY VE?

Tsy misy hoavy mamiratra azo aorina eo ambonin'ny ankehitriny manjavozavo sy ny lasa maizin-kitroka. Ambanilanitra mandry tsirangaranga , miaina ao anaty fahantrana lalina, tsy manan-kitokiana intsony fa very fanahy mbola velona no eo an-tokonan'ny taon-jato faha -XXI. Olom-pirenena tsy an-tany tsy am-parafara no miaina eto nanomboka tamin'ny 1896 satria sady nezahina ary ezahina vonoina ny TANTARANY, ary ankehitriny aza dia mivatravatra indray ny FAMONOANA NY TENINY satria ny "francophonie" indray no ankalazaina amin'izao tsingerin-taona faha-zato nahavery hasina sy ny faha-dimampolo taonan'ny "raharaha 1947 izao.

Mbola hiandry dimampolo taona hafa indray va vao hifoha ka hamela ny tombon-tsoam-pirenena ho viravirain'ireo mpandova ny fanjakana avy tamin'i Lafrantsa izay mbola tsy niala teo hatrizay 37 taona izay?

FANDRIPAHANA

Ao anatin'izao fotoam-paha-tsiarovana ny faha-50 taonan'ny 29 Martsa 1947 izao sy manoloana koa ny tsingerin-taona faha-100-n'ny nandripahana ny Menalamba ary eo anatrehan'ny fiarahan-dRatsiraka sy ny masoivohon'ny firenena frantsay miasa eto Madagasikara nametra-boninkazo teny amin'ny fasan'ny maherifo teny Andrainarivo indrindra indrindra, no hampahatsiavina amin'i Frantsa ireo vonon'olona rehetra nataony teto Madagasikara.

Teo amin'ny tantaran'izao tontolo izao, vokatr'ireny adilehibe ireny, dia efa nangata-pamelana tamin'ny Jiosy sy ireo firenena niaram-boina i Jermania, ary vao tamin'iny taon-dasa iny Frantsa no nanao toy izany koa tamin'i Israely.

Tsiahivina amin'ireny ny ady nandritra ny taon-jato faha-XIX indrindra indrindra ny ady frantsay-Merina tamin'ny taona 1885, 1895 izay nitohy tamin'ny ady nandripahany ny Menalamba saiky isam-paritra hatramin'ny taona 1905, ny ady tamin'ny taona 1947 sy 1948.Ireo rehetra nahavita "heloka be vava tamin'ny zanak'olombelona" (crime contre l'humanité) tompon'andraikitra tamin'ny ireny fandripahana rehetra ireny hatramin'izao dia mbola katsahina sy nakarina fitsarana, tsy tany Jermania na teo anivon'ny firenena mikambana ihany, fa tany Frantsa koa, indrindra indrindra tao anatin'izay 4 taona farany izay, ka azo inoana fa tsy hanao mpitari-bato vilam-bava i Frantsa, ka hahay mijery ny tany an-kafa nefa hody tsy hahita ny taty Madagasikara.

Mialoha ny fangataham-pamelana hataony, dia tsy maintsy manonitra amin'ny Madagasikara ny heloka vitany tamin'ny vahoakany aloha i Frantsa, satria, tsy fikomiana tamin'ny fanjakana frantsay ireny rehetra ireny, fa ady natao hiarovana an'i Madagasikara na ady natao hitakiana ny fiandrianampirenen'i Madagasikara ary aorian'izay vao mangata-pamelana amin'ny taraka ankehitriny izy. Hahamafy orina kokoa ny fifankatiavana eo amin'ny vahoakan'ny tany roa tonta izany ary hanamafy koa ny fifandraisana misy na dia efa sembana sahady noho ny lalana Debre aza io fifandraisana io ankehitriny io.

F. ny S.


NANKALAZA NY PADESM / PSD

20 taona taty aoriana, izany hoe tamin'ny taona 1967 vao nekena hisoritsoritra manjavozavo tao anatin'ny Tantaran'i Madagasikara ny andron'ny faha-29 Martsa, andro manjombona sy mitakosin-drà amin'ny takilan'ny Tantaran'i Madagasikara.

Ny taona 1970 anefa vao tena "NANKALAZAINA sy NITSOFAN'NY FITONDRANA PSD ANJOMARA" io vaninandro io, ka tetsy amin'ny Anjelimainty afovoan'ny farihin'Anosy no nametrahan'ingahy TSIEBO Calvin fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo maty nanompo an'i Frantsa tamin'ny Adilehibe voalohany 1914-1918, azafady : ireo maty hahazoan'ny PSD fitondrana tamin'ny taona 1960, mbola azafady ihany : ireo maty ho an'ny Tanindrazana tamin'ny faha-29 Martsa 1947.


Miverina any amin'ny takila fanolorana Ny eritreritrao...